2015
Brian K. Ashton
Nôvambra 2015


Brian K. Ashton

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany

Teo am-pamaranana ny asa fanompoany tamin’ny naha-filohan’ny Misiônan’i Houston Atsimo, Texas Rahalahy Brian K. Ashton rehefa nantsoina hanompo ao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany. Nambara tamin’ny volana Jona ilay antso ary notohanana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ny volana ôktôbra 2015 izy.

Mbola filoha maneran-tany ihany Rahalahy Tad R. Callister ary lasa mpanolotsaina voalohany Rahalahy Devin G. Durrant, izay mpanolotsaina faharoa nanomboka ny volana aprily 2014.

Ny fanendrena an’i John S. Tanner ho filohan’ny Brigham Young University–Hawaii no nahatonga ny toerana banga tao amin’ny fiadidiana.

Naterak’i Kent sy i Vicki Brown Ashton tao Provo, Utah, Etazonia i Brian Kent Ashton ny 9 martsa 1969. Izy no zokiny indrindra amin’ireo zanaka sivy nateraky ny ray aman-dreniny. Mpampianatra tsy tapaka ny filazantsara tao an-tokantrano no nahatsiarovany ny ray aman-dreniny.

Nanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Lima Atsimo, Pérou Rahalahy Ashton. Namana tsara iray izay voatosika ny hilaza taminy hoe mila manao asa fitoriana izy no nahatonga azy nanapa-kevitra hanompo. Nahatsapa ny fanamafisana avy amin’ny Fanahy i Brian rehefa naneho ny zavatra tsapany ilay namany. Nandritra ny fanaovany asa fitoriana dia voantso ho filohan’ny sampana lehibe iray izy raha teo am-pandalovana olana ara-pahasalamana lehibe. Nivavaka mafy sy tsy tapaka tamin’ny Ray any An-danitra izy nandritra izany fotoana izany mba hahazo fanampiana. “Nianatra niantehitra taminy aho, ary namaly ahy Izy,” hoy izy. “Nitondra fiovana ny fianarana niantehitra taminy.”

Taorian’ny asa fitoriana nataony dia nianatra tao amin’ny Brigham Young University izy ary tao no nahitany an’i Melinda Earl vadiny Talohan’ny nifanambadian’izy ireo anefa dia nanompo tany amin’ny Misiônan’i Espagne Malaga izy raha niasa tany afovoany andrefan’i Etazonia ny Rahalahy Ashton. Nivady tao amin’ny tempolin’i St. George Utah izy ireo taorian’ny asa fitoriana nataony. Manan-janaka fito izy ireo.

Ny Rahalahy Ashton dia nahazo ny mari-pahaizana maîtrise en administration d’entreprise tao amin’ny Oniversiten’i Harvard, raha toa ka nianatra tao amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo kosa ny rahavavy Ashton. Mpandraharaha no asan’ny Rahalahy Ashton ary efa nanangana orinasa maro izy.

Ny Rahalahy Ashton dia efa eveka, mpanolotsaina avo, filohan’ny kôlejin’ny loholona ary mpampianatra ny Fotopampianaran’ny Filazantsara.