2015
Miteny ireo ankizy hoe: ‘Izahay no tanany’
Nôvambra 2015


Miteny ireo ankizy hoe: “Izahay no tanany”

Ankizy maro manerana izao tontolo izao no namaly tamin-kafanam-po ilay fanentanana hanao asa fanompoana izay navoakan’ny gazetibokin’ny Fiangonana. Nanasa ny ankizy mba hitady fomba hanaovana asa fanompoana ny gazetiboky ary avy eo dia hanoritra ny tanany amin’ny taratasy ka hanoratra ny asa fanompoana izay nataony eo ambonin’ilay dian-tanana ary handefa izany any amin’ny Liahona.

Naharay dian-tanana mihoatra ny 30.000 avy amin’ny ankizy maro izay nanolo-tanana mba hizara ny fitiavan’ny Mpamonjy ny gazetiboky, ka nitahy fianakaviana sy mpiara-belona maro manerana an’izao tontolo izao.

Ny fitsirian’io fanentanana io dia avy amin’ilay lahateny nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany nandritrany fihaonamben’ny Fiangonana volana aprily 2010, izay mitondra ny lohateny hoe “Ianareo no Tanako.” Nitantara momba an’ilay sarivongan’i Jesoa Kristy izay simban’ny Ady Lehibe Faharoa ny Filoha Uchtdorf. Rehefa tsy afaka nanolo ny tanan’ilay sarivongana ny olona raha namerina izany tamin’ny laoniny dia nasian’izy ireo an’izao teny izao teny amin’ny fotony: “Ianareo no tanako.”

Niavaka mitovy amin’ilay dian-tanana nalefan’izy ireo ny asa fanompoana izay nataon’ireo ankizy. Ohatra:

I Natalie S., 5 taona, avy any Hong Kong dia nandefa dian-tanana anankiroa. Ny iray nilaza hoe: “Nanampy ny reniko tao an-trano aho,” ary ilay iray hafa nanao hoe, “Nanampy nanosika olona iray nipetraka tamin’ny sezabe misy kodiarana aho.”

I Erik S., 11 taona, avy any Russie dia nanazava hoe: “Mangatsiaka ny ririnina aty amin’ny tanàna ipetrahako.” Nisy fianakaviana iray nifindra tao amin’ny tanànany, ary tsy nanana akanjo mafana izy ireo. “Afaka nanome ny palitaoko an’i Artur aho,” hoy i Erik, “ary lasa namako izy.”

I Gabriela P., folo taona, avy any Venezuela dia nanoratra toy izao teo amin’ny dian-tanany: “Nanatrika ny kilasy fianarana échecs izaho sy ireo namako tany an-tsekoliko. Raha teo am-pitadiavana namana iray mba hiara-hilalao amiko aho dia nahita ankizilahy vaovao iray izay toa nalahelo. Te hanampy aho saingy tsy fantatro hoe amin’ny fomba ahoana. Dia nisy feo nilaza tamiko fa mila mandray azy ho namana fotsiny aho. Nanatona azy aho dia niresaka taminy. Mpinamana akaiky izahay amin’izaofotoana izao.”

Naseho tany amin’ny foiben’ny Fiangonana tao Salt Lake City, Utah, Etazonia nandritra ny roa herinandro ny dian-tanana tamin’ny volana septambra sy oktôbra.