2015
Loholona Gary E. Stevenson
Nôvambra 2015


Loholona Gary E. Stevenson

Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Rehefa nandinika ny antsony ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Loholona Gary E. Stevenson dia nanatsoaka fa ny fanompoany ao amin’ny fanjakan’ny Tompo indrindra fa amin’ny maha-Apôstôly azy dia ny hoe mitarika amin’ny alalan’ny fanompoana fa tsy hoe manompo amin’ny alalan’ny fitarihana.

“I Jesoa Kristy dia nandray ny Tenany ho mpanompo,” hoy ny Loholona Stevenson nandritra ny valan-dresaka nifanaovana tamin’ireo mpanao gazety taorian’ny nanohanana azy. “Izahay koa dia mandray ny tenanay ho mpanompo” (jereo ny Marka 10:44).

Tonga tsy nampoizina ilay antson’ny Loholona Stevenson mba ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Tsapany anefa fa ny fanompoany tao am-piangonana—indrindra fa tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy nanomboka tamin’ny 2008 ka hatramin’ny 2012 sy tamin’ny naha-Eveka Mpiahy azy nanomboka tamin’ny 2012—dia nanomana azy ho amin’ireo andraikiny vaovao.

Anisan’ireo zavatra tena manan-danja indrindra izay nianarany tamin’ny fanompoana ny Tompo dia ny maha-sarobidy ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Miandrandra ilay fahafahana bebe kokoa izay ho ananany amin’ny maha-Apôstôly azy mba hifandray sy hijoro ho vavolombelona amin’ireo zanak’Andriamanitra manerana an’izao tontolo izao ny Loholona Stevenson.

Miandrandra ny fitohizan’ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo izay mitarika ny Fiangonan’ny Tompo ihany koa izy. “Ny fieritreretana hoe mipetraka ao anatin’ny filankevitra ary afaka mianatra avy amin’ [izy ireo], ary ny fieritreretana hoe handray fampianarana avy amin’ [izy ireo], sy hahatsapa ny herin’izy ireo sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany,” hoy izy, “dia zavatra inoako fa ho traikefa tena tsara tokoa.”

I Gary E. Stevenson dia teraka tamin’ny 6 aogositra 1955, zanak’i Evan N. sy i Vera Jean Stevenson. Ny fiavian’ny fianakaviany dia nosoritany niverina hatrany amin’ireo Olomasin’ny Andro Farany mpisava lalana tany am-piandohana tao Utah. Lehibe tao Cache Valley any avaratr’i Utah izy, tao amin’ny tokantrano iray izay nifototra tamin’ny filazantsara ka nianarany ny lanjan’ny fiasana mafy sy ny maha-zava-dehibe ny fanompoana. Ny rainy, “ny eveka tamin’ny fahatanorako,” dia nanasa azy matetika mba hiaraka aminy hamangy ireo mananotena maro izay nipetraka tao amin’ny paroasy nisy azy. Ireo lesona niaranan’ny zatovolahy Gary avy amin’ny rainy mikasika ny fikarakarana sy fanompoana tahaka ny nataon’i Kristy dia nahatsapany zavatra tsy hay fafana tao anatiny izay nanampy azy tsara tamin’ny naha-Eveka Mpiahy azy.

“Ireo evekan’ny Fiangonana,” hoy izy, “no tena lehilahy be herimpo ho ahy.”

Ny asa fanompoana nataon’ny Loholona Stevenson tao amin’ny Fiangonana dia nanomboka voalohany indrindra tamin’ny fotoana niantsoana azy ho misiônera amin’ny fotoana feno tany amin’ny Misiônan’i Fukuoka Japana, ka nanomboka na-nam-pitiavana tsy nitsaha-nitombo ny vahoaka Japôney sy ny fitenin’izy ireo izy, izay fiteny mbola hainy tsara. Taorian’ny asa fitoriana nataony dia nianatra tao amin’ny Utah State University izy, ary tao no nahitany an’i Lesa Jean Higley. Nivady tao amin’ny tempolin’i Idaho Falls Idaho izy ireo tamin’ny 1979; manan-janaka lahy efatra izy ireo. Nahazo mari-pahaizana momba ny administration d’entreprise ny Loholona Stevenson ary ny haivarotra no tena maha-havanana azy. Taty aoriana dia niara-nanorina ary lasa filoha sy lehibe mpitantana ny iray amin’ireo orisana goavana eto amin’izao tontolo izao izay manamboatra sy mivarotra fitaovana fanaovana fanatanjahantena izy.

Nipetraka tany Japana nandritra ny taona maro ny fianakaviana Stevenson. Tamin’ny taona 2004 ny Loholona Stevenson dia voantso ho filohan’ny Misiônan’i Nagoya Japana. Taorian’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Fitopololahy tamin’ny 2008 dia mpanolotsaina ary filoha tao amin’ny Vondrom-paritra Azia Avaratra izy. Filohan’ny Vondrom-paritra izy tamin’ny 2011 rehefa nandrava ny morontsiraka avaratr’i Japana ny horohoron-tany lehibe iray, izay niteraka tafofo-dranomasina mahery sy avo ka namono olona an’arivorivony. Lasa fotoana tena nanamarika ny fiainany izany zava-nitranga izany.

Nanampy tamin’ny famolavolana ny asa nasetrin’ny Fiangonana an’izany ny Loholona Stevenson, izay nanome sakafo, vatsy, fanohanana, ary fanampiana nandritra ny fotoana maharitra.

“Fanehoana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy manao ny iray amin’ireo andraikitra nomen’Andriamanitra azy izay mikarakara ny mahantra sy ny sahirana izany,” hoy izy. Hoy izy hoe voninahitra masina ny “nanompo, sy nitahy, ary nandamina ny fanampiana.”