2023
Ahoana no ahafahako ho vavolombelon’i Jesoa Kristy?
Janoary 2023


“Ahoana no ahafahako no vavolombelon’i Jesoa Kristy?” Liahona, Jan 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Matio 2; Lioka 2

Ahoana no ahafahako ho vavolombelon’i Jesoa Kristy?

Sary
I Jesoa zazakely ao an-tranon’omby

Safe in a Stable [Voaro ao an-tranon’omby], nataon’i Dan Burr

Rehefa teraka i Jesoa Kristy dia olona maro no nahafantatra fa Izy no ilay Mpamonjy nampanantenaina. Ankoatra an’i Maria sy i Josefa, dia tafiditra tao anatin’ireo olona ireo ireo mpiandry ondry, i Simeona, i Ana, ary taty aoriana ireo Magy. Nijoro ho vavolombelona mikasika ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy izy ireo.

Anisan’ireo olona tena manan-danja azontsika hizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Mpamonjy ny fianakaviantsika sy ny namantsika. “Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany” (2 Nefia 25:26).

Sahanasa

Vakio ny fomba namalian’ireo vavolombelona ireo rehefa nahita vao voalohany an’i Jesoa Kristy izy ireo. Hevero avy eo ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny fianakavianao na ny namanao sasantsasany, na raketo ao anatin’ny diarinao ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Sary
Mpiandry ondry

Mpiandry ondry

Lioka 2:15–18

The Nativity [Ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy], nataon’i Brian Call

Sary
Simeona

Simeona

Lioka 2:25–33

Simeon and Christ [I Simeona sy i Kristy] © Lars Justinen / Nahazoana lalana avy tamin’ny Goodsalt.com

Sary
Ana

Ana

Lioka 2:36–38

Anna [Ana], nataon’i James L. Johnson

Sary
Ireo Magy

Ireo Magy

Matio 2:11

Minerva Teichert (1888–1976), The Three Wise Men [Ireo Magy Anankitelo], 1937, sary hosodoko natao tamin’ny loko menaka, 1,524 x 1,143 metatra, Brigham Young University Museum of Art, 1943