2023
Ny fitenin’ny Fanahy
Janoary 2023


“Ny fitenin’ny Fanahy,” Liahona, Jan. 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ny fitenin’ny Fanahy

Nianatra aho fa ny Fanahy dia afaka manampy antsika mba hampita ny fitiavan’ny Ray any An-danitra, eny fa na dia rehefa mahatsapa tena ho tsy ampy fahaizana aza isika.

Sary
Fiara fitateram-bahoaka

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny tompony; sary nataon’i Jennifer M. Potter

Sary nataon’i Jennifer M. Potter

Nitety an’i Eorôpa niaraka tamina ekipana mpandihy no nandaniako ny fahavaratra taloha. Niovaova ny mpanatrika anay sy ny dihinay ary ny habetsahan’ny hery atontonay saingy nanana fomba fanao izahay izay tsy niova mihitsy: nofarananay tamin’ny fihirana ilay hira hoe: “Homba anao hatrany anie ny Ray”1 tamin’ny fitenin’ilay firenena notsidihanay ny fampisehoana. Satria ny ankamaroan’ireo olona tao amin’ny ekipana mpandihy nisy ahy dia avy ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia tianay io fomba fanao io. Fomba iray nanamafisana ny fifandraisana tamin’ireo mpanatrika anay izany sady fizarana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra.

Tany amin’ny faramparan’ny iray tamin’ireny dia ireny, raha vao nanitsaka ny sisintanin’i Allemagne izahay dia nianatra ilay hira tamin’ny fiteny Alemana ho an’ny seho an-tsehatra hataonay manaraka. Saingy vao nigadona tao izahay dia hitanay fa io faritra manokana ao Allemagne io dia niteny Sôrbiana, tenim-paritra izay hafa mihitsy tamin’ilay hira izay nianaranay tamim-pahatokiana ery.

Teny an-dalana tao anatin’ilay fiara nitondra anay nihazo ny toerana hanaovanay seho an-tsehatra dia reraka aho ary naniry ny hatory fotsiny nandritra ilay dia manontolo. Saingy nanan-kevitra hafa ireo mpitantana anay. Nasain’izy ireo nadikan’ireo mpitari-dalana anay tamin’ny fiteny Sôrbiana ilay hira. Tian-dry zareo tamin’izay ireo mpiantsehatra iray fiara izay efa rendremana mba hianatra ilay hira ora maromaro talohan’ilay fampisehoana.

Nanao izay tsara indrindra vitanay izahay. Tany amin’ny faran’ilay fampisehoana dia niara-nijoro teny alohan’ny lampihazo izahay ka nanomboka nihira. Tsaroako aho nitolagaga raha niverina mora foana tao an-tsaiko ireo teny izay nananosarotra ahy ny nanonona azy ora vitsy talohan’izay. Rehefa niantehitra tamin’ny Fanahy aho mba hampahatsiahy ahy ireo teny dia tsapako ho nisinda ny fanahiako teo aloha momba ny fahafahanay nihira.

Sary
mpivady mandihy

Rehefa tapitra ny dihinay ka nanomboka nihira izahay dia nampahatsiahivin’ny Fanahy ahy ireo teny.

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny tompony

Gaga ireo mpanatrika ary avy eo feno fifaliana. Rehefa tapitra ilay hira dia nangina tampoka izy rehetra. Avy eo dia nitsangana izy ireo ary nanomboka nihira ho anay ho setriny, izay nohazavain’izy ireo avy eo fa hira fanehoam-pankasitrahana izay mazàna natokan’izy ireo ho ana fotoana miavaka izany.

Nahatsapa mafy ny Fanahy aho tamin’io fotoana io, na dia tsy azoko aza ny zavatra nohirain’izy ireo. Feno fankasitrahana lehibe aho fa nampian’ny Tompo hampita ny fitiavany na dia teo aza ilay fahatsapako tena ho tsy mahay. Nampahatsiahivina aho fa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra dia hafatra azon’ny olona maneran-tany. Na dia eo aza ireo mety ho fahasamihafantsika dia afaka mahatakatra ny fitenin’ny Fanahy avokoa isika rehetra.

Fanamarihana

  1. Homba anao hatrany anie ny Ray,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 80