2023
Mila eo ianao ho an’ny zanakao lahy
Janoary 2023


“Mila eo ianao ho an’ny zanakao lahy,” Liahona, Jan. 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Mila eo ianao ho an’ny zanakao lahy

Nanao fanovana lehibe teo amin’ny fiainany ny raiko taorian’ny nitafan’ny Fanahy taminy nandritra ny fanendrena ahy ho amin’ny fisoronana.

Sary
ankizilahy notendrena ho amin’ny fisoronana

Four Generations (Taranaka efatra), nataon’i Kwani Povi Winder

Lasa mpikamban’ny Fiangonana mavitrika aho rehefa nentin’i Dadatoa Bill tany amin’ny Kilonga izaho sy ireo zandriko vavy roa. Ny mpampianatra ahy tao amin’ny Kilonga, Jean Richardson, dia toy ny reny tsara fanahy tamiko. Tiako izy sy ireo namako vaovao tany am-piangonana izay tsara fanahy tamiko raha noharina tamin’ireo ankizy mpifanolobodirindrina taminay. Koa nanapa-kevitra ny hijanona aho.

Rehefa iny aho handray ny faha-12 taonako iny dia nanasa ahy ny Eveka Dal Guymon mba handray ny Fisoronana Aharôna ka hotendrena ho diakona. Tsy azo antoka hoe inona no dikan’izany fa dia nekeko. Hoy izy avy eo hoe: “Maninona raha angatahinao ny rainao mba hitondra anao aty amin’ny alahady manaraka dia izahay no hanendry anao.”

Nitsahatra tsy nankany am-piangonana i Dada sy ny fianakaviany fony izy 13 taona teo ho eo. Rehefa lehibe izy dia tany amin’ireo toeram-pivarotan-toaka na nanjono no nandaniany ny ankabeazan’ny faran’ny herinandrony. Nanompo tao amin’ny tafika an-dranomasin’i Etazonia izy tamin’ny Ady Lehibe Faharoa sy tamin’ny Ady tany Corée. Nifoka sigara sy nigoka ary niteny ratsy izy saingy tsara laza ho marin-toetra sy mandala ny rariny kosa izy tao Montana ilay tanàna kely nisy anay.

Zava-dehibe no nitranga rehefa nentin’i Dada tany am-piangonana aho ny alahady manaraka. Rehefa tonga ny fotoana dia nantsoin’ny Eveka Guymona aho ka nasainy nipetraka teo amina seza iray. Lehilahy maromaro, ankoatra ny raiko, no nametraka ny tanan’izy ireo teo amin’ny lohako sy nanatanteraka ilay fanendrena.

Tsapako ny vesatr’ireo tanana lehibe teo ambonin’ny lohako. I Dada kosa, izay nipetraka teny amin’ny dabilio izay metatra vitsivitsy niala teo dia nahatsapa karazana zavatra hafa nanery tao amin’ny tratrany. Nisy feo niteny taminy tao anatiny nanao hoe: “Mila eo ianao ho an’ny zanakao lahy amin’ny fotoana manaraka hitrangan’ny toy izao.”

Tao anatin’ireo herinandro maromaro nanaraka izany i Dada dia nanao fanovana lehibe teo amin’ny fiainany sy nanomboka nanatrika fotoam-pivavahana isaky ny alahady. Tsy ela dia lasa ivon’ny fifantohan’ny fiainam-pianakavianay ny Fiangonana.

Lasa i Dada no mpanoro hevitra ahy tao amin’ny Kôlejin’ny diakona, sy ny mpampianatra, ary mpisorona; mpampianatra Sekoly Alahady ahy, ary mpanazatra basketball, softball, ary volleyball ahy. Nandritra ny fotoana naha mpampianatra isan-tokantrano anay mianaka dia nanampy lehilahy hafa sy fianakaviana maro hiverina havitrika tao am-piangonana i Dada.

Niaraka tamin’ny fanampian’i Dada dia niaina ny fiovam-poko manokana sy fiovam-po izay nitondra fiovana aho. Nanomboka tamin’izay aho dia niezaka ny hamantatra ireo lehilahy izay, tahaka ny raiko, mety hanaiky ny fanasana mba ho tonga ilay ray tsara indrindra azony hahatongavany.

Ho feno fankasitrahana mandrakizay aho ny amin’ny zavatra nataon’i Dadatoa Bill, ilay mpampianatra tsara fanahy iray tao amin’ny Kilonga, ilay eveka feno fahendrena, ary ny raiko ho ahy 60 taona lasa izay.