2023
Inona no fitahiana azontsika amin’ny alalan’ilay Fahazavan’izao tontolo izao?
Janoary 2023


“Inona no fitahiana azontsika amin’ny alalan’ilay Fahazavan’izao tontolo izao?” Liahona, Jan. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Jaona 1

Inona no fitahiana azontsika amin’ny alalan’ilay Fahazavan’izao tontolo izao?

Sary
I Jesoa amin’ny Fiaviana fanindroany

The Second Coming [Ny Fiaviana Fanindroany], nataon’i Grant Romney Clawson, nifototra tamin’ny ilay sary avy any ifotony nataon’i Harry Anderson

I Jaona dia tonga “ho vavolombelona hanambara ny Mazava,” ilay “tena Mazava, Izay Mahazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao” (Jaona 1:7, 9). “Izay fahazavana mivoaka avy eo anatrehan’ Andriamanitra … [ary] manome aina ny zava-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:12–13).

Amin’ny fomba ahoana no hitahian’ny fahazavana antsika? Jereo ny Almà 19:6; 36:20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67.

Ampitahaina amin’ny inona ny fahazavana? Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:45.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mivoatra ao anatin’ny fahazavana? Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihanana 93:9.

Iza ilay Fahazavan’izao tontolo izao? Jereo ny Jaona 8:12; 3 Nefia 18:16, 24.

Nampianatra ny Filoha Lorenzo Snow (1814–1901) hoe: “Mino isika fa ilay fanahy izay manazava ny fianakaviamben’olombelona dia mivoaka avy eo anatrehan’ilay Tsitoha, ary miely manerana ny toerana rehetra, sy fahazavana ary aina ho an’ny zava-drehetra, ary ny fo madio rehetra dia manana izany arakaraka ny fahamasinany sy ny fahamarinan-toetrany ary ny faniriany hahafantatra ny fahamarinana sy hanao tsara amin’ny mpiara-belona aminy” (The Teachings of Lorenzo Snow, ed. Clyde J. Williams [1996], 107).