Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
“Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho”
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


“Indro! Andriamanitry ny fahagagana Aho”

Mitobaka ireo fahagagana sy famantarana ary zava-mahagaga eo anivon’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ankehitriny, eo amin’ny fiainanareo sy eo amin’ny ahy.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, tena voninahitra lehibe ho ahy ny mijoro eto anatrehanareo anio. Miray hina amin’ireo izay efa nandray fitenenana tamin’ity fihaonambe ity aho, ka mijoro ho vavolombelona aminareo fa velona i Jesoa Kristy. Mitantana ny Fiangonany Izy; miresaka amin’ny mpaminaniny Izy, ny Filoha Russell M. Nelson, ary tiany ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.

Amin’izao alahadin’ny Paska izao isika dia mankalaza ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika,1 ilay Andriamanitra mahery, ilay Andrian’ny Fiadanana.2 Ny Sorompanavotany, izay niafara tamin’ny Fitsanganany tamin’ny maty telo andro taty aoriana tao amina fasana nindramina, no fahagagana lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny zanak’olom-belona. “Fa indro,” hoy Izy, “Izaho no Andriamanitra; ary Andriamanitry ny fahagagana Aho.”3

“Efa nitsahatra va ny fahagagana, satria efa niakatra any an-danitra i Kristy ary efa mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra”4 hoy ny mpaminany Môrmôna nanontany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Novaliany hoe: “Tsia; sady tsy mitsahatra ny manompo ny zanak’olombelona ireo anjely.”5

Taorian’ny Fanomboana tamin’ny hazo fijaliana, dia nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Maria sy vehivavy vitsivitsy hafa izay nankany amin’ny fasana mba hanosorana ny vatan’i Jesoa. Hoy ilay anjely:

“Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona?”6

“Tsy ato Izy, fa efa nitsangana.”7

Nanambara momba io fahagagana io i Abinadia, mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, hoe:

“Raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Kristy, … dia tsy ho nety nisy ny fitsanganana amin’ny maty.

“Nefa misy ny fitsanganana amin’ny maty, noho izany ny fasana dia tsy manana fandresena ary ny fanindronan’ny fahafatesana dia efa voatelina ao amin’i Kristy.”8

Ireo fahagagana notanterahin’i Jesoa Kristy dia nahatonga ireo mpianatra tany am-boalohany hiaiky hoe: “Iza moa ity ny mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy Izany.”9

Raha nanaraka an’i Jesoa Kristy ireo Apôstôly tany amboalohany ka nandre Azy nampianatra ny filazantsara dia nanatrika fahagagana maro. Hitan’izy ireo fa “mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa, diovina ny boka, ary malady ny marenina, atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.”10

Mitobaka ireo fahagagana sy famantarana ary zava-mahagaga eo anivon’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ankehitriny, eo amin’ny fiainanareo sy eo amin’ny ahy. Ireo fahagagana dia asa ataon’ Andriamanitra sy fanehoana ary fomba fisehon’ny herin’ Andriamanitra tsy misy fetra, ary fanambarana fa Izy dia “tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.”11 I Jesoa Kristy izay nahary ny ranomasina dia afaka mampitony izany. Izy izay nanome fahitana ilay jamba dia afaka mampiakatra ny fijerintsika hitodika any an-danitra. Izy izay nanadio ireo boka dia afaka manasitrana ny kilemantsika. Izy izay nanasitrana ilay lehilahy malemy dia afaka miantso antsika hijoro amin’ny teny hoe “avia, manaraha Ahy.”12

Maro aminareo no nanatri-maso fahagagana, mihoatra noho ny fiheveranareo. Mety toa bitika izy ireo raha ampitahaina amin’i Jesoa nanangana ny maty. Saingy tsy ny maha-goavana azy no maha-fahagagana azy, fa izy hoe avy amin’ Andriamanitra. Misy ny milaza fa ny fahagagana dia kisendrasendra na vintana fotsiny. Saingy i Nefia mpaminany dia nanameloka ireo izay “[hanambany] ny hery sy ny fahagagan’ Andriamanitra, ary dia nitory tamin’ny tenany ny fahendreny ihany sy ny fahaizany ihany izy mba hahazoany harena.”13

Ireo fahagagana dia tanterahin’Ilay “mahery ka mahavonjy”14 amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra. Ireo fahagagana dia fitohizan’ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra. Ireo fahagagana dia tady miantoka ny aina avy any an-danitra mankaty an-tany.

Tamin’ny fararano lasa teo dia teny an-dalana ho any Goshen, Utah, izaho sy Rahavavy Rasband, hamonjy hetsika Tafasiry maneran-tany hampitaina amin’olona 600.000 mahery amin’ny fiteny 16 samihafa.15 Ilay fandaharana dia natao hifantoka amin’ireo zava-nitranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy miampy fanontaniana nalefan’ireo tanora manerana an’izao tontolo izao. Samy nijery manokana ireo fanontaniana izahay mivady. Nanome fahafahana anay izy ireo hijoro ho vavolombelona momba an’i Joseph Smith amin’ny maha-mpaminanin’ Andriamanitra azy, momba ny herin’ny fanambarana eo amin’ny fiainanay, momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo an-dalam-pitohizana, ary ireo fahamarinana sy didy maro izay ankamamianay. Maro amin’ireo izay mihaino androany no nandray anjara tamin’izany hetsika miendrika fahagagana izany.

Tany amboalohany ilay fampitana dia hoe hiainga avy ao amin’ilay Alakely Masina any avaratr’i New York, izay nijoroan’i Joseph Smith ho vavolombelona hoe: “Nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!16 Izany, ry rahalahy sy ranabavy, dia fahagagana.

Sary
Toerana mitovitovy an’i Jerosalema namboarina tao Goshen, Utah

Noteren’ilay valanaretina maneran-tany isika hamindra ny toerana hanaovana ilay fampitana ho any Goshen, Utah, izay nanorenan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany toerana mitovitovy amin’i Jerosalema fahiny ho fanaovana horonan-tsary. Kilaometatra vitsivitsy tsy ahatongavana ao Goshen izahay mivady io Alahady hariva io no nahatazana setroka matevina niainga avy tany amin’ny toerana tokony handehananay. Nisy doro-tanety niredareda teo amin’ilay faritra ary sahiran-tsaina izahay sao ho voatohintohina ilay fampitana. Inona tokoa, roapolo minitra mialoha ny fotoana hanombohana ilay fampitana, izay tokony hanomboka tamin’ny enina, dia tapaka ny jiro teo amin’ilay faritra manontolo. Tsy nisy herinaratra! Tsy nisy fampitana. Nisy groupe éléctrogène iray izay noheverin’ny sasany fa mety ho azo velomina, saingy tsy nisy antoka hoe ampy ahazaka ireo fitaovana raitra nisy teo izany.

Sary
Setroka avy amin’ny afo

Izahay rehetra tao amin’ilay fandaharana, anisan’izany ireo mpitantara sy mpitendry zava-maneno ary ireo teknisiana, eny fa na ireo tanora 20 tao amin’ny fianakaviako aza, dia efa tena nanolo-tena fatratra ho amin’ilay zavatra hitranga. Nisintaka kely aho nandao ny ranomason’izy ireo sy ny fifanjevoana, ary nitalaho tamin’ny Tompo hanao fahagagana. “Ray any An-danitra ô!” hoy aho nivavaka, “tena tsy dia fanaoko ny mangataka fahagagana, saingy fahagagana iray no angatahako ankehitriny. Tsy maintsy mitranga ity fivoriana ity ho an’ireo tanora rehetra manerana izao tontolo izao. Ilainay hoe mandeha ny herinaratra, raha sitrakao izany.”

Fito minitra taorian’ny tamin’ny 6:00 ora, haingana tahaka ny nanjavonan’ny herinaratra teo no niverenany koa. Nanomboka nandeha daholo ny zava-drehetra, ny feon-kira, ny fanamafisam-peo, ireo horonan-tsary ary ireo fitaovana fampitana rehetra. Afaka nanomboka faingana ny fampitana izahay. Fahagagana no niainanay.

Sary
Hira natao nandritra ny tafasiry

Rehefa tafiditra tao amin’ny fiara handeha hody izahay mivady taorian’izany dia nandefa hafatra an-tsoratra taminay ry Filoha Nelson mivady manao hoe: “Ron, tianay ho fantatrareo fa raha vantany vao renay fa tapaka ny jiro dia nivavaka nangataka fahagagana izahay.”

Ao amin’ny soratra masin’ny andro farany dia ahitana hoe: “Fa Izaho Tompo dia efa nandroso ny tanako mba hampihetsika ny herin’ny lanitra; tsy hainareo jerena izany ankehitriny, kanefa vetivety foana dia hahita izany ianareo ary hahafantatra fa Izy Aho, fa ho avy Aho ary hanjaka amin’ny oloko.”17

Tena izay mihitsy no nitranga. Nandroso ny tanany ny Tompo ary dia niseho ny heriny.

Ireo fahagagana dia tanteraka noho ny herin’ny finoana, araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson antsika nandritra ny fivoriana farany teo. Nanainga ny vahoaka ny mpaminany Môrônia, “Fa raha tsy misy finoana eo anivon’ny zanak’olombelona dia tsy afaka manao fahagagana eo anivony Andriamanitra; koa tsy naneho ny tenany Izy raha tsy taorian’ny ninoan’izy ireo.”

Notohizany hoe:

“Indro, ny finoan’i Almà sy i Amioleka no nahatonga ny fonja hirodana tamin’ny tany.

“Indro, ny finoan’i Nefia sy i Lehia no niteraka fiovana teo amin’ny Lamanita, ka dia natao batisa tamin’ny afo sy tamin’ny Fanahy Masina izy.

Indro ny finoan’i Amôna sy ny rahalahiny no nahatonga fahagagana lehibe fatratra teo anivon’ny Lamanita. …

“Ary koa tsy nisy na iza na iza, na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona, nahavita fahagagana raha tsy taorian’ny ninoany; koa, nino ny Zanak’ Andriamanitra izy aloha.”18

Azoko tohizana izany andian-tsoratra masina izany hoe “Ny finoan’ireo mpandray anjara tanora matotra, ny an’ireo matihanina amin’ny fampitana, ireo mpitarika sy mpikamban’ny Fiangonana, ny an’ny apôstôly iray, ary ny an’ny mpaminanin’ Andriamanitra izay nikatsaka fahagagana lehibe tokoa dia tafaverina ny herinaratra teo amin’ny sehatra fakana horonan-tsary iray tao Goshen, Utah.”

Irey fahagagana dia mety tonga ho valim-bavaka. Tsy voatery ilay angatahantsika izany, na ilay antenaintsika, saingy rehefa matoky ny Tompo isika, dia hoe eo Izy, ary ho marina ny Azy. Ho ampifanarahany amin’izay fotoana hilantsika izany ilay fahagagana.

Manatanteraka fahagagana ny Tompo mba hampahatsiahivana antsika ny heriny, ny fitiavany, sy ny fikasihan’ny tanany eo amin’ny fiainantsika eto an-tany, ary ny faniriany hampianatra mikasika izay zavatra manan-danja. “Izay manam-pinoana Ahy mba ho sitrana,” hoy Izy tamin’ireo Olomasina tamin’ny 1831, ary mitohy hatramin’izao ilay fampanantenana, “ary tsy voatendry ny ho faty, dia ho sitrana.”19 Misy lalàna navoaka tany an-danitra, ary isika dia eo ambanin’izy ireny mandrakariva.

Misy fotoana isika manantena fahagagana hanasitranana olon-tiana iray, hamadihana zavatra tsy rariny nihatra, na mba hanalefahana ny fon’olona iray ao anatin’ny ngidy na diso fanantenana. Rehefa mijery amin’ny maso maha olombelona isika dia tiantsika ny Tompo hiditra an-tsehatra, hanamboatra izay simba. Amin’ny alalan’ny finoana no hahatongavan’ny fahagagana, saingy tsy voatery ho araka ny fandaharam-potoantsika na hizotra araka ny niriantsika. Moa ve izany midika fa tsy ampy ny fatokiantsika, na tsy mendrika ny hidiran’ny Tompo an-tsehatra isika? Tsia. Tena lalain’ny Tompo isika. Nanolotra ny ainy ho antsika Izy, ary ny Sorompanavotana nataony dia mbola mitohy manafaka antsika amin’ny enta-mavesatra sy ny fahotana rehefa mibebaka isika ka manatona Azy.

Nampahatsiahy antsika ny Tompo hoe “ny lalanareo kosa tsy mba lalako.”20 Manasa Izy hoe: “Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana”21—fitsaharana amin’ny tebiteby, fahadisoam-panantenana, tahotra, tsy fankatoavana, ahiahy ho an’ireo malalantsika, noho ireo nofy tsy tanteraka na rava. Ny fiadanana eo anivon’ny fifanjevona na ny fahoriana dia fahagagana. Tsarovy ny tenin’ny Tompo: “Tsy nilaza fiadanana tamin’ny sainao va Aho momba izany? Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’ Andriamanitra?”22 Ny fahagagana dia hoe i Jesoa Kristy, ilay Jehovah Lehibe, ilay Zanak’ilay Avo indrindra, dia mamaly ao amin’ny fiadanana.

Tsy misy hafa tamin’ny nisehoany tamin’i Maria tao amin’ilay zaridaina, niantso azy tamin’ny anarany, no hiantsoany antsika hampihatra finoana. I Mary dia nikatsaka ny hanompo Azy sy hikarakara Azy. Ny Fitsanganany tamin’ny maty dia tsy araka ny nantenain’i Maria, saingy araka ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana.

“Midìna hiala amin’ny hazo fijaliana,”23 hoy ireo tsy mpino naneso Azy teo Kalvaria. Azony ho natao ny fahagagana tahaka izany. Saingy fantany hatramin’izay ny hiafaran’ny zava-drehetra, ary nikatsaka ny hahatoky amin’ny drafitry ny Rainy Izy. Tokony ho takatsika tsara io ohatra io.

Ho antsika ao anatin’ny fisedrana no nilazany hoe: “Indro ny fery izay nandoaka ny lanivoako, ary koa ny dian’ny fantsika amin’ny tanako sy ny tongotro; aoka ho mahatoky, tandremo ny didiko, dia handova ny fanjakan’ny lanitra ianareo.”24 Izany ry rahalahy sy anabavy, no fahagagana ampanantenaina antsika rehetra.

Amin’izao alahadin’ny Paska izao raha mankalaza ny fahagagan’ny Fitsanganan’ny Tompontsika tamin’ny maty isika, amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy ahy, no ivavahako amim-panetrentena mba hahatsapanareo ny herin’ilay Mpanavotra eo amin’ny fiainanareo, ary ireo antso ataonareo amin’ny Raintsika any An-danitra dia ho voavaly omban’ilay fitiavana sy fanoloran-tena izay nasehon’i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoana nataony. Mivavaka aho mba hiorina mafy sy ho mahatoky amin’ny zava-drehetra izay hitranga anie ianareo. Ary mitsodrano anareo aho mba hisy fahagagana matetika eo amin’ny fiainanareo tahaka ilay niainanay tany Goshen, raha toa ka sitraky ny Tompo izany. Tadiavo ireny fitahiana avy any an-danitra ireny eo amin’ny fiainanareo, eo am-pikatsahanareo “ity Jesoa ity izay efa nosoratan’ny mpaminany sy ny apôstôly ny Aminy. Ka ny fahasoavan’ Andriamanitra Ray, ary koa ny an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Fanahy Masina izay vavolombelona manambara Azy Ireo, ho aminareo sy hitoetra aminareo mandrakizay.”25 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.