2023
Herisetra, fananganana, ary fahasitranana
Janoary 2023


“Herisetra, fananganana, ary fahasitranana,” Liahona, Jan. 2023.

Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Herisetra, fananganana, ary fahasitranana

Niaina tao anatin’ny herisetra ary nikorontandrontana ny fianakaviako, saingy manana fanantenana aho ny amin’ny fianakaviako manokana any aoriana.

Sary
Vehivavy iray mipetraka eo am-pandriana ary mivavaka

Sary nindramana olona mba hatao maodely

Lehibe tao anatina tontolo mikorontandrontana aho. Nanao herisetra tamiko ny ray aman-dreny niteraka ahy ary tsy niraharaha ahy, ary niaina olana sarotra maro aho. Nitolona tamin’ny fitebitebena lava sy teo amin’ny haben’ny vatako aho ary tratran’ny anoréxie sy harerahan-tsaina amam-panahy izay namatotra ahy nandritra ny taona maro.

Nofehezina tany amin’ny tempoly ny ray aman-dreny niteraka ahy saingy fotoana fohy taorian’ny nanaovana batisa ahy fony aho valo taona dia nanomboka nanalavitra ny Fiangonana izy ireo. Ary arakaraka ny nanalaviran’izy ireo ny fanekempihavanana nataon’izy ireo no nampaharatsy ny toe-javatra niainanay.

Tamin’izaho 14 taona dia izaho no nikarakara ilay anadahiko izay autiste sy ny reniko. Nahatsapa ho very aho ary tsy nahafehy ny tenako. Nankahalaiko ny tenako sy ny zavatra niainako ary nino aho hoe tsy hiova na oviana na oviana ny fiainako.

Saingy nisy fahagagana nitranga avy eo. Tsapan’ilay reniko niteraka ahy fa tsy afaka ny hikarakara ahy izy ka niantso ilay anadahiny tany Singapore mba hanontany raha toa ka afaka ny hanangana ahy izy. Niditra tao anatin’ny fiaramanidina niaraka tamin’ny kitapoko feno entana sy maso nanganohano aho mba hanomboka fiainana vaovao. Fiainana iray tsy ahitana herisetra. Sarotra anefa ny nifankazatra tamin’ilay fianakaviana nanangana ahy sy nizatra an’ilay kolontsaina vaovao ary tsy mora ho ahy ny nandroso.

Nanao izay azon’izy ireo natao ilay ray aman-dreny nanangana ahy mba hanampiana ahy. Nanatona mpitsabo sy dokotera aho. Nanomboka nandeha tany am-piangonana koa aho, saingy tsy mora ny nianatra mikasika an’ilay Ray any An-danitra izay tia ahy ary manana tanjona ho ahy, satria tsy nino izany aho teo anatrehan’ireo zava-drehetra nozakaiko.

Tsy nahatsapa fifaliana aho. Tsy fantatro hoe ahoana no fomba hahasitranana amin’ny lasa nefa mbola mahatsapa ho tsy manam-panantenana ny amin’ny hoavy ihany.

Maniry ny ho sitrana

Indray andro dia nandinika aho hoe tena fohy ny fiainana an-tany. Tsy te hiaina fiainana tsy misy fifaliana aho. Nila nianatra avy amin’ireo fitsapana nahazo ahy aho sy nampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara nampianarina ahy ary nila nanasa an’i Kristy teo amin’ny fiainako.

Nanao dingana iray tamim-pinoana aho ka nanomboka nandohalika sy nangataka tamin’ny Ray any An-danitra isan’andro mba hanana hery hamelana ny ray aman-dreny niteraka ahy, mba hanovana ny tahotro ho lasa finoana, sy mba hahitana fahasitranana sy fifaliana ary mba hamantarana ny fitiavana eo amin’ny fiainako. Nandeha nanatrika institiota aho ary nanomboka nandalina ny soratra masina sy nampihatra ireo fahamarinan’ny filazantsara teo amin’ny fiainako.

Tena nikatsaka ilay hery manasitran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany aho. Ary nanomboka niova ny fiainako rehefa nandeha ny fotoana. Nanomboka sitrana aho rehefa nanam-paharetana sy nahazo fitsaboana sy fanafody ary rehefa nameno ny fiainako tamin’ny Fanahy isan’andro. Nahatsapa ho tsy dia nihatakataka intsony aho ary nahatsapa kokoa ho toy ilay tenako. Nahatsapa ho voaro aho. Nanompo ny hafa aho. Nitia sy namela, ary nanaiky ny tenako aho. Nanorina fifandraisana mahasalama sy feno fitiavana aho. Nanomboka nahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ahy aho. Ary sambany teo amin’ny fiainako aho no nahatsapa fifaliana marina.

Manolotra fanantenana ho an’ny hoavintsika i Kristy

Tsy afaka manova ny lasako aho, saingy toy izao no nolazain’ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7 hoe “ireo zavatra rehetra ireo dia hanome [ahy] traikefa ary ho soa ho [ahy] izany.” Fantatro ankehitriny fa nanohana ahy tao anatin’ireo olana nianjady tamiko ny Mpamonjy. Na dia teo aza ireo olana nianjady ireo dia tena nivoatra tokoa aho noho ny faniriako hiova sy noho ny fanohizako ny fitodihana tany Aminy.

Raha toa ianao ka miaina toe-javatra sarotra eo anivon’ny fianakaviana dia fantaro fa manana Ray any An-danitra ianao izay mahafantatra sy tia anao ary hanokatra ny varavarana ho amin’ny hoavy mamirapiratra. Talohan’ny nananganana ahy dia niteny tamin’ny tenako aho hoe tsy hiova velively ny zavatra iainako ary tsy hanambady sy hiteraka velively aho satria natahotra sao hijaly toy ny nijaliako izy ireo. Nianatra anefa aho fa na inona na inona olana niainantsika teo anivon’ny fianakaviantsika dia afaka manorina ilay tokantranontsika any aoriana sy ilay fianakaviana mandrakizay miaraka amin’ny fanantenana sy ireo fahamarinan’ny filazantsara ary ny fitiavana isika.

Nampianatra ny Loholona Clark G. Gilbert ao amin’ny Fitopololahy hoe: “Niainga tamin’ny toerana samihafa sy toe-piainana samihafa [isika]. Ny sasany dia teraka tao anatina teboka fanombohana ambony [izay feno fahafahana azo araraotina hanaovan-javatra]. Ny hafa … miatrika toe-javatra sarotra .… Avy eo isika dia mivoatra manaraka ny solampin’ny fivoaran’ny tena manokana . Zara raha miankina amin’ny teboka iantombohantsika ny hoavintsika fa miankina be kokoa amin’ny solampy arahintsika. Hitan’i Jesoa Kristy [ny hery anaty masina ananantsika] na manao ahoana na manao ahoana ny fiantombohantsika. Hanao ny zava-drehetra vitany Izy hanampiana antsika hampitodika ny solampy arahintsika hitodika mankany amin’ Andriamanitra.”1

Na inona na inona toe-javatra iainantsika dia misy fanantenana sy fahasitranana ao amin’i Jesoa Kristy! Miaraka aminao Izy ary hitarika anao ho any amin’ny fiadanana sy fifaliana rehefa mitady Azy ianao. Rehefa mitady mandrakariva.