2023
Fomba ahatsiarovana ireo fanekempihavanan’ny tempoly nataontsika
Septambra 2023


Hafatra avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra

Fomba ahatsiarovana ireo fanekempihavanan’ny tempoly nataontsika

Rehefa miezaka mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika isika dia hitombo ny finoantsika ny Tompo ary hahazo hery misimisy kokoa isika.

Ny tanjona voalohan’ny fisiantsika dia ny hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra, ary Izy dia hanampy antsika hahatratra izany. Nanambara ny Tompo hoe, “Fa indro, izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Ny hoe miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra dia midika hoe mahazo ny Fiainana mandrakizay.

Noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany tsy manam-petra dia manana fahafahana hahazo fiainana mandrakizay isika.

“Hoy Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako” (jereo ny Jaona 14:6).

I Jesoa Kristy Tompo dia tsy hoe nanomana ny lalana ihany fa nampiseho antsika ihany koa ilay lalana izay mila arahantsika mba handraisana ny lehibe indrindra amin’ireo fanomezan’ny Ray any An-danitra rehetra. “Ary raha mitandrina ny didiko ianao ary maharitra hatramin’ny farany, dia ho azonao ny fiainana mandrakizay, izay fanomezana lehibe indrindra amin’ny fanomezan’ Andriamanitra rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7).

Ny mitandrina ireo didy dia midika hoe mampanoa ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’ny Ray, ary ny maharitra hatramin’ny farany dia mitaky ny hahatsiarovantsika Azy matetika tsy tapaka. Ny fomba manan-danja iray idirantsika sy ijanonantsika eo amin’ilay lalana miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra dia ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana.

Rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny famonjena isika (batisa, fandraisana ho mpikambana, fanendrena ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka ho an’ny lehilahy, ny fanafiana masin’ny tempoly, ary ny famehezana ny fanambadiana) dia manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika. Ho an’ny ôrdônansy tsirairay avy andraisantsika anjara dia misy fanekempihavanana mifamatotra aminy.

Ny didy, ôrdônansy, ary fanekempihavanana tsirairay avy dia manondro ny Tompo Jesoa Kristy.

Koa satria fitsipiky ny asa sy hery ny finoana an’i Jesoa Kristy, rehefa miezaka mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika isika dia hitombo ny finoantsika ny Tompo ary hahazo hery misimisy kokoa isika.

Ny tanjontsika dia tsy ny hanao fanekempihavanana fotsiny ihany fa ny hitandrina azy ireny ihany koa. Fa nahoana ary no manan-danja tokoa ny manao sy mitandrina fanekempihavanana? Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe, “Ny fankasitrahana lehibe indrindra izay mety ho azo eto amin’ity fiainana ity dia ny ho fantatra hoe mpitandrina fanekempihavanana.”1

Ny hoe mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika dia tsy zavatra mila atao marihana anaty lisitra akory.

Tiako ny hanasa anareo hieritreritra momba ireo zavatra izay hampahatsiahy anareo ny fanekempihavananareo, satria tsy afaka mitandrina zavatra izay tsy tsaroantsika isika.

Atombohy amin’ny vavaka ataonareo isan’andro izany. Rehefa mivavaka isika dia miresaka ara-bakiteny amin’ny Raintsika any An-danitra, ilay Olona Faratampony indrindra izay nanaovantsika fanekempihavanana. Ny vavaka vokatry ny fo dia hamerina ao amin’ny fitadidiantsika ireo fampanantenana sy fitahiana izay tonga avy amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika.

Tohizo amin’ny fandalinana ny soratra masina matetika tsy tapaka sy atao am-pahamatorana. Ny fandalinanao ny soratra masina dia hanampy anao hianatra ireo fanekempihavanana izay nataon’ny Tompo tamin’ny vahoakany sy ireo fampanantenana ho azon’izy ireo raha toa ka miezaka mitandrina ny fanekempihavanany izy ireo ary maharitra hatramin’ny farany.

Halalino ny tenin’ireo mpaminany velona mikasika ny fomba ijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Ataovy amin’ny toerana ahafahana mahita izany mora foana ny sarin’ny andro nanaovana batisa anao.

Ho an’ny lehilahy, manàna tahadikan’ny fitohizam-pahefan’ny Fisoronana Melkizedeka anao izay fantatra.

Ataovy amin’ny toerana ahafahanao mahita izany mora foana ny sarina tempoly, na ataovy fond d’écran an’ny findainao na ny solosainao mihitsy.

“Ny tempoly no tranon’ny Tompo. Toerana masina izany. Mandray anjara amin’ireo ôrdônansy masina sy manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra izay mamatotra antsika Aminy sy amin’ny Mpamonjintsika isika ao amin’ny tempoly. Ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ireo dia manomana antsika hiverina ho eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy ho voafehy miaraka ho fianakaviana mandrakizay. Masina ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly. Tsy tokony horesahana any ivelan’ny tempoly ireo mari-pamantarana mifandray amin’ny fanekempihavanan’ny tempoly. Ary tsy tokony horesahantsika ihany koa ny fampahalalana masina izay nampanantenaintsika manokana tao amin’ny tempoly fa tsy hambarantsika. Na izany aza, dia azontsika resahana ireo tanjona sy fotopampianarana fototr’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly ary ny fahatsapana ara-panahy azontsika ao anatin’ny tempoly”2.

Ny fomba tena mahomby iray hahatsiarovana ireo fanekempihavanana nataontsika tao amin’ny tranon’ny Tompo dia ny fanaovana ny garmentan’ny tempoly.

Ny garmenta dia maneho ny fifandraisanao manokana amin’ Andriamanitra sy ny fanolorantenanao hankatò ireo fanekempihavanana natao tao amin’ny tempoly. Rehefa mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataony ireo mpikambana ary manao ny garmenta araka ny tokony ho izy mandritra ny androm-piainany, dia lasa fiarovana ihany koa izany3. Ny fomba mahomby iray hafa hahatsiarovantsika ireo fanekempihavanan’ny tempoly dia ny fananana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly. Ny mpikambana rehetra dia mila mendrika ny hihazona sy hanana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly na dia tsy mipetraka akaikin’ny tempoly aza izy ireo.

Manasa anao aho hiara-hiasa amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana misahana anao mba hanananao fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly. Araka ny nampianarin’ny Loholona Rasband nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2020, “Atombohy izao ny dingana mba ho lasa ‘mendrika ho an’ny Tompo’ mba hahafahan’ny Fanahiny hiaraka sesehena aminao.”4

Mijoro ho vavolombelona aho fa ho lasa “vahoaka mendrika” ara-bakiteny ho an’ny Tompo isika rehefa manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly.

Rehefa mandray anjara amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly isika dia manao fanekempihavanana amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ary mampanantena ny hitandrina azy rehetra.

Mampanantena anareo aho fa handray hery misimisy kokoa hiadiana amin’ny fakam-panahy sy amin’ny ratsy mandritra ny dianareo eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianareo amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanan’ny tempoly.

Nandritra ny lahateny famaranana nataony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2022 dia nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson mpaminany malalantsika hoe, “Aoka isika tsy ho very fifantohana amin’ireo zavatra izay ataon’ny Tompo ho antsika amin’izao. Manao izay hisian’ny tempoly betsaka kokoa Izy. Manafaingana ny fanorenantsika tempoly Izy. Mampitombo ny fahafahantsika manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely Izy. Ataony ihany koa izay hampamora ny hahalasa antsika ho tsaratsara kokoa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Mampanantena aho fa ny fotoana lany betsaka kokoa any amin’ny tempoly dia hitahy ny fiainanareo amin’ny fomba izay tsy misy na inona na inona hafa hahavita izany.”5

Aoka isika hanaiky ny fanasan’ny mpaminanintsika ny hoe tsy ho very fifantohana amin’ireo zavatra izay ataon’ny Tompo ho antsika amin’izao.

Amin’ny alalan’ny fananana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly, ny fiezahana mitandrina ireo fanekempihavanana nataontsika tany amin’ny tempoly, ary ny fampitomboana ny fotoana hankanesantsika any amin’ny tempoly, ny Tompo dia hanatanteraka ny fampanantenana nataon’ny mpaminanintsika dia ny hoe ho voatahy amin’ny fomba tsy misy na inona na inona hafa hahavita izany ny fiainantsika.

Fantatro fa velona i Jesoa Kristy Mpanavotra sy Mpamonjy antsika. Isika vahoakan’ny fanekempihavanana. Enganie ny Tompo hitahy antsika amin’ny fananana fahalalana sy fahatakarana ny amin’ny lanjan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanan’ny tempoly.

FANAMARIHANA

  1. Russell M. Nelson, “Fanekempihavanana,” Liahona, nôv. 2011, 88.

  2. Boky torolalana maneran-tany, toko 27, Gospel Library.

  3. Jereo ny Boky torolalana maneran-tany 27.2, Gospel Library.

  4. Ronald A. Rasband, “Mendrika ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2020, 24.

  5. Russell M. Nelson, “Mifantoha amin’ny tempoly,” Liahona, nôv. 2022, 121.