2015
Baiboly amin’ny teny Pôrtogey Edisiônan’ny Olomasin’ny Andro Farany
Nôvambra 2015


Baiboly amin’ny teny Pôrtogey Edisiônan’ny Olomasin’ny Andro Farany

Efa azo jerena en ligne nanomboka tamin’ny volana septambra ao amin’ny AsEscrituras.lds.org ary koa amin’ny application Bibliothèque de l’ Évangile ny Baiboly amin’ny teny Pôrtogey edisiônan’ny Olomasin’ny Andro Farany. Hisy ihany koa ny amin’ny endrika hafa, toy ny ePub sy PDF. Ny fivoahan’izany ho boky dia ny volana martsa 2016 ary ny edisiônan’ny raki-peo sy braille koa dia ho avy amin’ny 2016.

Io edisiôna vaovao io izay mitondra ny lohateny hoe Bíblia Sagrada, Almeida 2015, dia mifototra amin’ny dikantenin’ny Baiboly nataon’i João Ferreira Annes de Almeida, edisiôna tamin’ny taona 1914, izay nofidiana satria tena ambony ny hatsaran’ny kalitaon’ny fandikana izany. Teo ambanin’ny fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, no niasa mafy nandritra ny dimy taona ny ekipa iray izay nahitana Manampahefana Ambony, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, mpahaitsikerafiteny matihanina, ary mpikamban’ny Fiangonana mba hanao fanitsiana sy hanomana ilay edisiônan’ny Olomasin’ny Andro Farany. Efa manakaiky ny efatra hetsy sy iray tapitrisa ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana izay miteny Pôrtogey.