2015
Vehivavy mpitarika manatevin-daharana ireo filankevitry ny Fiangonana
Nôvambra 2015


Vehivavy mpitarika manatevin-daharana ireo filankevitry ny Fiangonana

Nanasa vehivavy ny Fiangonana mba hanompo ao anatin’ireo filankevitra telo lehibe an’ny mpitarika.

Ny Rahavavy Linda K. Burton, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia ho ao anatin’ny Kaomity Mpanatanteraky ny Fisoronana sy ny Fianakaviana (izay nantsoina hoe Kaomity Mpanatanteraky ny Fisoronana teo aloha). Ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, dia ho ao anatin’ny Kaomity Mpanantanteraky ny Asa Fitoriana Ny Rahavavy Rosemary M. Wixmom, filohan’ny Kilonga maneran-tany, dia ho ao anatin’ny Kaomity Mpanantanteraky ny Tempoly sy ny Tantaram-pianakaviana.

Na dia efa nandray anjara sy nanome torohevitra nandritra ny taona maro tamin’ireo filankevitra ireo aza ireo vehivavy ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Zatovovavy ary ny Kilonga maneran-tany, ity fanasana ity dia manome andraikitra maharitra ao amin’ireo filankevitra ireo.

Avy any ankavia: Rosemary M. Wixom, filohan’ny Kilonga maneran-tany; Bonnie L. Oscarson, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany; Linda K. Burton, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.