2023
Rehefa misy aretina mitaiza mahazo antsika
Janoary 2023


“Rehefa misy aretina mitaiza mahazo antsika,” Liahona, Jan. 2023.

Mitombo taona amim-pahatokiana

Rehefa misy aretina mitaiza mahazo antsika

Ny fiatrehana toe-javatra sarotra isan’andro dia afaka manampy antsika hivoatra eo amin’ny fanehoana fangorahana, fiombonam-pihetseham-po ary eo amin’ny fahaiza-miarina.

Sary
Tanan’olona iray mihazona tanan’olona iray hafa

Talohan’ny nahafatesan’ny reniko noho ny aretina nikiky azy dia matetika izy no nitsiky ary nilaza hoe: “Na iza na iza amintsika hiala ety dia tsy maintsy mandalo fahafatesana, noho izany dia tokony hanararaotra koa izay ananantsika isika.”

Tao anatin’ireo andro tsarany no nisehoan’izany. Ary nanana andro tsara maro izy teo amin’ny fiainany.

Saingy teo koa ireo andro niainany izay tsy dia feno fifaliana loatra. Tao anatin’ireny andro ireny dia nilaza izy hoe: “Raiso izay zavatra tonga eo aminao ary jereo raha toa ka mbola afaka manao soa eto amin’izao tontolo izao ianao.”

Ela velona kokoa izao ny olona maneran-tany raha oharina amin’ny taloha.1 Saingy na dia ela velona aza isika, dia mety ho tratran’ny aretina mitaiza: diabeta, aretina Parkinson, homamiadana, aretina Alzheimer sy ny maro hafa. Noho izany inona no fihetsika tokony hasehontsika rehefa misy aretina mitaiza mahazo antsika?

Mandrosoa hatrany amim-pinoana

“Atreho ny zava-miseho na dia tsy fantatrao aza izay hitranga amin’ny ho avy,” hoy ny rahalahy iray izay voatery naka lalan-tsy hiasa noho ny tsy fahasalamana satria niverina eo amin’ny sehatry ny asa ny vadiny mba hamelomana ny fianakavian’izy ireo. Izy dia mino ny hoe matetika loatra isika no mody maneho endrika faly izay manakana ny fandaminantsika ny fihetseham-pontsika sy ny fampivoarantsika ny fomba fijerintsika. “Raha tokony handroso hatrany amim-pinoana isika dia mihitsoka satria miandry fahagagana iray na mimenomenona rehefa misy anankiray tsy tonga,” hoy izy. Ny fomba fizakany ny aretiny dia amin’ny alalan’ny fihainoana soratra masina sy ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary amin’ny alalan’ny firesahana amin’ny namana sy fianakaviana amin’ny telefaonina.

“Ny zava-mahazatra mpiseho isan’andro no mampahakivy ahy,” hoy ny rahavavy iray izay ianjadian’ny aretina mitaiza ny vadiny. “Tsy hihatsara intsony ny fahasalaman’ny vadiko. Ekeko izany. Saingy ny hamafin’ireo raharaha rehetra fanao mahazatra sy heverina ho ambany dia mandreraka ara-tsaina sy ara-batana ary ara-panahy. Ankamamiany ny famangian’ireo rahavavy mpanompo azy. “Rehefa mandalo izy ireo dia tena mampamiratra ny androko izany.”

“Indraindray manadino zavatra izaho sy ny vadiko ary lasa mifanditra,” hoy ny rahalahy efa nahazoazo taona iray. “Sorena izahay satria be fanadinoana ary manenina tokoa amin’ireo teny mifono fahatezerana nolazainay izahay avy eo.” Nianatra nandray an-tsoratra izy ireo mba hanampiana azy ireo hahatadidy. Mifanome fotoana ahafahana mitony izy ireo mialoha ny hiresahana. “Ary,” hoy izy hoe: “nianatra bebe kokoa mihitsy ny maha zava-dehibe ny fitenenana hoe: -Misaotra,- sy -Tiako ianao- izahay.”

Nisy mpivady zokiolona iray hafa izay afaka nivelona tamina vola miditra raikitra iray mandra-pitombon’ny vidim-panafodin’izy ireo ho lasa avo roa heny. Soa ihany fa noho ireo olona tao amin’ny fianakaviana sy ireo mpikambana tao amin’ny paroasy dia voaray an-tanana ny zavatra nilain’izy ireo. “Menatra izahay hangataka fanampiana tamin’ny voalohany, indrindra fa tamin’ny zanakay,” hoy ilay rahalahy. “Saingy te hanampy daholo ny olona rehetra.”

Sary
I Jesoa nanasitrana lehilahy iray

Sombiny avy amin’ny He Healed Many of Diverse Diseases [Nanasitrana olona maro nanana karazana aretina maro Izy], nataon’i J.Kirk Richards, tsy azo adika

Sosokevitra sy fanamarihana

Ireto misy sosokevitra sy fanamarihana avy amin’ireo izay manana aretina mitaiza:

  1. Hahita fanantenana ireo izay mitodika any amin’ny Mpamonjy. “Nihevitra aho fa tsy misy olona afaka mahatakatra ny zavatra iainako,” hoy ny rahalahy iray izay tratran’ny syndrome de fatigue chronique (aretim-paharerahana lalina izay mitaiza). “Avy eo indray Alahady raha teo am-pandraisana ny fanasan’ny Tompo aho dia nahatsapa fa takatry ny Mpamonjy ny fanaintainako. Fantatro fa vitako ny mizaka izany amin’ny alalan’ny fanakaikezana Azy.” (Jereo ny Almà 7:11–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:8; 122:8.)

  2. Mitombo ny fangorahana ao anatin’ireo izay “[maharitra tsara]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:8). “Aiza isika no mitodika mba hangataka fanampiana sy fampaherezana rehefa ao anatin’ny fangirifiriana sy tra-doza? … Lehilahy sy vehivavy efa nandalo fijaliana izy ireo ary avy amin’ny traikefa azon’izy ireo tao anatin’ny fijaliana no amoahan’izy ireo ny haren’ny fangorahana sy ny fiombonam-pihetseham-po any amin’izy ireo mba ho fitahiana ho an’ireo izay mila fanampiana. Moa ve izy ireo afaka nanao izany raha tsy efa nandalo fijaliana aloha?”2

  3. Andro iray isaky ny mandeha no iaino. “Tena nahery vaika ny fanaintanana taona maro lasa izay ka dia tsy haiko intsony ny fomba hahazakako izany. Nanomboka nanana fahatsapana te hamono tena aho,” hoy ny rahavavy iray izay nijaly noho ny aretina sclérose en plaques. Nanao fizaham-pahasalamana ny tenany tany amin’ny sampana misahana ny fahasalaman’ny saina tao amin’ny hôpitaly izy. Nandritra ny fotoam-panoroana hevitra, ny tarigetrany dia tsy hoe “maharitra hatramin’ny farany” fotsiny (1 Nefia 22:31) fa “maharitra hatramin’ny fiafaran’ny andro iray.”

  4. Mamoròna zava-mahaliana vaovao ary mitadiava fomba vaovao hanompoana. Mitadiava zavatra vaovao mampirehi-po toy izay halahelo noho ireo zavatra tsy azonao atao intsony. Hitan’ny rahavavy iray tratran’ny aretina sclérose en plaques fa tsy afaka manao ireo zavatra izay tiany teo aloha izy, toy ny mitaingina soavaly na manao softball. Nianatra nanao sora-kaliana izy ho solon’izany. Ankehitriny izy dia mampiasa ilay talenta vaovao novolavolainy mba hamoronana sary ravaka amin’ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny fianakaviany.

Rehefa lasa zava-misy eo amin’ny fiainana ny aretina mitaiza dia tena fanamby iray izany. Ny fiatrehana toe-javatra sarotra miseho isan’andro dia afaka manampy antsika hivoatra eo amin’ny fanehoana fangorahana, fiombonam-pihetseham-po ary eo amin’ny fahaiza-miarina miaraka amin’ny finoana sy ny fanantenana ao amin’i Kristy ary ny faniriana hanohy hanompo.

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Susanne Reiff, “Increasing Life Expectancy: People Are Getting Older and Older,” Alumniportal Deutschland, Sept. 2017, alumniportal-deutschland.org/en/global-goals/sdg-03-health/increasing-life-expectancy-age-ageing.

  2. Orson F. Whitney, “A Lesson from the Book of Job,” Improvement Era, Nov. 1918, 7.