2023
Miatrika ireo zava-tsarotra ao anatina fifandraisana
Janoary 2023


“Miatrika ireo zava-tsarotra ao anatina fifandraisana,” Liahona, Jan. 2023.

Miatrika ireo zava-tsarotra ao anatina fifandraisana

Azo resena ireo fitsapana mianjady amin’ny fianakaviana rehefa vonona ny hikatsaka ny fanampian’ny Tompo mba hiovana sy hivoarana isika.

Sary
Vehivavy sy lehilahy iray mifanatrika eo amin’ny tetezana tapaka iray

Sary nataon’i Ale+Ale

Mety hisedra antsika hatrany amin’ny fetran’ny fihetseham-po zakantsika ny fiatrehana ireo olana eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviana. Nahita toe-javatra maro tena nandrotika ny fo aho amin’ny maha mpitsabo ahy. Saingy nahita fitahiana koa aho izay tonga teo amin’ireo niatrika ireo fitsapana nianjady tamin’ny fianakavian’izy ireo tamin’ny alalan’ny fikatsahana ny fanampian’ny Tompo mba hanatsarana ny fifandraisan’izy ireo sy mba hampitomboana ny fifankatiavan’izy ireo sy ny fahatakarana an-tsain’izy ireo ary mba hiarahana miasa eo amin’ny fanaovana fanovana manan-danja. Nahazo hery mba hivoarana tao anatin’ny olany izy ireo niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo.

Afaka mitondra fifankatiavana sy fahatakarana an-tsaina ny fifandraisana tahaka ny an’i Kristy

Samy efa namoy ny vadiny i Tom sy i Joan (novaina ny anarana). Matin’ny homamiadana ny vadin’i Tom ary ny vadin’i Joan dia lasa nandeha niaraka tamina olon-kafa noho ny fiankinan-doha tamin-javatra izay nahazo azy. Nihaona nandritra ny fihaonamben’ireo tokan-tena i Tom sy i Joan ary nikasa ny hivady.

Samy nanan-janaka izy ireo, izay 15 taona no ho midina. Niara-nandeha nivoaka imbetsaka ny fianakavian’izy roa ary samy nahita olana mety hanahirana eo amin’ny fampitambarana ny fianakavian’izy ireo i Tom sy i Joan. Nanatona ahy izy ireo mba haka torohevitra vitsivitsy mikasika ny fomba ahafahana mifandray amin’ny fomba tsara mba hamakivakiana ilay dingana vaovao eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Notoroiko hevitra izy ireo mba hamaky ny hafatra momba ny filankevitry ny mpianakavy izay nozarain’ny Filoha M. Russell Ballard, Filoha mpisolo toerana an’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Ny ankizy dia mila fatratra ray aman-dreny vonona ny hihaino azy ireo,” hoy izy nampianatra, “ary afaka manolotra fotoana iray ahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana mianatra mifankahazo sy mifankatia ny filankevitry ny mpianakavy.”1

Nanapa-kevitra ny hanaraka izao lamina manaraka izao izy ireo ho an’ny filankevitry ny mpianakavin’izy ireo:

  1. Mamaritra ny olana.

  2. Miara-mitady vahaolana.

  3. Misafidy drafitra iray.

  4. Mampihatra izany.

  5. Manombantombana ny fahombiazan’ilay drafitra ny herinandro manaraka ary mamerina mifanakalo hevitra momba ilay drafitra raha ilaina izany.

Ankoatra ny fiarahana mifanakalo hevitra amin’ny maha fianakaviana, dia nianatra koa i Tom sy i Joan fa rehefa maro ireo zavatra manahiran-tsaina ao anatin’ny fifandraisana, dia mety ilaina ny mianatra ny fomba hampivoarana ny fifampiresahana manokana amin’ny tsirairay koa.

Nianatra fomba maro izay nanampy azy ireo hanatsara ny fifampiresahana sy ny fifandraisana tamin’ny zanany izy ireo.

  • Niray hina ny ray aman-dreny mba hitady vahaolana mahakasika ireo olana eo anatrehan’ny zanaka.

  • Raha nanana fahasarotana ny zanaka iray teo amin’ny fanatanterahana ny raharaha fanaon’izy ireo isan’andro, dia nanokana fotoana mba hiarahana amin’izy ireo ny iray tamin’ny ray aman-dreny, ka niresaka mikasika ilay andro eo am-piarahan’izy ireo manatontosa ilay raharaha.

  • Nanokana fotoana izy ireo isan-kerinandro mba hanamafisana orina ny fifandraisan’izy ireo amin’ny zanaka tsirairay.

  • Napetrak’izy ireo mialoha fa hiato kely izy ireo raha vao ilay toetra atosiky ny “fihetseham-po” (fivazavazavana) no safidina fa tsy ilay toetra “voalanjalanja,” izay mifantoka amin’ny fitadiavam-bahaolana (fifanakalozan-kevitra).

  • Isaky ny nisy fiadiana fahefana teo amin’ny ray na reny sy ny zanaka iray, dia nisintaka aloha ilay ray na reny rehefa nahatsapa ho voatosika hanao izany ary niverina indray aty aoriana kely mba hiara-hitady vahaolana vaovao.

Rehefa nanao izay azon’izy ireo atao ny fianakaviana mba hiatrehana tamin’ny fomba feno fahatokiana sy fomba tsara ireo olana sarotra ara-pifandraisana, tamin’ny alalan’ny fifampiresahana mikasika ny olan’izy ireo sy ny fiarahana mamaha izany, dia tsapan’i Tom sy i Joan ny fisian’ny fivoarana manan-danja teo amin’ireo zanany sy teo amin’izy ireo koa.

Mampifanakaiky antsika ny fahatakarana an-tsaina sy ny fitiavana

Rehefa lasa olon-dehibe ny zanaka dia tsy manao foana ireo safidy izay tiantsika mba hataon’izy ireo. Ahoana no fomba hiatrehantsika ny toe-javatra toy izany? Ahoana no ahafahantsika mihazona na manamafy orina mihitsy ny fifandraisantsika amin’izy ireo mba hahafahantsika ho mpanohana sy ho mpitarika amin’ny tsara hatrany eo amin’ny fiainan’izy ireo?

Tonga tany amin’ny biraoko i Terry sy i Bruce fotoana fohy taorian’ny fifandiran’i Terry sy i Seth zanak’izy ireo lahy tao anatin’ny fifampiresahana an-telefaonina. Nandeha nianatra tany amin’ny toeran-kafa i Seth nandritra ny telo taona. Narary mafy izy ary mbola tsy tapitra ny fanarahan’ny dokotera maso azy. Tsy nandeha nanao asa fitoriana izy noho ny aretiny. Tsy fantatr’i Terry sy i Bruce hoe mba nanao ahoana ny fijoroana ho vavolombelona ananany na mba nandeha niangona ve izy. Niahiahy izy ireo noho i Jolyn, sipan’i Seth vaovao, izay tsy ilay karazana olona manana fitaomana tsara izay nirin’izy ireo ho ao amin’ny fiainan’i Seth. Samy kivy tanteraka ny ray aman-dreniny mikasika ilay lalana narahiny.

Rehefa niresaka mikasika ny zavatra azon’izy ireo atao izahay dia nifanakalo hevitra mikasika ilay fanoharana momba ilay ondry very. Mety nihaino ny fibarareokan’ilay zanak’ondry ilay mpiandry ondry talohan’ny nahitany azy sy nanehoany fitiavana azy ary namerenany azy tao amin’ny vala (jereo ny Lioka 15:6). Tsapan’i Terry sy i Bruce fa tsy afaka ny hanova an’i Seth izy ireo, saingy nanapa-kevitra izy ireo fa hiezaka ny hihaino sy hitia azy ary hanasa azy ho any an-trano. Tsy afaka nisafidy izay ho vadiny sy ny lalam-piainany izy ireo saingy afaka nampahatsiahy azy ny fitiavan’ny fianakaviana azy sy ny fitiavan’ny fianakaviana ny filazantsara.

Niantsoin’i Terry i Seth ary niala tsiny nikasika ilay fifandirana izy. Nihaino fotsiny izy rehefa nilaza taminy i Seth fa menatra noho izy tsy nandeha nanao asa fitoriana. Nanontany tena izy hoe ahoana no hahafahany hifankafantatra amina tovovavy iray avy ao amin’ny fiangonana. Nasain’izy ireo tany an-trano i Seth sy i Jolyn nandritra ny fotoam-pialan-tsasatry ny sekoly.

Tonga i Seth sy i Jolyn. Naneho fitiavana an’izy roa kely ireo anabavin’i Seth. Samy tia an’ilay fiverenan’i Seth tany an-trano ny ray aman-dreniny ka nolazain’izy ireo taminy izany. Nifandray matetika kokoa tamin’i Terry sy i Bruce i Seth. Nandefa hafatra imbetsaka isan-kerinandro i Terry. Nanao vidéoconférence ny fianakaviana isaky ny alahady. Nanokana fotoana niarahana nanao golf sy nanjono tamin’i Seth ny rainy. Na dia nandeha tsikelikely aza izany dia niverina nifandray tanteraka tamin’ny fianakaviana i Seth. Nony farany dia nanapa-kevitra i Seth fa tsy mety aminy ilay lalana nosafidin’i Jolyn. Nanambady vehivavy mahafinaritra izay nataony batisa izy taty aoriana.

Nahita ilay ondrin’izy ireo very i Terry sy i Bruce tamin’ny alalan’ny fihainoana sy ny fitiavana azy ary tamin’ny alalan’ny fanasana azy hiverina ho ao anatin’ny vala.

Sary
Vehivavy iray sy lehilahy iray miara-manamboatra tetezana iray

Afaka manamafy orina ny fifandraisana sy miteraka fivoarana ny fiarahana mitondra fiovana

I Marie sy i David vadiny dia efa nivady nandritra ny taona maro ary olona nohajaina teo amin’ny fiarahamonina nisy azy ireo. Indray andro anefa dia nahafantatra i Marie fa niaraka tamina vehivavy iray hafa izy, ary tsy fantatr’i David hoe fantatr’i Marie izany.

Tonga tany amin’ny biraoko i Marie tao anatin’ny fahatsapana fifangaroana hatezerana sy alahelo. Rehefa nigogogogo nitomany izy tao anatin’ny fitantarana ny tantarany dia fantany fa mila milaza amin’i David ny zavatra tsapany tsy ao anatin’ny fahatezerana izy mba hiarahan’ny Fanahy amin’izy ireo.

Taorian’ny fiomanana nombam-bavaka, dia nolazainy tamin’i David hoe tiany i David saingy kivy tanteraka izy noho ny fahalalana fa miaraka amina vehivavy iray hafa izy. Mila mihaona amin’ny eveka izy ireo ary mandinika ny hiafaran’ny fanambadian’izy ireo. Tsy te hamoy ny vadiny na ny fianakaviany i David. Rehefa nampian’ny evekany izy dia nanomboka ny dingan’ny fibebahana.

Fantatr’i Marie fa nisy zavatra izay nilaina mba hataon’ny tsirairay avy tamin’izy ireo mba hahitana fahasitranana manokana sy fahasitranana amin’ny maha mpivady. Nangatahan’i Marie i David mba hipetraka any amin’ny ray aman-dreniny mandra-pandaminany ireo zavatra tsapany. Nanokana fotoana handehanana tany amin’ny tempoly izy mba hangatahana fanampiana tamin’ Andriamanitra. Mbola nandalo fitsaboana izy mba hanamafisana orina ny fahaizany mifandray amin’olona sy hahaizana mametraka fetra araka ny tokony ho izy.

I Marie sy i David dia niaraka:

  • Namaky ny soratra masina isan-kalina.

  • Nivavaka.

  • Nizara ny zavatra nitranga isan’andro.

  • Nivoaka nampiaraka harivariva indray mandeha isan-kerinandro.

Nisokatra kokoa ny fifandraisan’izy ireo. Nilaza ny zavatra tsapany i Marie ary nihaino i David. Nanomboka nifampiresaka toy ny tamin’ny fotoana vao nivadiany izy ireo.

Nilaza i Marie fa tsy i David fotsiny no niova fa niova koa izy. Nahatsapa ho natanjaka kokoa sy nanana fahatokian-tena kokoa izy. Nanohy ny fibebahana i David ary niverina nody.

Nitondra fifampitokisana sy fifankatiavana lehibe kokoa teo amin’ny fifandraisan’izy ireo ny fampidirana ny Tompo teo amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro. Samy nahatsapa izy ireo fa ilay ezaka natao mba handresena ilay olana niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo dia nanamafy orina azy ireo.

Hitarika antsika ny tenin’i Kristy

Rehefa eo am-pandaminana fifandraisana sarotra eo anivon’ny fianakaviana isika dia enga anie isika rehetra mba hahatsiaro hiara-hipetraka ao anatina filankevitra miaraka amin’ny Tompo. Indraindray dia Izy no hilaza amintsika izay zavatra tokony hataontsika. Indraindray dia afaka ho isika no manao safidy. “Tsy mety ny hibaikoako amin’ny zava-drehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26). Saingy misy fotoana hafa izay tsy maintsy hitodihantsika any amin’ny Tompo. Raha toa isika ka mihazona fomba fijery mibanjina ny mandrakizay dia ho antsika ireo haren’ny mandrakizay ary “hiara-[hiasa] ny zava-drehetra ho tombontsoan[tsika]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24).