2023
Ny fianakaviana sy Ilay fahazavan’izao tontolo izao
Janoary 2023


“Ny fianakaviana sy Ilay fahazavan’izao tontolo izao,” Liahona, Jan. 2023.

Ho an’ny ray aman-dreny

Ny fianakaviana sy Ilay fahazavan’izao tontolo izao

Sary
Fianakaviana tafavory sy mitsikitsiky

Ry ray aman-dreny malala,

Ampahany tena manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana ho an’ny zanany ny fianakaviana. Ireo lahatsoratra ato anatin’ity laharana ho an’ity volana ity dia afaka manampy anao hanatsara ny fifandraisanao amin’ireo fianakavianao sy manampy amin’ny fiatrehana ireo olana ao anatin’ny fifandraisana amin’ny fianakaviana. Azonao ampiasaina koa ity laharana ity mba hampianarana ny ankizy ireo lesona manan-danja sasantsasany avy ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara

I Jesoa Kristy no ilay Tena Fahazavana ho antsika

Zarao amin’ny fianakaviana ireo fampianarana sasantsasany avy amin’ny lahatsoratry ny Filoha Ballard ao amin’ny pejy 4 mikasika ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha Fahazavan’izao tontolo izao Azy. Miaraha ianareo fianakaviana manao lisitra an’ireo loharanom-pahazavana samihafa ao amin’ny tranonareo ary ifanakalozy hevitra ny mikasika ireo karazan-javatra ataon’ny hazavana ho antsika. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’i Jesoa Kristy, ilay loharanom-pahazavana ara-panahy lehibe indrindra, antsika?

Fifampiresahana malalaka eo anivon’ny fianakaviana

Zava-dehibe ny fiomanana ara-panahy mba hiatrehana ireo olan’ny fiainana. Vakio ao amin’ny pejy 12 ireo torohevitra sasantsasany avy amin’ny mpanoro hevitra misahana ny fahasalamana ara-tsaina iray momba ny fomba hananana fifampiresahana mafonja sy mampatanjaka amin’ny zanakao. Inona amin’ireo hevitra sy torohevitra ireo no azonao ampiharina eo amin’ny fianakavianao manokana?

Manomana ny fontsika ho an’ilay Teny

Vakio ny lahatsoratra nosoratan-dRahalahy Camargo ao amin’ny pejy 38 mikasika ny fanoharana momba ny mpamafy. Ifanakalozy hevitra amin’ny fianakavianao ny hoe maneho inona ireo karazana tany samihafa tao anatin’ilay fanoharana. Afaka manao sary ireo zavatra hita ao amin’ilay fanoharana ny ankizy kely ary miresaka momba izany ary afaka mamaky ny fanoharana ao amin’ny Marka 4:3–20 ny ankizy lehibe sy mizara ny eritreriny na ny fanontaniana ananany.

Sahanasa mampiala voly ny fianakaviana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Manao zavatra sarotra miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra

Indraindray isika dia angatahina mba hanao zavatra sarotra ary manontany tena raha ho vitantsika izany, tahaka an’i Maria sy i Elizabeta havany ao amin’ny Testamenta Vaovao (jereo ny Lioka 1:5–55).

  1. Mametraha fitoeran-javatra iray, toy ny siny iray na baoritra iray tsy misy na inona inona eny amin’ny zorony iray amin’ny efitrano.

  2. Omeo volom-borona iray ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana.

  3. Asaivo manao izay hilatsahan’ilay volom-borona ao amin’ilay fitoeran-javatra ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana, ka miainga avy eny amin’ny zorony iray hafa ao amin’ilay efitrano izy ireo ary mitsoka ilay volom-borona mba hanidina foana mandra-pahatongan’izy ireo eny amin’ilay zoron-trano misy ilay fitoeran-javatra.

  4. Mba hampahasarotra kokoa izany dia 30 segondra ihany no omeo hanaovana izany ary mololo no ampiasao mba hitsofana an’ilay volom-borona. Tohizo ny fanenana ny fotoana hanatanterahana izany mandra-pahatonga any amin’ny tsy fahafahana manao ilay sahanasa intsony.

Fifanakalozan-kevitra: Miaraka amin’ny fihazonana ao an-tsaina ny hoe misy olana sasany izay mety ho voavaha eto amin’ity fiainana ity, dia mizarà zavatra niainana iray izay nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa “izay zavatra tsy hain’ny olona dia hain’ Andriamanitra” (Lioka 18:27) Inona avy ireo dingana kely azonao atao isan’andro mba hanatanterahana ireo asa eo amin’ny fiainanao izay toa tsy ho azo tanterahina?