2018
Mamantatra ny Mpamonjy
April 2018


Mamantatra ny Mpamonjy

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Rehefa mianatra momba an’i Jesoa Kristy ianao dia manasa ny fiadanany sy ny fanatrehany ho ao amin’ny fiainanao.

Sary
Christ praying

Sombiny avy amin’ny Aiza ireo sivy, nataon’i Liz Lemon Swindle

Alaivo sary an-tsaina hoe mamaky ny zava-drehetra mikasika ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina ianao, dia ny Baiboly Masina, ny Bokin’ i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy izany. Hitaky fotoana sy asa maro izany! Kanefa tamin’ny janoary 2017, ny Filoha Russell M. Nelson dia nampanao fanamby mba hanao izany fotsiny, dia ny handalina ny zavatra rehetra izay nolazain’i Jesoa sy nataony ao anatin’ireo soratra masina nankatoavina. Nilaza ny Filoha Nelson fa lasa “lehilahy hafa” izy rehefa nahatanteraka izany tetikasa izany. Tsy hoe nianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy fotsiny izy fa nahatsapa koa ny fihavaozan’ny fanolorantenany Aminy.1

Ianao koa dia afaka manakaiky kokoa an’i Kristy rehefa mianatra momba Azy. Ny fandalinana ny fiainany sy ny tanjony dia manasa ny fiadanany ho tonga ao amin’ny fiainanao ary manampy anao hahafantatra Azy sy ny Rainao any An-danitra. Jereo ny fomba namalian’ny zatovo ireto fanontaniana anankiroa ireto: (1) Inona ny tantara momba ny Mpamonjy izay tianao indrindra ao amin’ny soratra masina ary nahoana? (2) Ary nitondra fiadanana ho anao tamin’ny fomba ahoana ny fandalinanao ny filazantsara?

Tiako ilay tantara momba ireo boka 10 satria i Kristy dia nampiseho fitiavana lehibe an’ilay boka izay nisaotra Azy. Hoy izy hoe: “Ny finoanao no efa nahavonjy anao” (Lioka 17:19; jereo ny andininy 11–19). Tiako ilay hatsaram-panahy amin-kitsimpo nasehony tamin’ny rehetra.

Noho ny loza nitranga vao haingana tany an-tsekoliko dia mila fiadanana sy fankaherezana be dia be ny olona rehetra any. Nahazo hery sy fiadanana aho tamin’ny alalan’ny fianarako tao amin’ny seminera. Ireo mpampianatra ao amin’ny seminera dia tena mampifanaraka ny soratra masina sy ny filazantsara amin’ny zavatra ilain’ny tsirairay. Tena mahafinaritra ny mahita ny fahasamihafana misy eo amin’ny toeram-pianarana seminera sy ny toeram-pianarana mahazatra. Misy zavatra hafa tsapa fotsiny ao izay mitondra fiadanana.

Gabriel S., 16 taona, Colorado, Etazonia

Ny tantaran’i Almà mikasika ny finoana sy ny tenin’ Andriamanitra (jereo ny Almà 32:18–43) dia nampianatra ahy fa rehefa mamafy fitiavana isika dia mahazo fitiavana. Nohazavain’i Almà tamin’ireo Zoramita fa ny finoana dia toa ny voa iray. Izany dia finoana fa marina ny zavatra iray nefa tsy hita maso akory izany. Ny finoana dia mitombo rehefa manana faniriana ny hino sy hihaino ny tenin’ny Tompo ny olona iray. Ireo zavatra ireo dia nanampy ahy ho tony, sy nampatanjaka ny foko ary nahazoako fijoroana ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra dia mahita ahy amin’ny maso feno fitiavana sy famindrampo.

Rehefa mandalina ny soratra masina isan’andro aho dia mahatakatra tsara kokoa ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika tsirairay avy. Io fahalalana io dia manampy ahy mba hanazava amin’ireo namako any an-tsekoly fa tsy irery izy ireo rehefa manana olana satria misy Andriamanitra iray izay tia antsika.

Maria D., 17 taona, Guadalajara, Espagne

Sary
Christ with children

Sombiny avy amin’ny I Kristy sy ireo Ankizy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, nataon’i Del Parson

Tiako ny ao amin’ny 3 Nefia 17 rehefa nitsidika an’i Amerika ny Mpamonjy ary nanasa ny ankizy hanatona Azy. Niara-nipetraka tamin’izy ireo Izy ary nanokana fotoana ho azy tsirairay. Tantara iray mahavariana izany ho ahy izay mampiseho hoe iza i Jesoa Kristy sy mampiseho ny fitiavany lehibe antsika tsirairay avy. Mino aho fa hiaraka hipetraka amintsika tsirairay koa izy rehefa mila ny fanampiany isika.

Tamin’ity taona ity dia nampanao fanamby ny tenako aho mba hamaky pejy iray ao amin’ny soratra masina isan’andro. Rehefa nanao izany aho dia lasa niandrandra ny hanaovako izany isan’andro. Nianatra zavatra maro be avy amin’ireo teny sy tantara ao amin’ny soratra masina aho rehefa niezaka ny nanokana fotoana mba hahatakarana izany, ary lasa nanakaiky kokoa ny Raiko any An-danitra sy ny Mpamonjy ahy aho rehefa nianatra mikasika azy ireny koa. Nitondra fiadanana be teo amin’ny fiainako izany.

Anna C., 17 taona, Montana, Etazonia

Tiako ilay fotoana nandehanan’i Kristy tany Amerika, sy ny nanontaniany raha nisy narary sy ory teo anivon’izy ireo, dia nositraniny izy ireo. Dia nitsodrano ny ankizy madinika Izy. (Jereo ny 3 Nefia 17.) Tantara tena mahafinaritra sy mahery vaika izany ho ahy. Tiako ny ankizy madinika ary tiako rehefa omen’ny olona fitiavana fanampiny izy ireo satria tena madio ny ankizy. Ilay tantara dia mampiseho ahy ny halalin’ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika tsirairay. Koa satria Izy tia tokoa ny olona tamin’izany fotoana izany ka nahatonga azy nanao ireo zavatra izay nataony, dia afaka mitia antsika koa Izy amin’izao fotoana izao.

Ny Isaia 53:3 dia milaza fa ny Mpamonjy dia “Lehilahy ory sady zatra fahoriana.” Rehefa mieritreritra ny Sorompanavotan’i Kristy aho sy ny zavatra nozakainy ho antsika ary ny fahafahako mahazo famelan-keloka rehefa mibebaka amin’ny fahotako, dia tena mahatsapa fiadanana aho. Olona maro tao amin’ny Bokin’i Môrmôna, toa an’ireo zanakalahin’i Môsià, i Amôna, ary i Almà Zanany, no nanao fahadisoana tamin’ny lasa saingy afaka nahazo famelan-keloka. Nitodika tany amin’i Kristy izy ireo, dia nibebaka ary lasa ohatra tena tsara izay azontsika ianarana amin’izao fotoana izao. Tena mampahery ahy ny fahafantarana fa afaka ny ho voavela koa aho.

Alina T., 18 taona, Oregon, Etazonia

Ny tantara tena tiako ao amin’ny soratra masina momba an’i Jesoa dia tamin’ny fotoana nanovany ny rano ho lasa divay nandritra ny lanonam-panambadiana iray, rehefa nobitsihin’ny reniny izy (jereo ny Jaona 2:1–11). Tena tiako izany satria ilay tantara dia mampiseho ny fanajan’i Jesoa ny vehivavy, indrindra ny reniny. Io tantara io dia mamporisika ny ankizy mba hankatò ny ray aman-dreniny tsy noho ny fahatahorana fa noho ny fitiavana lehibe. Ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy no tokony hoezahin’ny rehetra hatao. Tsy nitsahatra velively ny fitiavany ny reniny ary tsy tokony hitsahatra velively koa ny fitiavantsika ny ray aman-drenintsika. Andinin-tsoratra masina tena tiako koa izany satria asa fanompoana ilay fahagagana nataony ary isika koa dia afaka mamorona fahagagana amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa.

Io tantara io sy ireo tantara hafa ao amin’ny soratra masina dia nitondra fiadanana ho ahy. Tena mankahery ny mahafantatra fa raha miezaka ny mianatra momba an’i Kristy foana aho ary manaraka ny fampianarany, dia afaka ny hiverina any amin’ilay Raintsika any An-danitra indray andro any.

Anne R., 17 taona, Victoria, Australie

Tiako ilay tantara mikasika ny nandehanan’i Kristy teo ambonin’ny rano. Nandeha nankeny amin’ilay sambo izay nisy ireo Apôstôly izy ary nanasa an’i Petera mba hivoaka ho eo ambonin’ny rano. Nanana finoana i Petera tamin’ny voalohany ary afaka nandeha teo ambonin’ny rano, saingy lasa tsy nanana finoany izy ka nanomboka nilentika. Dia naninjitra ny tanany i Kristy ary nandray azy (jereo ny Matio 14:25–33). Manan-danja io tantara io ho ahy satria ao amin’ny fiainantsika foana ny tanan’i Kristy. Miaro antsika Izy.

Manampy ahy ny fandalinako satria mandalina ny soratra masina aho amin’ny maraina ary mahatonga ny andro ho tsara kokoa izany. Rehefa tsy mandalina aho dia tsy misy fifaliana na tsy mahafinaritra ny androko. Tsy tsara tsotra fotsiny izao izany. Rehefa mamaky tsy tapaka ny soratra masina aho amin’ny maraina, dia tsara kokoa ny androko satria manasa ny Fanahy Masina mba hiaraka amiko aho mandritra ny andro.

James K., 17 taona, Alaska, Etazonia

Sary
Christ and the rich young man

Sombiny avy amin’ny I KRISTY SY ILAY TOVOLAHY MPANANKARENA, nataon’i Gary L. Kapp

Tiako ny tantaran’i Kristy sy ilay tovolahy mpanankarena iray (jereo ny Marka 10:17–22). Manome ahy hevi-baovao sy fomba fijery mikasika ny fanaovana ho lohalaharana an’ Andriamanitra ambonin’ny zavatra rehetra izany. Ny fangatahana ny tena mba hivarotra ny fananana rehetra eto an-tany dia ho fangatahana tena sarotra saika ho an’ny olona rehetra. Kanefa mihevitra aho fa ny fahavononana hametraka an’ Andriamanitra ho eo ambonin’ireo fananana dia iray amin’ireo zavatra ilaintsika tsirairay ianarana eo amin’ny fiainana. Tena mampitolagaga ny fitiavan’i Jesoa Kristy tsy manam-petra. Tena tsara kokoa noho ny totalin’ny vola na ny fananana azontsika eto amin’ity fiainana ity izany.

Mitondra fiadanana sy fampaherezana ary koa fahendrena sy fahatakarana lehibe kokoa ny famakiana ny soratra masina. Na dia tsy tonga dia mahatsapa ny herin’ny fandilanana ny soratra masina aza aho, dia fantatro fa misy fiantraikany tsara eo amin’ny fiainako ny famakiana ny soratra masina ary manampy ahy hahatsapa ny Fanahy sy hahafantatra ny bitsiny.

Yuzhen C., 19 taona, Taichung, Taiwan

Sary
woman touching the hem

Sombiny avy amin’ny Vehivavy iray nanendry ny somotraviavin-damban’i Kristy, nataon’i Heidi Daynes Darley

Raha teny an-dalana hijery zazavavy iray izay teo am-pialana aina i Kristy, dia nisy vehivavy iray izay narary nandeha ra nikasika fotsiny ny akanjony dia sitrana. Nitodika tany aminy i Kristy ary niresaka taminy rehefa fantany fa nikasika azy Izy (jereo ny Lioka 8:43–48). Na dia handeha hanampy olona hafa aza i Kristy dia nanokana fotoana ho azy koa. Manokana fotoana ho antsika rehetra koa i Kristy.

Tena be zavatra atao aho eo amin’ny fiainana, mihazakazaka mianatra na mamonjy ny fampianarana rindrandihy na manao asa hafa. Mandritra izany rehetra izany dia tsy manana fotoana ho ahy manokana aho ary tsy mahatsapa fiadanana. Rehefa mamaky ny soratra masiko na mivavaka aho dia mahatsapa fiadanana. Tsara ny manana fahatsapana toy izany sy mitsahatra amin’ny firotorotoana. Mandritra izany fotoana ahatsapana fiadanana izany dia mihamanakaiky ny Mpamonjy aho ary mivoatra ao amin’ny filazantsara.

Zoe B., 17 taona, Utah, Etazonia

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Mpaminany, fitarihana, ary lalàn’ Andriamanitra” (Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 8. jan. 2017), broadcasts.lds.org; “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany apr. 2017; “Study the Savior’s Words,” Liahona, Jan. 2018, 56–59.