2015
Loholona Dale G. Renlund
Nôvambra 2015


Loholona Dale G. Renlund

Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Taorian’ilay fahatairany tany am-boalohany rehefa nantsoina ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nandohalika nivavaka niaraka tamin’i Ruth vadiny ny Loholona Dale G. Renlund ka nitady fanamafisana hoe “Andriamanitra no nitarika tamin’izao lalana izao.”

Efa imbetsaka ny Loholona Renlund no nikatsaka izany fitarihana izany—tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony sy tamin’ny naha-dokotera mpitsabo fo ary amin’ny maha-vady sy ray azy. Fony izy dokotera mbola nanaraka fanofanana tany Maryland, Etazonia ohatra dia nisy homamiadan’ny ovaire izay nanomboka nitombo tao amin’ny vadiny. Vao 16 taona monja i Ashley zanak’izy ireo vavy. Nandritra ireo fotoan-tsarotra ireo dia tafaverina ny fahatsapan’ny Loholona Renlund ho akaiky ny Tompo rehefa nisaotra ny Tompo tamin’ny vavaka i Ruth noho ny famehezana azy ireo tany amin’ny tempoly.

Dokotera mpitsabo fo no anton’asan’ny Loholona Renlund, mikarakara ireo marary izay manana tsy fahatomombanan’ny fo. Nahita ny fahafatesan’ny marary maro izy. Saingy taorian’ny nahafatesan’ny marary iray izay nantsoina hoe Chad dia tsy voatanany intsony ny fahaizany mampisaraka ny fihetseham-pony amin’ny asany mandritra ny fotoan-tsarotra rehefa niditra tao aminy tao amin’ny efitrano ho an’ny marary mila vonjy aina maika ny ray aman-drenin’i Chad. Tamin’izay fotoana izay dia hitako tamin’ny alalan’ny fijerin’izy ireo i Chad.

Hoy ny Loholona Renlund momba an’io zavatra niainany io: “Tsapako ankehitriny fa mba hanampiana bebe kokoa ny hafa amin’ny fomba mahomby dia tsy maintsy mijery azy ireo amin’ny alalan’ny fomba fijerin’ny iray amin’ireo ray aman-dreny isika, amin’ny alalan’ny mason’ny Ray any An-danitra. Amin’izay vao afaka manomboka mahatakatra ny tena lanjan’ny fanahy iray isika” (pejy 94).

Ny fahazazana sy ny asa fanompoana nataon’ny Loholona Renlund tao am-piangonana dia nanampy azy ihany koa hahita ny hafa amin’ny alalan’ny fomba fijerin’ny Tompo ka hahatakatra ireo mpikamban’ny Fiangonana isan-karazany.

I Dale Renlund dia teraka tamin’ny 13 nôvambra 1952, zanaka mpifindra monina Soedoà izay tonga tao Utah mba hofehezina tao amin’ny tempoly. Fony i Dale mbola zazalahy dia nifindra tany Finland ny fianakaviany ary avy eo dia niverina tany Suède. Niverina tao Utah niaraka tamin’ny fianakaviany izy telo taona taty aoriana. Voantso hanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany Suède izy tamin’ny faha-19 taonany.

Nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony ny Loholona Renlund tamin’ny taona 2009. Tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana no asa nanendrena azy voalohany. Najanon’ny Loholona Renlund ny asany izay dokotera sy prôfesora, saingy ny vadiny hoy izy, “no tena nahafoy zavatra lehibe kokoa.” Nanana kabinetran’ny mpisolovava i Ruth ary izy no filohan’izany tamin’ny fotoana niantsoana ny Loholona Renlund ka dia nandao ny asany ihany koa izy. Saingy hatramin’ny nivadian’izy ireo tamin’ny 1977, hoy izy, dia “teo foana” izy ary loharanon-kery lehibe ho azy.

Raha mbola tany Afrika ny Loholona sy ny Rahavavy Renlund dia “nampianarin’ireo Olomasina momba ny zavatra tena manan-danja.” Nanontanian’ny Loholona Renlund indray mandeha ireo Mpikambana tany amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo hoe inona no olona atrehan’izy ireo. Tsaroany taorian’ny fifanositosehana kely dia “nitsangana ny lehilahy lehibe manana ny maha-izy azy iray ary nilaza hoe, ‘Ry Loholona Renlund, ahoana moa no ananantsika olana? Manana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika.’” Hoy ny Loholona Renlund tany an’eritreritra: “Te ho tahaka an’ireo Olomasina Kananga ireo izaho sy ny vadiko. … Toa tsy manana na inona na inona izy ireo, nefa manana ny zavatra rehetra.”

Raha namarana ny lahateniny voalohany amin’ny maha-Apôstôly azy ny Loholona Renlund dia hoy izy nijoro ho vavolombelona: “Te ho mpanaradia marin’i Jesoa Kristy amin’ny folo manontolo aho. Tiako Izy. Tena mamiko Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa tena velona Izy. Mijoro ho vavolombelona aho fa Izy no ilay Voahosotra, ilay Mesia” (pejy 94).