2023
Ny herin’ny ohatra aseho
Janoary 2023


“Ny herin’ny ohatra aseho,” Liahona, Jan. 2023.

Fanehoana ny finoana

Ny herin’ny ohatra aseho

Fantatro fa ny hany fomba ahafahako mitaona ny vadiko hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia amin’ny alalan’ny ohatra asehoko. Rehefa novaiko ny fitondrantenako dia nanomboka nahatsapa ny Fanahin’ Andriamanitra izy.

Sary
Mpivady mivavaka

Sary nalain’i Cody Bell

Indray andro raha teny an-dalana hankany am-piasana aho dia nahita tovolahy roa nitory ny tenin’ Andriamanitra teny an-dalana. Nijanona izy ireo ary nanontany ahy raha toa aho ka maniry ny hahafantatra misimisy kokoa momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Tamin’izany fotoana izany dia tsy fantatro hoe aiza no lalan-kizoran’ny fianakaviako. Tsy nanana fitarihana ara-panahy mba hahitana ny lalanay izahay.

Nisotro toaka aho tamin’io maraina io ka tsy dia tsaroako loatra ny zavatra nolazain’ireo misiônera ahy. Saingy nomen’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna sy kiboky momba ny Mpaminany Joseph Smith mbamin’ny nomeraon’ny telefaonin’izy ireo aho. Ny harivan’io andro io dia nanomboka namaky aho. Nisy zavatra nanohina ny fanahiko rehefa namaky ny Bokin’i Môrmôna aho, ary nahatalanjona ahy ny fomba nahafahan’ny ankizilahy iray 14 taona nahita fahitana lehibe toy izany.

Nikaroka ny fahamarinana aho koa nanomboka nihaona tamin’ireo misiônera. Taorian’ny nandraisako ny ankamaroan’ireo lesona dia fantatro fa nila natao batisa aho. Saingy rehefa nihananakaiky ny andron’ny batisako dia nisy lesona iray izay sarotra tamiko ny nihaino azy. Niompana tamin’ny Tenin’ny Fahendrena izany lesona izany.

Mafy tamiko ilay lesona satria aho nisotro toaka be. Henjana ny tontolo niasako. Nisotro avokoa ny olon-drehetra niara-niasa tamiko, koa dia nisotro koa aho. Mazàna aho no nandeha nisotro taorian’ny fotoam-piasana ary nody alim-be.

Saingy niasa tsara ireo misiônera. Mbola hitiavako azy ireo ny nanaovany izany. Nampianarin’izy ireo ahy fa tian’ Andriamanitra isika ho matanjaka ka nomeny ny Tenin’ny Fahendrena isika mba hitahiana antsika. Tena mafy tamiko ny nankatò io lalàna io saingy nanomboka nitandrina izany tsikelikely aho. Tsaroako aho niantso ireo misiônera isan’andro sy nanome vaovao azy ireo momba ny fivoarako ary niteny tamin’izy ireo fa tsy nisotro aho io andro io. Tena faly izy ireo tamin’ny fivoarako.

Noho ny fanampian’izy ireo dia natao batisa sy niditra ny valan’i Jesoa Kristy aho. Nahatsapa ny Fanahy aho tamin’io andro tsara io! Saingy irery aho tamin’ny fotoana nidirako ho mpikamban’ny Fiangonana. Niriko ny mba hiarahan’ny fianakaviako amiko.

Rehefa niresaka tamin’i Clirime vadiko momba ny Fiangonana aho dia tsy nihaino ahy izy tamin’ny voalohany. Mpikambana tamina antokom-pinoana iray hafa ny raibeny ary nampanontany tena azy izay mba antony nahatongavan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany teto Albanie. Fantatro fa ny hany fomba ahafahako mitaona azy ho ao amin’ny filazantsara dia amin’ny alalan’ny ohatra asehoko. Ny olona dia afaka mahita hoe iza marina isika amin’ny alalan’ny asantsika.

Tsikaritr’i Clirime ireo fiovana teo amiko rehefa nafoiko ny toaka ary nanomboka nody aloha aho rehefa nirava avy niasa. Noho ireo fanovana nataoko dia nanomboka nahatsapa ny Fanahin’ Andriamanitra izy rehefa nilazalaza taminy momba ny Fiangonana aho. Tsy haiko faritana ny hafaliana tsapako rehefa nolazainy ahy indray andro fa hatao batisa ihany koa izy. Tsy ela dia nanomboka nianatra ireo lesona zarain’ny misiônera izy; lesona izay nanampiako ireo misiônera ny nampianatra azy. Nahafaly ahy tokoa rehefa nametraka daty ho an’ny batisany izy, enim-bolana taorian’ny nanaovana batisa ahy.

Tamin’ny alalan’ny batisany sy ny an’ireo zanakay roa rehefa nahatratra ny fahavalo taonany izy ireo, dia nahatsapa aho fa afaka ny ho fianakaviana mandrakizay izahay. Kanefa vao fiantombohana fotsiny ihany ny batisa. Mba hiomanana ho any amin’ny tempoly dia fantatray fa tsy maintsy manaraka an’ Andriamanitra mandra-pahafatinay izahay, mandeha any am-piangonana, mandray ny fanasan’ny Tompo, manompo ao anatina antso, sy mamaky soratra masina ary mianatra misimisy kokoa momba ny fanekempihavanana sy ny drafitry ny famonjena.

Andro tsara iray hafa ny andro namehezana anay mianakavy tao amin’ny Tempolin’i Francfort Allemagne. Tao amin’ny tempoly aho no lasa nahatakatra kokoa momba ny drafitry ny Andriamanitsika ho an’ny fahasambarantsika, ary tsapako ny fitiavany.

Mbola tsaroaka ireo fampanantenana nataonay sy i Clirime tao amin’ny tempoly. Isaky ny misy tsy mety na misedra olana izahay dia mitodika any amin’ireo fampanantenana ireo ny saiko.

Miezaka ny miara-miaina amim-pilaminana izahay mianakavy satria izany no zavatra tsapanay tao amin’ny tempoly. Isaky ny mieritreritra ny tempoly aho dia mahatsapa tena ho faly sy voatahy. Fantatro fa misy Andriamanitra ary tiany isika ary iriny isika mba ho faly.