2015
Eveka W. Christopher Waddell
Nôvambra 2015


Eveka W. Christopher Waddell

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Episkôpà Mpiahy

Noho ny maha-mpanao fanatanjahantenan’ny oniversite azy dia nahazo vatsim-pianarana momba ny volley tao amin’ny San Diego State University tao Californie, Etazonia i Christopher Waddell. Fa nianatra nankasitra ny eveka iray izay nanontany azy momba ireo zavatra hafa izy rehefa tany an-trano mandritra ny fialan-tsasatra.

“Tsy nanontany izy hoe, ‘Manao ahoana ny volley?’ fa hoe ‘Manao ahoana ianao izay? Mivavaka sy mijanona ho mafy orina ary mijanona ho mazoto ao am-piangonana ve ianao?’ Tena nankasitrahako ireo fanontaniana [mikasika] … ny zavatra izay tena manan-danja ireo,” hoy ny Eveka Waddell.

Ny fifantohana amin’ny zavatra tena manan-danja dia nanampy ny Eveka Waddell hiaina mifanaraka amin’ny fenitra roa izay napetraky ny fianakaviany: “Miverina amim-boninahitra” sy “Mahatoky ny Tompo.” Izany fahatokiana izany no nahafahany nanajanona ny fanaovana volley ka nandeha nanao asa fitoriana. Rehefa niverina avy nanao asa fitoriana izy dia izany fahatokiana izany no nahafahany nanohy ny fiarahany tamin’ny vehivavy tanora iray izay nianatra tao amin’ny oniversite iray hafa lavitra azy. Taty aoriana, rehefa vita mariazy izy ireo, dia nanampy azy ireo hihaino ny Fanahy ny fahatokiana ny Tompo rehefa nandray fanapahan-kevitra ny hifindra monina izy ireo.

“Rehefa manao zavatra amin’ny fomban’ny Tompo ianao,” hoy izy, “dia handeha tsara ny zavatra rehetra.”

Ny fahatokiany ny Tompo dia mbola hitohy hitahy an’ny Eveka Waddell, izay efa Fitopololahy Manampahefana Ambony nanomboka tamin’ny 2011, ary izao izy lasa Mpanolotsaina Faharoa ao Episkôpà Mpiahy izao.

Teraka tao Los Angeles, Californie, tamin’ny taona 1959 i Wayne Christopher Waddell. Nanambady an’ i Carol Stansel tamin’ ny volana jolay 1984 tao amin’ ny Tempolin’i Los Angeles Californie izy. Manan-janaka efatra izy ireo ary zafikely telo. Efa mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra Atsimon’ny Amerika Avaratra Andrefana izy ary hipetraka any Pérou mandritra ny fotoana fohy.

Nahazo ny mari-pahaizany licence tao amin’ny San Diego State University ny Eveka Waddell tamin’ny taona 1984. Nanohy fianarana ambony ka nanaraka ny Executive MBA program tao amin’ny BYU koa izy. Nanomboka tamin’ny 1984 izy dia niasa tao amin’ny Merrill Lynch, izay izy no filoha lefitra voalohan’ny fampiasam-bola tao.

Ny Eveka Waddell dia efa Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, filohan’ny Misiônan’i Barcelone Espagne (izay toerana nanaovany asa fitoriana tamin’ny fotoana feno), filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny misiôna, eveka, ary mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà.