2015
Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko
Nôvambra 2015


“Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko”

Ireo didin’ Andriamanitra dia maneho ny fitiavany antsika, ary ny fankatoavana ny didiny dia fanehoantsika ny fitiavantsika Azy.

Nandeha tany an-tranon’i Jen zanako vavimatoa aho mba hanampy hikarakara, rehefa nitondra ny zanany vavy fahatelo izy hody any an-tranony avy tany amin’ny hôpitaly. Rehefa avy nanatitra ny zanany vavimatoa ho any an-tsekoly dia nanapa-kevitra izahay fa ny zavatra ilain’i Jen indrindra dia ny maka aina. Ka ny fanampiana tsara indrindra azoko natolotra dia ny mitondra an’i Chloe zanany vaviaivo any an-tranoko mba hahafahan’ny reniny sy ilay zazavavikely vao teraka hanana fotoana milamina.

Namoaka ny fiara teo amin’ny lalankely manoloana ny tranon’izy ireo aho rehefa avy nanisy fehikibo aroaina an’i Chloe teo amin’ny sezany sy namatotra ny fehikibo ihany koa. Mbola tsy tonga tery amin’ny faran’ny arabe akory anefa izahay dia efa voavahan’i Chloe ny fehikibony ary dia nitsangana izy, nitsiritsirika teo ambony soroko ary niresaka tamiko! Najanoko teo amin’ny sisin-dalana ny fiara, dia nivoaka aho ary namatotra azy tamin’ny sezany indray.

Nanainga indray izahay kanefa mbola tsy lasa lavitra akory dia efa tafavoaka ny sezany indray izy. Naveriko natao indray ilay efa nataoko teo aloha kanefa tamin’ity indray mitoraka ity dia mbola tsy tafiditra tao anatin’ny fiara sy namatotra ny fehikiboko akory aho dia efa tafatsangana teo amin’ny sezany i Chloe!

Ka dia indro aho tsy tafahetsika anaty fiara, nijanona teo amin’ny sisin-dalana, nifaninanana tamin’ny zazavavy kely iray telo taona ahitana izay mahery. Ary tena izy no nandresy!

Nampiasa ireo hevitra rehetra takatry ny saiko aho mba hahafahako mandresy lahatra azy hoe tsara ho azy ny mipetraka tsara manao fehikibo aroaina eo amin’ny sezany. Tsy resy lahatra izy e! Tapa-kevitra aho nony farany hanandrana ny paikady hoe raha toa ka izao/dia izao.

Hoy aho: “Chloe a! Raha toa ka mijanona manao fehikibo aroaina eo amin’ny sezanao ianao, dia hilalao pâte à modeler isika raha vantany vao tonga any an-tranon’i Bebe.”

Tsy nisy valiny.

“Chloe a! Raha toa ka mijanona manao fehikibo aroaina eo amin’ny sezanao ianao, dia hanao mofo isika raha vantany vao tonga any an-tranon’i Bebe.”

Tsy nisy valiny.

Nanandrana indray aho. “Chloe a! Raha toa ka mijanona manao fehikibo aroaina eo amin’ny sezanao ianao, dia afaka mijanona kely any an-tsena isika mividy fanomezana!”

Rehefa avy nanandrana intelo aho dia nahatsapa fa tsy hisy hahomby izany. Tena tapa-kevitra izy, ary tsy nisy raha toa ka izao/dia izao ampy handresena lahatra azy hijanona hanao fehikibo aroaina eo amin’ny sezany.

Tsy afaka mandany ny andronay eo an-tsisin-dalana fotsiny izahay, kanefa aho te hanara-dalàna ary mampidi-doza ny mitondra fiara nefa i Chloe mitsangana ato aoriana. Nivavaka mangina aho ary nandre ny Fanahy nibitsika hoe: “Ampianaro izy.”

Nitodika nanatrika azy aho ary nisintona ny fehikibo aroaina eo amin’ny sezako mba hahitany izany. Hoy aho: “Chloe a! Manao ity fehikibo aroaina ity aho satria hiaro ahy izany. Tsy ho voaro kosa ianao satria tsy mametaka ny fehikibonao. Tena halahelo tokoa aho raha toa ka misy mahazo anao.”

Nodinihany aho. Toa tsinjoko ny zanak’atidohany miketriketrika teo am-piandrasako izay ho fihetsiny. Farany dia nibaribary naneho fahatakarana ireo masony manga be ary niteny izy hoe: “Bebe a! Tianao hanao fehikibo aho satria tianao izaho e?”

Nanenika ny fiara ny Fanahy rehefa nanambara ny fitiavako ity tovovavy kely sarobidy ity aho. Tsy tiako ho lefy izany fahatsapana izany, saingy fantatro fa izao no fotoana hahafahako manisy fehikibo azy ka dia nivoaka aho ka nametaka izany taminy mba hiarovana azy eo amin’ny sezany. Avy eo aho dia nanontany hoe: “Chloe a! Afaka mijanona eo amin’ny sezanao ve ianao?” Ary dia nataony izany—nandritra ny lalana nankany an-tsena mba hividy fanomezana! Ary mbola nanao fehikibo ihany izy niainga avy teo an-tsena ka hatrany an-tranoko, ary tany izahay dia nanao mofo ary nilalao pâte à modeler satria tsy nanadino ny nifanarahana i Chloe!

Teny am-pitondrako fiara teny an-dalana hody tamin’io andro io dia nisy soratra masina iray nanenika ny saiko: “Raha tia Ahy hianareo dia hitandrina ny didiko.”1 Manana fitsipika isika hampianarana sy hitarihana ary hiarovana ny ankizy. Fa nahoana? Noho ny fitiavana lehibe ananantsika ho azy ireo. Kanefa mandra-pahatakaran’i Chloe fa noho ny fitiavako azy no naniriako ny hijanonany hanao fehikibo aroaina ao amin’ny sezany dia tsy vonona mihitsy izy hanaiky ny zavatra izay noraisiny ho toy ny fanakatsankanana. Nahatsapa izy fa mametra ny fahafahany ny fehikibo aroaina.

Tahaka an’i Chloe, isika koa dia mety handray ireo didy ho toy ny fameperana. Mety hisy fotoana hieritreretantsika fa mametra ny fahafahantsika manokana, sy manaisotra ny fahafahantsika misafidy ary manakantsakana ny fivoarantsika ireo lalàn’ Andriamanitra. Saingy rehefa mikatsaka fahatakarana lalindalina kokoa isika, ka mamela ny Raintsika hampianatra antsika, dia hanomboka hahita fa ireo lalàny dia fanehoany ny fitiavany antsika ary ny fankatoavana ny lalàny dia fanehoantsika ny fitiavantsika Azy.

Raha toa ianareo ka sendra tafajanona eny an-tsisin-dalana, moa ve aho afaka mandroso sosokevitra vitsivitsy, izay raha arahina, dia hanampy anareo ho “tafaverina soa aman-tsara eo amin’ilay lalana”?2

Voalohany, matokia an’ Andriamanitra. Matokia ny drafiny mandrakizay ho anao. Isika tsirairay avy dia “fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra.” Miseho eo amin’ny didy ny fitiavan’izy ireo antsika. Ireo didy dia toromarika iankinan’ny aina natao hampianarana sy hitarihana ary hiarovana antsika, eo “[am-pandraisantsika] traikefa etỳ ambonin’ny tany.”3

Tany amin’ny “fiainana talohan’ny nahaterahana” dia nampiasa ny fahafahantsika misafidy isika ka nanaiky ny drafitr’ Andriamanitra,4 ary nianatra fa mitana toerana lehibe eo amin’ny fahombiazantsika eo amin’io drafiny io ny fankatoavana ny lalàna mandrakizain’ Andriamanitra. Mampianatra ny Soratra Masina hoe: “Misy lalàna navoaka tsy azo novana tany an-danitra, talohan’ ny fanorenana izao tontolo izao, izay ifotoran’ ny fitahiana rehetra.”5 Raha mankatò ny lalàna isika dia handray fitahiana.

Na dia eo aza ireo hadisoana sy fanoherana ary fianarana rehetra izay miara-dalana amin’ny fotoana hiainantsika eto an-tany dia tsy mba manadino na oviana na oviana izay mety ho hahatongavantsika rahatrizay Andriamanitra, eny fa na dia manadino aza isika. Afaka matoky Azy isika “satria tian’ Andriamanitra ny hiverenan’ny zanany eo Aminy.”6 Ary nanome lalana izy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Zanakalahiny, dia i Jesoa Kristy. Ny Sorompanavotana “no ivon’ny drafitry ny famonjena.”7

Faharoa, matokia an’i Jesoa. Ny fanehoam-pankatoavana sy fitiavana lehibe indrindra dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Nanolotra ny ainy ho antsika Izy tamin’ny nanekeny ny sitrapon’ny Ray. Hoy Izy: “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany.”8

Nampianatra ihany koa i Jesoa hoe:

“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra.

“Izany no didy lehibe sady voalohany.

“Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”9

Manana fahafahana isika isaky ny alahady hisaintsaina sy hahatsiaro ny fitiavana madion’ny Mpamonjintsika rehefa mandray ireo tandindon’ny Sorompanavotany tsy misy fetra. Mandritra ny fanasan’ny Tompo dia mandinika tsara aho rehefa mitsotra ireo tanana sy ireo sandry hanolotra ny mofo sy ny rano. Rehefa mandroso ny tanako aho ka mandray izany dia manao fanekempihavanana fa vonona aho ny hitondra ny Anarany, ny hahatsiaro Azy mandrakariva ary ny hitandrina ny Didiny. Ary mampanantena Izy ny “hananan[tsika] mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika].”10

Fahatelo, matokia ny bitsiky ny Fanahy. Tsarovy fa nibitsika soratra masina tamiko ny Fanahy nandritra ilay zava-nitranga niaraka tamin’i Chloe? Jaona 14:15 izany: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.” Ary koa ireto andinin-tsoratra masina manan-danja ireto:

“Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay;

“dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.”11

Ny mpikambana tsirairay izay mendrika sy noraisina ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manan-jo hanana ny Fanahy Masina ho namana. Mampivelatra izay tsy izy tokoa ny fahaizantsika mihaino sy mahatsapa ny bitsiky ny Fanahy ny fifadian-kanina, ny vavaka, ny fandalinana soratra masina ary ny fankatoavana.

Rehefa tototry ny fisalasalana sy fahaverezan-kevitra ny sainareo dia handefa ny Fanahy Masina ny Ray sy ny Zanakalahiny hampitandrina sy hitarika anareo soamantsara hamakivaky ireo loza mitataon’ity dia eto an-tany ity. Hanampy anareo hahatsiaro Izy, sy hanohana anareo ary hameno anareo “amin’ ny fanantenana sy fitiavana tanteraka.”12

Fahefatra, matokia ny torohevitr’ireo mpaminany velona. Nanolotra fomba iray ny Raintsika ahafahantsika mandre sy mahafantatra ny lalàny amin’ny alalan’ireo mpaminaniny. Nilaza ny Tompo hoe: “Ny teniko dia … ho tanteraka avokoa, na amin’ ny alalan’ ny feoko na amin’ ny alalan’ ny feon’ ny mpanompoko, dia iray ihany izany.”13

Vao haingana ireo mpaminany velona no nampahatsiahy antsika ny tokony “[h]ahatsiarova[na] ny andro Sabata hanamasina azy,”14 ary hiaina ny lalàn’ny fifadian-kanina. Ny fankatoavana an’io torohevitra mifono faminaniana io dia manome antsika fomba iray ahafahana mankato ny didin’ Andriamanitra hoe mitia Azy sy ny namantsika, rehefa mampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika ary manolo tanana hitia sy hikarakara ny hafa.15

Misy fiarovana azo avy amin’ny fanarahana ny teny ambaran’ny Tompo amin’ny alalan’ny mpaminaniny. Nantsoin’ Andriamanitra ny Filoha Thomas S. Monson, sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ary ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara. Ao amin’ity tontolo izay hanjakan’ny tahotra, sy fikorontanan-tsaina, sy fahoriana ary fahatezerana ity dia afaka mitodika amin’izy ireo isika mba hahitana hoe ahoana no fomba fijery, sy fandanjalanjana ary fihetsik’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy, heniky ny fiantrana, eo anatrehan’ireo olana mety hampisara-bazana. Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy ireo ary mamaha olana amin’ny fiantrana, ilay fitiavana madion’i Jesoa Kristy, izay izy ireo no vavolombelony.

Taorian’ilay zavatra niainako niaraka tamin’i Chloe dia nikaroka ny soratra masina aho mba hahitana andininy izay miresaka momba ny didy sy ny fitiavana. Marobe no hitako. Ireo andini-tsoratra masina tsirairay avy ireo dia mampahatsiahy antsika fa fanehoam-pitiavany antsika ny didiny, ary ny fankatoavana ny didiny dia fanehoantsika ny fitiavantsika Azy.

Mijoro ho vavolombelona aho fa raha matoky an’ Andriamanitra isika, ilay Raintsika Mandrakizay, sy matoky an’i Jesoa Kristy Zanakalahiny sy ny Sorompanavotana nataony, ka matoky ny bitsiky ny Fanahy ary matoky ny torohevitr’ireo mpaminany velona dia hahita fomba hialana eo amin’ny sisin-dalana ary hanohy soa aman-tsara ny dia—tsy amim-piaretana fotsiny fa mankafy amim-pifaliana ilay diantsika mody any amin’ny fonenantsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.