2023
Nahoana aho no tsy afaka mamela?
Janoary 2023


“Nahoana aho no tsy afaka mamela?” Liahona, Jan. 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Nahoana aho no tsy afaka mamela?

Nivavaka aho mba hahazo fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra hanalana ireo fahatsapana ratsy tao amiko sy hamelana heloka.

Sary
Lehilahy iray miasa eo amin’ny zaridaina eo an-tokontanin’ny tempoly

Sary nataon’i Allen Garns

Niaraka tamina rahalahy vitsivitsy tao amin’ny paroasiko aho mba hanampy rahavavy iray hifindra trano. Saingy rehefa tonga teo amin’ny trano fonenany izahay dia nisy fiara iray niantsona tsy araka ny tokony ho izy ka nanakana anay tsy ho tafiditra teny amin’ny toeram-ponenany niaraka tamin’ny fiaranay.

Nantsoiko ilay nomeraon’ny telefaonina nisoratra teo amin’ny vatan’ilay fiara mba hangatahana olona ho tonga sy hamindra ilay fiara. Nisy lehilahy iray namaly ary nampanantena fa ho avy tsy ho ela izy.

Niantso indray aho, 15 minitra taty aoriana, saingy tsy namaly izy. Nony farany dia tonga niaraka tamina ankizy anankiroa izy rehefa nantsoina indray mandeha indray. Tezitra izy ary nilaza zavatra izay tena nanafintohina ahy. Niezaka nanadino izany aho teo am-panatanterahanay ilay fifindrana.

Nieritreritra ilay zava-nitranga aho ny harivan’io. Nivavaka aho mba hahazo fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra hanadinoana ny zavatra tsapako sy hamelana ilay lehilahy. Novaliny ny vavaka nataoko.

Fotoana fohy taty aoriana anefa dia namaky gazety novokarina teo an-toerana aho ary nahita lahatsoratra momba io lehilahy io. Nahitana ny sariny izany. Niverina tao amiko ireo fahatsapana zavatra ratsy momba azy. Noho izany dia namerina indray ilay dingana nataoko aho. Nangataka ny Tompo aho mba tsy hanelingelina ahy intsony izany toe-javatra tsy misy dikany izany ary mba hanampy ahy Izy hamela an’io lehilahy io. Nisy fahatsapana zavatra tsara tonga.

Tsy ela akory dia nihaona tamin’io lehilahy io tao amina toeram-pivarotana iray aho. Niverina tao amiko indray ireo fahatsapana zavatra ratsy. Gaga aho. Nanontany ny Tompo aho hoe nahoana no tsy afaka nanadino an’ity zavatra niseho iray ity. Nampianatra lesona ahy Izy andro vitsivitsy taty aoriana.

Raha iny aho hiala teo amin’ny tokotanin’ny Tempolin’i Helsinki Finlande iny dia nahatsikaritra io lehilahy io niasa teo an-jaridainan’ny tempoly aho. Tsy nino ny zavatra hitako aho. Nisokatra ny saiko ary takatro fa io lehilahy io, dia nanompo ny Tompo toa ahy, ary izy koa, toa ahy, dia miaina andro mahasorena rehefa misy zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Afaka nijery ilay lehilahy ho toy ny rahalahiko aho avy eo. Nahatsapa fanajana sy fitiavana ho azy aho rehefa nanana fomba fijery vaovao momba azy. Lasa daholo ireo fahatsapana teo aloha taorian’izany ary tsy niverina intsony.

Rehefa mahita ny hafa amin’ny fomba ahitan’ny Tompo antsika isika dia afaka manaraka ny didiny mba hamela tanteraka (jereo ny Matio 6:14–15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:9–10). Io zavatra niainana io dia famindram-po lehiben’ny Tompo sy tsy hay hadinoina ary mbola saintsainiko ato am-poko.