2023
Mandrakizay ny fianakaviana
Janoary 2023


“Mandrakizay ny fianakaviana,” Liahona, Jan. 2023.

Ireo fototry ny filazantsara

Mandrakizay ny fianakaviana

Sary
Fianakaviana mitsiky

Ny fianakaviana no rafitra fototry ny fiarahamonina sy ny Fiangonana. Ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mino fa afaka ny ho mandrakizay ny fianakaviana. Isika dia miasa mba hanamafy orina ny fiankaviantsika ety an-tany. Manam-pinoana ihany koa izahay fa isika dia afaka ny handray ny fitahian’ny fananana fianakaviana mandrakizay.

Ny fianakavian’ Andriamanitra

Fanahy zanakalahy na zanakavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra ny olon-drehetra. Isika rehetra dia isan’ny fianakavian’ Andriamanitra. Manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara araka an’ Andriamanitra isika rehetra. Raha miaina am-pahamarinana isika dia afaka ny hiverina hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra ho isan’ny fianakaviany mandrakizay.

Sary
Mpivady vao avy nivady eo ivelan’ny tempoly

Sarim-panambadiana nalain’i Joseph Kaluba

Fianakaviana mandrakizay

Rehefa mivady any amin’ny tempoly ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ka mitandrina ny fanekempihavanana nataon’izy ireo, dia haharitra mandrakizay ny fanambadian’izy ireo. Io ôrdônansin’ny tempoly io dia antsoina hoe famehezana. Ireo ankizy teraka ao aorian’ny famehezana ireo ray aman-dreniny dia teraka ao anatin’ny fanekempihavanana. Ireo ankizy teraka talohan’ny famehezana an’ireo ray aman-dreniny dia azo fehezina amin’izy ireo any amin’ny tempoly mba hahafahan’izy ireo ho tonga fianakaviana mandrakizay. Manao tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ireo mpikambana mba hahafahany mamehy ny fianakavian’izy ireo miaraka ao anatin’ireo taranaka mifandimby rehetra. Ny fitahian’ny fananana fianakaviana mandrakizay dia afaka ny ho tanteraka noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana nataony.

Fanambadiana

Ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’ Andriamanitra. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mampianatra ireo mpivady mba tsy hivadika amin’izy samy izy ary ho mahatoky amin’ny fanekempihavanan’ny fanambadian’izy ireo. Tokony ho marin-toetra izy ireo amin’ny zavatra eritreretiny sy teneniny ary ataony. Fiaraha-miasa mira lenta ny fanambadiana ary tokony hifandrisika sy hifankahery ary hifanampy izy ireo.

Sary
ray aman-dreny miaraka amin’ny zazakely

Ray aman-dreny sy zanaka

Nandidy an’i Adama sy i Eva Andriamanitra mba hanan-janaka. Nampianatra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fa mbola manan-kery io didy io. Ireo ray sy reny dia miara-miasa mba hanabe ireo zanany ao anatin’ny fitiavana sy ny fahamarinana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–28). Ireo ankizy dia ampianarina mba hanaja sy hankatò ireo ray aman-dreniny (jereo ny Eksodosy 20:12).

Mampianatra sy mianatra

Ny ray aman-dreny dia mampianatra ireo zanany hitia an’ Andriamanitra sy hankatò ireo didiny. Manome fahafahana antsika mba hahatsapa fifaliana ary hianatra faharetana sy ny tsy fitiavan-tena ny fiainana eo anivon’ny fianakaviana. Ireo toetra ireo dia manampy antsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra kokoa sy manomana antsika hiainana amim-pifaliana mandrakizay amin’ny maha fianakaviana antsika.

Manamafy orina ireo fianakaviana

Mitaky asa sy fanolorantena ary faharetana ny manorina fianakaviana mahomby. Afaka manampy antsika hahita fifaliana ao anatin’ny fiainam-pianakaviana ny fitsipiky ny filazantsara toy ny finoana, vavaka, famelan-keloka, fitiavana sy asa ary fialam-boly mahasoa. Afaka mandray fanambarana ho an’ny tena manokana ihany koa isika mba hahafantarana ny fomba hanamafisana orina ny fianakaviantsika.

Sary
sarin’i Jesoa Kristy

Christ’s Image (Endrik’i Kristy), nataon’i Heinrich Hofmann

Fitahiana ho an’ny olon-drehetra

Tsy ary ny olona rehetra no manana fahafahana ny ho ao anatina fianakaviana tonga lafatra iray eto an-tany. Saingy nampanantena Andriamanitra fa ny olona rehetra izay mitandrina ny didiny dia handray ireo fitahiana rehetra entin’ny fianakaviana mandrakizay. Afaka matoky Azy isika ary manam-pinoana ny fotoany.