2015
Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe
Nôvambra 2015


Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Neil L. Andersen

65 Taorian’ny nahafatesan’ny renin’izy ireo dia nahazo fidiram-bola ny zatovolahy iray sy ireo mpiray tampo aminy taorian’ny naneken’ilay zatovolahy hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia nahazo hery hanohy ny fiainany ny mpirahalahy anankiroa taorian’ny nahafatesan’ireo ray aman-dreniny sy ireo mpiray tampo amin’izy ireo miisa roa tamin’ny lozam-piaramanidina.

Koichi Aoyagi

126 Nandritra ny fotoana niresahan’i Koichi Aoyagi tamin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana dia nahazo fahatakarana mazava kokoa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy mikasika ny anjara asan’ny fahoriana ao anatin’ny drafitry ny famonjena.

David A. Bednar

128 I David A. Bednar dia nianatra avy tamin’ny Loholona Robert D. Hales fa rehefa tsy afaka manao ny zavatra efa fanaonao hatrizay ianao dia midika izany fa tsy manao afa-tsy izay tena manan-danja indrindra ianao.

Randall K. Bennett

69 Nivady tany amin’ny tempoly taty aoriana ny Olomasin’ny Andro Farany Rosiana roa izay nahatsapa ho notaomim-panahy mba hifampizara ny filazantsara.

Kim B. Clark

124 Rehefa namporisihin’ny feon’ny Fanahy ny ray aman-drenin’i Kim B. Clark dia nanaiky ny antso hanao asa fanompoana tany Philippines izy ireo.

Quentin L. Cook

39 Fony izy misiônera tanora dia nianatra ny dikan’ny hoe “Milamina sy manaraka fomba eto Bristol” i Quentin L. Cook. Nanatrika Sabata Jiosy iray i Quentin L. Cook.

Henry B. Eyring

80 Nisaotra ny diakona iray ny rahavavy iray efa nahazo taona noho izy nanome azy ny fanasan’ny Tompo. Tamin’ny alalan’ny ezaka nataon’ny filohan’ny kôlejin’ny loholona iray no nikasihan’ny Tompo ny fon’ireo izay mety ho azo aroso ho loholona kanefa malaindaina. Nifaly ny dadan’ny dadaben’i Henry B. Eyring noho ny niahian’ny Tompo sy nanentanan’ny Tompo ny fanahiny mandritra ny famitana iraka sarotra iray.

104 Nitarika ny rain’i Henry B. Eyring hanatrika fivoriana fanasan’ny Tompo iray tany Australie ny Fanahy Masina. Taorian’ny nahafatesan’ny vadiny dia nampiononin’ny Fanahy Masina ny rain’i Henry B. Eyring.

Bradley D. Foster

50 Nahatsapa i Bradley D. Foster fa zavatra maika tokony hataony ny manampy ireo zanany sy ireo zafikeliny hahatakatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara rehefa avy nanao dinidinika niaraka tamin’ny olona iray mendrika izay ao amin’ny sokajin-taona tokony hanao asa fitoriana.

Allen D. Haynie

121 Rehefa avy nilalao tao anaty lavaka feno fotaka i Allen D. Haynie fony izy zazalahikely dia tsy navela hiditra tao an-trano raha tsy efa avy notondrahan’ny renibeny rano tamin’ny fantson-drano mba hadio.

Jeffrey R. Holland

47 Natahotra ny hijoro eo anatrehan’ny reniny any amin’ny fiainana ho avy ny mpikamban’ny Fiangonana iray izay malaindaina ary efa teo ambavahoan’ny fahafatesana. Nanampy ny zanany lahy hiverina ao amin’ny Fiangonana ny reny iray feno fanolorantena. Nanampy ny zanany vavy handray anjara tamin’ny Fihiakana ny Hosana i Lisa Tuttle Pieper.

Von G. Keetch

115 Ireo mpanao surf izay tsy faly tamin’ny sakana izay naorina teo amin’ny vavarano tamin’ny ranomasina iray tao Australie dia mianatra fa niaro azy ireo tamin’ny antsantsa ilay sakana.

Larry R. Lawrence

33 Nanome ohatra maro mikasika ny fomba hanomezan’ny Fanahy Masina “torohevitra ho an’ny olona iray manokana” mba hanampiana ny olona hivoatra i Larry R. Lawrence.

Neill F. Marriott

30 Rehefa avy nivavaka sy nitady an’Andriamanitra nandritra ny 10 taona i Neill F. Marriott dia nahita sy nanaiky ny Fiangonana. Nampihatra finoana ny fianakavian-drahavavy Marriott fa hiara-hiaina mandrakizay amin’ny zanakavavy iray izay maty taorian’ny loza nateraky ny fitaingenana bisikileta izy ireo.

James B. Martino

58 Nanapa-kevitra ny ho atao batisa i James B. Martino rehefa avy nandalina sy nivavaka tamin-kitsimpo momba ny Bokin’i Môrmôna.

Richard J. Maynes

27 Nampianatra ny zatovo hametraka ny tanimangan’izy ireo teo amin’ny ivon’ny kodiarana fanaovana vazy ny Loholona Taiichi Aoba. Nahafantatra ny tena fifaliana marina tamin’ny fahitana sy ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Nancy Maynes.

Carol F. McConkie

12 Nilaza ny rahavavy iray 102 taona fa nahazo ny Maripankasitrahana tamin’ny naha-Zatovovavy azy tamin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro izy.

Thomas S. Monson

83 Rehefa avy nibebaka sy niverina tao amin’ny Fiangonana ny vehivavy iray sy ny vadiny dia nahita fiadanana sy fanantenana tamin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo.

86 Nanontany tena ny manam-pahefana iray Isiraeliana hoe inona no tokony hatao mikasika ny fahazavana izay hita taratra ao anatin’ny mason’ireo Olomasin’ny Andro Farany mianatra ao amin’ny Ivontoeran’ny BYU ao Jerosalema.

Hugo Montoya

53 Nitondra fiadanana ho an’i Hugo Montoya ny tsiky iray avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson taorian’ny nahazoany ny antsony ho ao amin’ny Fitopololahy.

Russell M. Nelson

95 Tamin’izy kivy fony izy dokotera tanora mpandidy ny atifo dia niverina niasa i Russell M. Nelson noho ny fomba fijery sy ny fitiavana ary ny famporisihana avy amin’ny vadiny. Nanova ny fomba fitantanana ny fivoriana iray nataon’ny filankevitry ny tsatòka ny fanamarihana avy amin’ny fitaomam-panahy nataon’ny filohan’ny Kilongan’ny tsatòka iray.

Linda S. Reeves

9 Taorian’ny nandrenesan’i Linda S. Reeves ny nitantaran’ny namana iray ny sasany tamin’ireo olany dia nahatsiaro narary izy ho an’ireo izay noratrain’ny hafa.

Dale G. Renlund

93 Taorian’ny niantsoana an’i Dale G. Renlund ho eveka dia nilaza taminy ny rahalahiny fa niantso azy ny Tompo mba hanao ny zavatra tokony hataon’ny Tompo tamin’ny alalany. Nampahery an’i Dale G. Renlund ny ray aman-drenin’ny zatovolahy iray izay matin’ny aretim-po.

Gregory A. Schwitzer

98 Nanampy ny zafikelilahiny hahatsapa ny lanton-kira sy ny hafatra avy amin’ny fihirana iray izay nanaovany fanazarana tamin’ny piano i Gregory A. Schwitzer.

Vern P. Stanfill

55 Nandresy ny tahony tamin’ny alalan’ny fianteherana tamin’ny hazavana nitambaran’ilay andiana mpitaingina bisikileta nandeha tao anaty tonelina maizina i Vern P. Stanfill.

Carole M. Stephens

118 Nampiasa fitiavana i Carole M. Stephens mba handresena lahatra ny zafikelivaviny hijanona teo amin’ny sezany tao anaty fiara.

Gary E. Stevenson

91 Taorian’ny niantsoana azy ho Apôstôly dia nahita i Gary E. Stevenson sy i Lesa vadiny fa ny vatofantsik’izy ireo dia ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fahalalana momba ny drafitry ny famonjena.

Dieter F. Uchtdorf

15 Nianatra avy tamin’ny rahavavin’ny renibeny ny zazavavy iray 11 taona fa ny fitiavana an’Andriamanitra sy ireo zanany no fanalahidin’ny fahasambarana.

20 Niari-tory mba hanamboatra lamba firakotra bemiray ny mpampianatra iray ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanaovana lesona mikasika ny fanatsoran-javatra.

Rosemary M. Wixom

6 Namaly ny vavaka nataon’ny zatovovavy iray ny Ray any An-danitra mba hahalalany fa tia azy Izy. Sahiran-tsaina tamin’ny fahasalamana sy ny fahasambaran’ny zazakely kamboty iray ny lehilahy iray maty mosary tany Etiopia.