2015
Mpianatra seminera mampisondrotra ny fianarany
Nôvambra 2015


Mpianatra seminera mampisondrotra ny fianarany

Mamaly tsara ny fanondrotana ireo fepetra amin’ny fahazoana diplaoma izay nampiharina tamin’ny taona lasa ireo mpianatra seminera. Mampiseho ny tarehimarika vao nivoaka vao haingana fa 81 isan-jaton’ny mpianatra nisoratra anarana no afaka tamin’ny fitsapam-pahaizana natao tamin’ny faran’ny enim-bolana, nitombo ho 77 isan-jato ny fanatrehana ny fampianarana raha 71 isan-jato teo aloha, ary efa ho 80 isan-jaton’ny mpianatra no nahavita ny famakiana izay notakiana taminy.

Ireo zavatra takiana vaovao ireo dia manome fahafahana ny mpampianatra mba hanantitrantitra ireo fotopampianarana fototra ao amin’ny fampianarany rehefa mamela ireo mpianatra hifantoka amin’ireo fotopampianarana ireo ihany.

Zatovolahy sy zatovovavy tokony ho 400.000 eo no nisoratra anarana amin’ny seminera manerana izao tontolo izao.