2015
Notokanana ny Toerana Namerenana ny Fisoronana
Nôvambra 2015


Notokanana ny Toerana Namerenana ny Fisoronana

Tamin’ny 19 septambra 2015 dia niahy ny fitokanana ny toerana ao Pennsylvanie, Etazonia, izay nandraisan’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny Fisoronana Aharôna avy tamin’i Jaona Mpanao Batisa ny Filoha Russel M. Nelson, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Harmony, Pennsylvanie no niantsoana ilay faritra tany amin’ireo taona nanaraka ny taona 1820 tany ary zavatra maro tao anatin’ny tantaran’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny tany am-piandohana no nitranga teo:

  • Ny fifankahitan’i Joseph Smith sy i Emma Hale, ny fihontihontian’izy ireo, ary ny fiainam-panambadian’izy ireo tany am-boalohany.

  • Ny fahatongavan’i Oliver Cowdery mba hanampy ka ho mpitantsoratra ao anatin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Ny fandikana ny ampahany lehibe tamin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Ny famerenana ny Fisoronana Aharôna sy (na dia tsy fantatra aza ny toerana marina) ny Fisoronana Melkizedeka.

  • Ny batisa voalohany izay notanterahina tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana amin’izao andro maoderina izao.

  • Ireo fanambarana voaray izay lasa fizarana miisa 15 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny ampahany amin’ny Voahangy Lafo Vidy.

Io toerana vao nohavaozina io dia ahitana ivontoerana ho an’ny mpitsidika izay in-droa amin’ny trano fivorian’ny sampana iray eo an-toerana ny habeny; ny tranon’i Joseph sy i Emma sy ny tranon’i Isaac sy i Elizabeth Hale ray aman-drenin’i Emma izay naverina natsangana; ary lalana mitondra mankany amin’ny Renirano Susquehanna izay toerana inoana fa nanatanterahana ny batisan’i Joseph sy i Oliver.

“I Harmony dia nanolotra fitokantokanana sy fiarovana ara-panahy ho an’i Joseph ka afaka nifantoka tamin’ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna izy,” hoy ny Filoha Nelson. “Nampianatra an’i Joseph mikasika ilay asa masiny amin ’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ny Tompo nanditra izany fotoana izany.”

Filoha Russell M. Nelson sy i Wendy vadiny mitsidika ny trano mitovy tanteraka amin’ny tranon’i Joseph sy i Emma Smith, izay nanaovana ny fandikana ny ankabetsahan’ny Bokin’i Môrmôna.