2023
Amin’ny fomba ahoana ny batisa no hoe maneho fankatoavana?
Janoary 2023


“Amin’ny fomba ahoana ny batisa no hoe maneho fankatoavana?” Liahona, Jan. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Matio 3; Marka 1; Lioka 3

Amin’ny fomba ahoana ny batisa no hoe maneho fankatoavana?

Ny Mpamonjintsika no ohatra tonga lafatra amin’ny fankatoavana ny Ray any An-danitra raha nanambara Izy hoe: “Tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’izay naniraka Ahy” (Jaona 5:30).

Natao batisa ny Mpamonjy mba hanehoana ny fankatoavany amin’ny antsipiriany ny Ray any An-danitra. Toy izany koa, rehefa maneho ny fankatoavantsika isika amin’ny alalan’ny fanaovana batisa antsika dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra fa ho mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanolorantena sy fankatoavana. (Jereo ny 2 Nefia 31:5–13.)

Sary
I Jaona manao batisa an’i Jesoa

Misy ohatra iray maneho ny fankatoavan’ny Mpamonjy hita ao amin’ny tantaran’ny nanaovana batisa Azy:

“Ary tamin’izay [Jesoa] dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa.

“Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray va no mankaty amiko?

“Fa namaly Jesoa ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra” (Matio 3:13–15).

John Baptizing Jesus (I Jaona manao batisa an’i Jesoa), nataon’i Harry Anderson