2023
Ilay Fahazavan’ny fiainana
Janoary 2023


“Ilay Fahazavan’ny fiainana,” Liahona, Jan. 2023.

Ilay Fahazavan’ ny fiainana

I Jesoa Kristy Mpamonjy no fahazavantsika sy fiainantsika ary lalana ho antsika, omaly sy anio ary mandrakizay.

Sary
sarin’i Jesoa Kristy

Sombiny avy amin’ny Focus on Joy (Mifantoha amin’ny fifaliana), nataon’i Michael T. Malm

Indray Alahady tamin’ny taona 1948 rehefa nody ny masoandro, dia nandeha teny amoron’ny Renirano Trent tany Nottingham, Angleterre aho. Misiônera 20 taona aho tamin’izay ary vao haingana aho no nantsoina ho filohan’ny distrika. Andro iray tena lava sy namizana tamin’io, feno fivoriana sy fanompoana, kanefa faly aho ary afa-po tamin’ny asa.

Nivavaka tao am-poko aho raha nandeha an-tongotra nanarakany amoron’ilay renirano. Nanantena ny hahatsapa fitarihana avy amin’ny Tompo aho ka nanontany hoe: “Moa ve aho manao izay zavatra tianao?”

Nisy fahatsapana fiadanana sy fahatakarana mahery vaika nanenika ahy. Tamin’io fotoana manokana io no nahafantarako fa fantatr’i Jesoa Kristy sy tiany aho. Tsy nahita fahitana na nahare feo aho saingy tsy ho nahafantatra ny tena fisian’i Kristy marina sy ny maha Andriamanitra Azy tamin’ny fomba mahery vaika kokoa aho raha niseho tamiko sy niantso ahy tamin’ny anarako Izy.

Namolavola ny fiainako io zavatra niainana mamy sy feno fanehoam-pitiavana io. Hatramin’io andro io mandraka ankehitriny, ny fanapahan-kevitra rehetra noraisiko dia nifototra tamin’ny fahafantarako ny Mpamonjy. An-taonany maro sy manerana ny ankabeazan’ny faritra manerana izao tontolo izao no nijoroako ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra sy Fahazavan’izao tontolo izao. Tombontsoa ho antsika ny manatona Azy sy manaraka Azy ary mahatsapa ny fahazavany eo amin’ny fiainantsika.

Fahazavan’izao tontolo izao

Indray alina, nibanjina ny lanitra izaho sy i Barbara vadiko, taona maro taorian’io zavatra niainana tsy hay hadinoina fony aho misiônera io. Teo am-panaovanay izany dia talanjona aho raha nijery ireo kintana an-tapitrisany izay toa namirapiratra sy kanto, mihoatra noho ny mahazatra tamin’io alina io. Tao anatin’ny fitalanjonana no nitodihan’ny saiko tany min’ny tenin’ny Tompo tamin’i Mosesy hoe: “Ary tontolo tsy hita isa no efa nohariako; ary nohariako koa ho an’ny tanjoko ireny; ary tamin’ny alalan’ny Zanaka no nahariako ireny, izay ny Lahitokako” (Mosesy 1:33).

Avy amin’ny Mpamonjy no niavian’ny hery izay namoronana ny masoandro, ny volana, sy ny kintana ary ny tany ary ny hery izay manome hazavana ny masoandro, ny volana, sy ny kintana ary ny tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:7–10). Ananany ny zo feno ahafahana manambara hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12; jereo koa ny Jaona 9:5).

Hoy ny tenin’ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina VoaIohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “I Jesoa Kristy no fahazavan’ izao tontolo izao, satria Izy no loharanom-pahazavana izay -mivoaka eo anatrehan’ Andriamanitra mba hameno ny fidadasiky ny habakabaka- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:12].” Ny fahazavan’ny Mpamonjy no “fahazavana marina izay manazava ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:2; jereo koa ny 84:46) Afaka mahafantatra ny fomba hitsarana ny “tsara amin’ny ratsy” isika miaraka amin’io fahazavana io (Môrônia 7:16). Io fahazavana manerana izao tontolo izao io dia fantatra amin’ny hoe “fahazavan’ny fahamarinana,” sy “fahazavan’i Kristy,” ary “Fanahin’i Kristy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6; 88:7; Môrônia 7:16).1

“Ny hazavana dia mamirapiratra ao amin’ny haizina ary tsy azon’ny haizina izany,” hoy ny Apôstôly Jaona (Jaona 1:5). Amin’izao androntsika izao i Satana dia miasa mafy mba hitarihana ireo zanak’ Andriamanitra ho ao amin’ny haizina, manaloka ny “fahazavana sy ny fiainana ary ny fahamarinan’izao tontolo izao” (Etera 4:12).

Tsy afaka ny hahatakatra feno, na hankamamy, ny Mpamonjy sy ny filazantsarany isika rehefa tsy manana ny fitaomany sy ny fahamarinany eo amin’ny fiainantsika. Saingy rehefa mibebaka sy mankatò, manompo sy mitsaoka Azy isika dia handresy ny ratsy. Miverina ny fahazavany ary manala ireo alok’izao tontolo izao tsy ho eo anivontsika sy tsy ho ao an-tsaintsika.

Tahin’ilay Fahazavana

Rehefa mihamaizina sy mikorontandrotana ny tontolo misy antsika dia toa sarotra ny mahatsapa ny fahazavan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika. Kanefa nampahatsiahy antsika ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny haizina mihamitombo izay miara-dalana amin’ny fahoriana dia vao mainka mampamiratra kokoa ny fahazavan’i Jesoa Kristy.”2

Hitako fa mirehitra sy manome fahazavana sy hafanana misimisy kokoa ahy ny fitaoman’i Kristy rehefa manokana fotoana ho an’ny zavatry ny Fanahy aho mandritra ireo fotoana tony sy mangina toy ilay indray alina niaraka tamin’i Barbara. Izany no fotoana ahatongavan’ny fitaomana ara-panahy sy ny fitarihana ary ny fahazavana eo mintsika. Izany no fotoana lasa ahatakarantsika fa voatahy marina tokoa isika manana Mpamonjy.

Amin’ny maha Fahazavan’izao tontolo izao Azy, ny Mpamonjy dia manazava ny diantsika eto an-tany amin’ny alalan’ny ohatra nasehony sy ireo fampianarany (jereo ny Jaona 8:12). Hamaivaniny amin’ny alalan’ny fitiavany sy ny fangorahany ny enta-mavesatsika (jereo ny Matio 11:28–30). Hamaivaniny amin’ny alalan’ny fanomezana antsika fanantenana sy fahasitranana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany ny fontsika (jereo ny Môrônia 7:41). Ary hazavainy amin’ny alalan’ny “Fanahin’ny fahamarinana” ny saintsika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:15; jereo koa ny 11:13).

Nilaza ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “amin’ny vanim-potoana rehetra misy eo amin’ny fiainantsika, amin’ny toe-javatra rehetra lalovantsika ary amin’ny fanamby tsirairay atrehantsika dia i Jesoa Kristy no fahazavana izay mandroaka tahotra, manome toky sy tari-dalana ary mampisy fiadanana sy fifaliana maharitra.”3

Sary
M. Russell Ballard fony izy lehilahy tanora

Nanao asa fitoriana tany Angleterre ny Loholona Ballard tamin’ny 1948 ka hatramin’ny 1950.

Aingao ambony ny fahazavanao

Nanana ny lanjany manokana tamiko foana ny fananana tombontsoa hizara ny fahazavan’ny Mpamonjy amin’ny hafa sy hanasa ny azy ireo hanatona Azy sy hahatsapa ny fitiavany azy ireo. Tiako ny naha misiônera ahy tany Angleterre. Tiako ny naha filohan’ny misiôna ahy tany Canada. Ary tiako ny antsoko amin’izao fotoana izao amin’ny maha mpikambana ahy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ny antsoko dia manome ahy fahafahana hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy manerana izao tontolo izao.

Fahiny ny Mpamonjy dia nilaza toy izao tamin’ireo mpianany:

“Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra. …

“Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra” (Matio 5:14, 16).

Toy izao no nolazainy tamin’ny vahoakan’i Nefia: “Indro, Izaho no fahazavana izay haingainareo ambony—izay efa hitanareo fa nataoko.” Nampiany hoe: “Fantatrareo ny zavatra izay tsy maintsy ataonareo ao amin’ny fiangonako; fa ny asa izay efa hitanareo nataoko no hataonareo koa” (3 Nefia 18:24; 27:21).

Toy izany koa amin’izao androntsika izao ny Mpamonjy dia miandrandra ireo mpianany hampiasa ny fahazavany mba “[handroahana] ny haizina eo anivon[tsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:25). Mamiratra ny fahazavantsika rehefa mitia tahaka ny nitiavan’i Jesoa isika. Mamiratra ny fahazavantsika rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny fanantenantsika ao amin’i Kristy isika. Mamiratra ny fahazavantsika rehefa manandratra ny feontsika isika mba hiarovana ny fahamarinana. Ary rehefa mamiratra ny fahazavantsika dia manintona ny hafa hankany amin’ny loharanon’izany fahazavana izany isika.

Manaova asa fanompoana tsy misy tambiny dia hahatsapa ilay fahazavany ao am-ponao ianao. Mivavaha amim-panetrentena mba hanana fahafahana hizarana ny filazantsara dia hotarihana any amin’ireo izay vonona ny handray ny fahazavany ianao. Tiavo amin’ny fomba kely sy amin’ny fomba lehibe ny hafa dia hanao ity izao tontolo izao ity ho tsara kokoa sy mamiratra kokoa ianao.

Sary
I Jesoa Kristy mampianatra

Sombiny avy amin’ny Jesus Christ (Jesoa Kristy), nataon’i Harry Anderson

Fahazavana izay tsy manam-pahataperana

Velom-pankasitrahana mandrakizay aho noho ny traikefa azoko fony aho misiônera tanora tany Angleterre rehefa lasa nahafantatra manokana fa i Jesoa no Kristy. Fantatro amim-pahatokiana kokoa izany ankehitriny noho izaho niaina ireo fitsapana sy fifaliana entin’ny fiainana.

Ny fanompoana nataoko tato amin’ny Fiangonana dia nanome ahy traikefa ara-panahy miavaka sy natao ho ahy manokana izay maro dia maro ary ny sasany masina loatra ka tsy azo resahina. Tsy misy fanomezana manan-danja sy sarobidy kokoa azoko omena ireo zanako, ny zafikeliko sy ny zafiafiko ary anareo, ry namako maneran-tany, mihoatra ny tenivavolombelona azo antoka ananako fa i Jesoa no Kristy, Zanaky ny Raintsika Mandrakizay, Mpamonjy sy Mpanavotra ny zanak’olombelona rehetra.

Maty tamin’ny 2018 i Barbara, ilay vadiko tsy foiko. Tena feno fankasitrahana aho noho ny fahafantarana fa noho ny famehezana anay tany amin’ny tempoly sy noho i Jesoa Kristy, dia hiaraka indray amin’ny fianakavianay mandrakizay izahay.

Misy fotoana aho torovana. Amin’ireny fotoana ireny aho dia miato sy mibanjina ny sarin’ny Mpamonjy. Mieritreritra Azy tao Getsemane aho, ary avy eo, tampoka eo, dia tsy vizana intsony aho. Fantatro ao am-poko fa noho Izy naharesy izao tontolo izao dia, “miala ny maizina, ary ny mazava marina no mahazava ankehitriny” (1 Jaona 2:8).

Fantatro fa velona i Jesoa Kristy. “Izy no … fahazavana tsisy fiafarany izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana” (Môzià 16:9). Izy no fahazavantsika sy fiainantsika ary lalana ho antsika, omaly sy anio ary mandrakizay. Enga anie isika ka tsy ho voahozongozona amin’ny fanarahana Azy sy amin’ny fampamirapiratana ny fahazavany eo anoloan’izao tontolo izao.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Dallin H. Oaks, “The Light and Life of the World,” Ensign, Nov. 1987, 63–64.

  2. Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 88.

  3. David A. Bednar, “The Light and the Life of the World” (First Presidency Christmas devotional, Dec. 6, 2015), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.