2015
Loholona L. Whitney Clayton
Nôvambra 2015


Loholona L. Whitney Clayton

Filoha Ela Niasana Indrindra ao amin’ny Fitopololahy

Mbola zaza ny Loholona L. Whitney Clayton dia nianatra nitia ny asa sy ny fianakaviana. Vao maraina isaky ny sabotsy dia mandeha mamonjy ny asa aman-draharahany ny rainy, izay mpitsabo. Alohan’ny handehanany dia soratany eo amin’ny solaitrabe iray ny lisitry ny raharaha rehetra izay tokony ho vita amin’io andro io. Rehefa miverina izy dia manatona ireo zanany lahy ka miaraka manao raharaha aminy. Nianatra fomba fiasa izay nitahy ny fiainany ny Loholona Clayton avy tamin’ny rainy.

Fantatry ny fianakavian’ny Loholona Clayton ihany koa fa ny hoe sakafo hariva dia fotoana natao ho an’ny fianakaviana. “Niresaka momba ny pôlitika, ny zavatra niseho tany an-tsekoly, tamin’ny manodidina, ny filazantsara, ary ny Fiangonana izahay. … Singa iray tena tsara nilaina tamin’ny fitomboana izany.” Ny firesahana eo am-piaraha-misakafo dia fahazarana izay nampiharin’izy mivady tamin’ireo zanany.

Ny Loholona Clayton dia nomena anarana ho Filoha Filoha Ela Niasana Indrindra ao amin’ny Fitopololahy tamin’ny 6 ôktôbra 2015. Misolo ny Loholona Ronald A. Rasband izay notohanana ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy.

Ny Loholona Clayton dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 31 martsa 2001. Efa mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy izy hatramin’ny taona 2008 ary efa nanana andraikitra ho mpanara-maso ny vondrom-paritra maro tao Utah. Nanampy an’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy tamin’ny fanaraha-maso ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana sy Afrika Andrefana. Efa mpikambana tao amin’ny Kaomitin’ny Affaires Publiques ihany koa izy. Efa mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra Atsimon’i Amerika Atsimo izy tamin’ny 2002–2003 ary filoha tamin’ny 2003–2006.

Teraka tao Salt Lake City, Utah, Etazonia tamin’ny 1950 izy ary nanambady an’i Kathy Ann Kipp tamin’ny taona 1973 tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake. Manan-janaka 7 izy ireo ary zafikely 20.

Nahazo mari-pahaizana licence momba ny fitantanam-bola tao amin’ny University of Utah ny Loholona Clayton ary mari-pahaizana momba ny lalàna tao amin’ny University of the Pacific. Mpisolovava tao Californie, Etazonia, izy nanomboka tamin’ny 1981 ka hatramin’ny 2001.

Efa filohan’ny Vondrom-paritra, solontenam-paritra, mpanolotsain’ny filohan’ny misiôna, mpanolotsaina avo, eveka, filohan’ny misiônan’ny tsatòka, ary mpampianatra ny Fotopampianaran’ny Filazantsara izy. Nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany Pérou izy nanomboka tamin’ny 1970 ka hatramin’ny 1971.