2015
Eveka Gérald Caussé
Nôvambra 2015


Eveka Gérald Caussé

Eveka Mpiahy

Mbola teo am-panorenana ny asa fivelomany tao amin’ny orinasa mpamokatra sakafo tao Frantsa i Gérald Caussé tamin’ny faha-33 taonany rehefa niantso azy mba hiresaka aminy manokana ny lehiben’ny orinasany. Nahatsikaritra ireo fitsipika ara-panahy niainan’i Gérald sy ny fahaizany manao fitsarana marina ary ny fahaizany mampiray ireo mpiasa izy—toetra izay azony tamin’ny alalan’ny asa sy ny fanompoana ary ny fitarihana tao amin’ny Fiangonana. Resy lahatra ilay lehibe fa lehilahy azony atokisana i Gérald.

Hatairana ny an’i Gérald satria nomena andraikitra ny hitantana mpiasa miisa 1.800 izy. Tamin’ny fotoana naha-voantso azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony folo taona taty aoriana, tamin’ny volana aprily 2008, dia nitantana orinasa maro mpamokatra sakafo izy.

Ny asan’ny eveka Caussé sy ny fahaizany mitantana, miaraka amin’ny asa fanompoany sy ny traikefany tamin’ny naha-mpitarika azy tao amin’ny Fiangonana dia tena hanampy azy tsara amin’ny maha-Eveka Mpiahy vaovaon’ny Fiangonana azy. Ny eveka Caussé, izay efa Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Episkôpà Mpiahy hatramin’ny volana martsa 2012, dia nandray ny antsony vaovao andro vitsivitsy monja taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny volana oktôbra. Misolo ny Loholona Gary E. Stevenson izay notohanana ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 3 oktôbra 2015 izy.

Ny eveka Gérald Jean Caussé, izay Eveka Mpiahy faha-15 an’ny Fiangonana, dia teraka tao Bordeaux, Frantsa, tamin’ny taona 1963. Nanambady an’i Valérie Babin izy tamin’ny taona 1986, tao amin’ny Tempolin’i Berne Suisse. Manan-janaka dimy izy ireo ary manana zafikely dimy.

Ankoatra ny traikefany tao amin’ny Episkôpà Mpiahy sy tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ny Fitopololahy, dia efa mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritr’i Eorôpa, filohan’ny tsatòka, mpanolotsain’ny filohan’ny tsatòka, mpanolotsain’ny eveka, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, ary filohan’ny kôlejin’ny loholona izy.

Fony izy zatovolahy dia nahita fahasambarana sy nitombo finoana izy tamin’ny alalan’ny asa fanompoana nataony tao amin’ny Fiangonana. Efa mpitendry pianô tao amin’ny Kilonga izy fony izy 12 taona ary filohan’ny Sekoly Alahady fony izy 16 taona. Nanao tsy tapaka ireo andraikitry ny Fisoronana Aharôna ihany koa izy.

“Ny fanompoana tao amin’ny Fiangonana,” tafiditra ao anatin’izany ny fiarahany tamin’ny rainy nanatanteraka ny andraikiny tamin’ny naha-eveka sy filohan’ny sampana azy, “dia nanampy ahy hahazo ny fijoroako ho vavolombelona,” hoy izy.