2015
Loholona Ronald A. Rasband
Nôvambra 2015


Loholona Ronald A. Rasband

Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

Taorian’ny nandraisan’ny Loholona Ronald A. Rasband ny antsony ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaky ny Jaona 15:16 izy: “Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo.”

Hoy ny Loholona Rasband: “Nahazo fahatsapana ara-panahy aho fa tsy nisy zavatra mikasika an’io [antso] io ka hoe … niriako. Fanapahan-kevitry ny Tompo izany.”

Fony izy 19 taona dia efa nianatra lesona mitovy amin’izany mikasika ny fanekena ny fanapahan-kevitry ny Tompo ny Loholona Rasband. Nanantena ny hanao asa fitoriana tany Allemagne izy, izay toerana nanompoan’ny rainy sy ny zokiny lahy, saingy tany amin’ny Misiônan’i Eastern States (Etazonia) izy no voantso. Nanokatra ny soratra masiny izy ka namaky tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana faha-100 manao hoe:

“Koa, manaraha Ahy ary henoy ny torohevitra izay homeko anareo.

“… varavarana mahomby no hovohana eo amin’ny faritra manodidina, amin’ity tany atsinanana ity. …

“Koa lazaiko [aminao] marina tokoa, asandrato amin’ity vahoaka ity [ny feonao]” (andininy 2, 3, 5).

Nanana fijoroana ho vavolombelona izy fa tian’ny Tompo hanompo tany amin’ny Misiônan’i Eastern States .

Ny Loholona Rasband dia teraka tamin’ny 6 febroary 1951, ary avy amin’ny fianakaviana tsotra. “Zanaka mpamily fiara mpitatira [mofo] sy reny malala [mpikarakara tokantrano] aho,” hoy izy. Avy amin’ny taranaka fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany maro dia maro nifandimby izy izay lova sarobidy ho azy tokoa.

Tamin’ny 1973 dia nanambady an’i Melanie Twitchell ny Loholona Rasband. Manan-janaka 5 sy zafikely 24 izy ireo. Naneho fankasitrahana ilay vadiny nandritra ny 42 taona izay ny Loholona Rasband noho ny fanampiany azy ho tonga amin’ny misy azy amin’izao fotoana izao. “Nalain’ny vadiko toy ilay tanimangan’ny mpanao tavy tanimanga aho dia novolavolainy ho tena hanana ny maha-izy azy. … Ilay fitarihany ara-panahy dia tsy nitondra tany amin’ity antso mahafinaritra sy miavaka ity fotsiny fa nitondra tany zavatra rehetra nataoko ara-panahy koa.”

Tamin’ny taona 1987 ny Loholona Rasband dia lasa tale jeneralin’ny orinasa mpamokatra vokatra ara-tsimika manerana izao tontolo izao. Nianatra ny fomba hahombiazana kokoa eo amin’ny asa fanompoana ao am-piangonana avy amin’ireo mpitarika azy izy. “Nianatra aho tao anatin’ny asako … fa manan-danja bebe kokoa noho ny zavatra hafa azontsika atao ny olona.” Izy koa dia “nianatra fahaiza-manao maro dia maro tokony hananan’ny mpitarika … izay nanampy ahy tsara amin’ny maha-Manampahefana Ambony ahy.”

Efa nanana fahafahana imbetsaka hampiasa ireo fahaiza-manao ireo ny Loholona Rasband. Izy dia efa eveka, filohan’ny misiôna, Fitopololahy Manampahefana Ambony nanomboka tamin’ny 2000; mpanara-maso ireo Vondrom-paritra Avaratr’i Amerika Atsinanana sy ny Avaratra Andrefana ary Vondrom-paritra telo ao Utah; mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra Eorôpa Afovoany, Tale Mpanatanteraky ny Departemantan’ny Tempoly; mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy hatramin’ny 2005; ary Filoha Ela Niasana Indrindra ao amin’ny Fitopololahy hatramin’ny aprily 2009.

Nanome azy fitiavana an’ireo Olomasin’ny Andro Farany na aiza na aiza ireo asa nampiandraiketina azy tao amin’ny Fiangonana. Hoy izy amin’ny mpikambana: “Nampitombo ny finoanay ny finoanareo; nampian’ny fijoroana ho vavolombelona anananareo ny fijoroana ho vavolombelona anananay” (pejy 90).

Feno fanetrentena ny hanompo ho Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ny Loholona Rasband. “Nanana faniriana ny hanompo Azy foana aho,” hoy izy. “Hatolotro hanatanterahina izany ny fotoako sy ny talentako ary zavatra rehetra ananako mandritra ny andro sisa hiainako. Manolo-tena ny hanao izany aho. Voninahitra ho ahy ny manao izany.”