2023
Inona no asa nanirahana an’i Kristy sy ny asa fanompoana nataony?
Janoary 2023


“Inona no asa nanirahana an’i Kristy sy ny asa fanompoana nataony?” Liahona, Jan. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Lioka 1

Inona no asa nanirahana an’i Kristy sy ny asa fanompoana nataony?

Sary
I Jesoa mampianatra

The Sermon on the Mount (Toriteny teo an-tendrombohitra), nataon’i James Tissot © Brooklyn Museum of Art / Bridgeman Images

Nanao fanekempihavanana i Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana fa handeha ety an-tany ary ho Mpamonjy antsika (jereo ny Mosesy 4:2; Abrahama 3:27). Amin’ny maha Mpamonjy antsika Azy, dia sady nanatanteraka ny asa nanirahana Azy Izy no nanatanteraka ny asa fanompoany.

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny asa nanirahana ny Tompo teto an-tany dia ny hanatanteraka ny Sorompanavotana … [ary] hanao ny fiainana mandrakizay ho afaka ny ho azon’izay mendrika izany. … Ny asa fanompoany no zavatra hafa rehetra nataony, toy ny fahagagana nataony, ny fampianarany, ny fitiavany sy ny fifantohany amin’ireo ôrdônansy, ny fampianarana antsika ny fomba fivavaka.”1

Voafaritra any amin’ny toerana maro ao anatin’ny soratra masina ireo endriky ny asa nanirahana an’i Kristy sy ny asa fanompoany. Jereo ny famariparitana nomen’i Maria reniny ao amin’ny Lioka 1:46–55. I Hana, izay ohatra iray koa eo amin’ny fanehoana fankatoavana, dia nanolotra vavaka mitovitovy amin’izany mikasika ny asa fanompoana nataon’ny Tompo ao amin’ny 1 Samoela 2:1–10.

Araka ny torohevitry ny boky torolalana Avia, hanaraka Ahy dia afaka mampitaha an’ireo amin’ireo Fahasambarana nolazain’i Jesoa ao amin’ny Matio 5:3–12 ianao.2

Hevero ny hitanisa ny sasany amin’ireo endriky ny asa fanompoan’i Kristy izay faritan’ireo soratra masina ireo. Nisy endriky ny asa fanompoana iray notanisaina mba ho ohatra: