2015
Zavatra iray hovokarina momba ny Krismasy ho hita amin’ny fitaovan-tserasera
Nôvambra 2015


Zavatra iray hovokarina momba ny Krismasy ho hita amin’ny fitaovan-tserasera

Hamoaka vokatra ho hita any amin’ny fitaovan-tserasera maro izay mitondra ny lohateny hoe “A Savior Is Born” ny Fiangonana mandritra ny vanimpotoan’ny Krismasy 2015. Io zavatra hovokarina io dia miompana amin’ny fitadiavana sy famantarana ary fanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny fahazoana ireo fitahiana izay tanteraka avy amin’ny fahaterahany sy ny fampianarany ary ny Sorompanavotany. Ny tena mampiavaka io zavatra hovokarina io dia ilay horonantsary vaovao izay mampiseho ankizy avy amin’izao tontolo izao izay mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy sy mankalaza ny fahaterahany tao Betlehema 2000 taona lasa mahery izay. Jereo ilay horonantsary ary mianara bebe kokoa mikasika ny maha-zava-dehibe an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fitsidihana ny christmas.mormon.org.