2015
Manome anjara toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny fiainantsika
Nôvambra 2015


Niteny tamintsika izy ireo

Manome anjara toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny fiainantsika

Ampiasao ny sasany amin’ireto asa atao sy fanontaniana ireto mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitry ny mpianakavy na ny fandinihana ataon’ny tena manokana.

Ho an’ny ankizy

  • Pejy 86: Ny Filoha Thomas S. Monson dia nangataka antsika mba ho ohatra tsara amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy. Rehefa manaraka Azy isika dia afaka ny ho fahazavana ho an’izao tontolo izao. Ahoana no ahafahanao ho tonga ohatra ho an’ny fianakavianao sy ny namanao? Azonao atomboka izany amin’ny alalan’ny fametrahana tanjona hanao zavatra iray mba hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa.

  • Pejy 104: Ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nitantara tantara mikasika ny rainy izay nitady fiangonana indray alahady rehefa nitsidika an’i Australie izy. Rehefa nitady izy dia nivavaka isaky ny sampanan-dalana mba hahalalany izay lalana tokony handehanany. Vetivety izy dia nandre olona nihira ka mahafantatra fa nanampy azy hahita ny lalany ny Fanahy Masina. Mieritrereta fotoana iray izay nahatsapanao ny Fanahy Masina. Nampaninona anao ilay izy?

  • Pejy 6: Rahavavy Rosemary M. Wixom, filohan’ny Kilonga maneran-tany, dia nizara tantara momba ny zazavavy iray antsoina hoe Amy. Nivavaka i Amy mba hahafantarany raha toa ka tena tia azy sy niaraka taminy Andriamanitra. Vakio na avereno tantaraina ao amin’ny fianakaviana na mandritra ny lahateny mikasika ny fotoana iray nahatsapanao ny fitiavan’Andriamanitra io tantara io. Inona no tsapanao noho ny fahafantarana fa zanak’Andriamanitra ianao? Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny hafa hahafantatra fa zanak’Andriamanitra izy ireo?

  • Pejy 121: Ny Loholona Allen D. Haynie ao amin’ny Fitopololahy dia nitantara mikasika ny fotoana iray izay nihadian’izy sy ireo rahalahiny lavaka lehibe iray izay navadik’izy ireo ho dobo filomanosana. Feno fotaka ireo zazalahy rehefa nilalao tao. Tsy navelan’ny reniben’ny Loholona Haynie hiditra ny trano izy raha tsy efa voasasa madio tsara. Inona no ampianarin’io tantarany io momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Nahoana no zava-dehibe ny madio eo anatrehan’Andriamanitra?

Ho an’ny Tanora

  • Pejy 83: Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson fa tsy sakana ny didin’Andriamanitra fa torolalana hahazoana fifaliana kosa. “Izy ilay nahary antsika sy tia antsika,” hoy izy “no mahafantatra tanteraka ny fomba tokony hiainantsika mba hahafahana mahazo ny fahasambarana lehibe indrindra.” Andramo ampiharina ny tenin’ny Filoha Monson dia tandremo ny didin’ny Tompo. Aza gaga raha mahazo fanampiana na fiarovana avy amin’Andriamanitra ianao.

  • Pejy 6: Rehefa mijery ny hafa isika mba hijerena ny lanjan’ny tenantsika manokana dia matetika no diso fanantenana. Rahavavy Rosemary M. Wixom, filohan’ny Kilonga maneran-tany, dia nilaza hoe: “Isika dia afaka mahazo fankasitrahana avy [amin’ny Tompo] avy any ambony, fa tsy avy amin’ny olona manodidina antsika na avy amin’ireo olona ao amin’ny Facebook na Instagram.” Soraty ao amin’ny diarinao amin’ity herinandro ity ny mikasika ny toetranao araka an’Andriamanitra sy ireo fitahiana izay azo avy amin’izany fahalalana izany.

  • Pejy 20: Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza hoe: “Raha toa ka mieritreritra ianao fa tsy mandaitra loatra aminao ity filazantsara ity dia manasa anao aho mba hiato kely, hanombantombana ny fiainanao amin’ny fijery avo avy eny amin’ny fiaramanidina ary hanatsotra ny fanomoranao ny hoe maha-mpianatra. Mifantoha amin’ireo fotopampianarana, fitsipika ary fampiharana fototry ny filazantsara.” Raha mahatsapa fa iharan’ny rotoroton-tsaina na tototry ny zavatra maro ianao dia mieritrereta fomba hanatsorana ny fiainanao sy ny fianarana ny filazantsara.

  • Pejy 65: Ny Loholona Neil L. Anderson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nitantara tantara iray momba ny zatovolahy iray izay nanantena ny hanao asa fitoriana ny filazantsara saingy nampahafantarina azy fa asaina hikarakara ny fianakaviany izy ho solon’izany. Afaka nanao asa fitoriana ny filazantsara ihany ilay zatovolahy taty aoriana tamin’ny alalan’ny finoana sy ireo fitahiana mahery vaika avy amin’ny Tompo. Ahoana no ahafahantsika hitovy aminy ka handroso amim-pinoana na dia eo aza ireo sakana eo amin’ny lalantsika?

  • Pejy 33: Ny Loholona Larry R. Lawrence ao amin’ny Fitopololahy dia nitantara tantara iray momba ny misionera iray nahavita asa fitoriana izay niaina zava-tsarotra noho ireo andraikitra maro nananany mandra-pandraisany fanapahan-kevitra ny hanokana ny alahady mba hanompoana an’Andriamanitra sy hanaovana fandalinana ny filazantsara. “Izany fanovana kely izany dia nitondra ilay fiadanana sy fampifandanjana izay nokatsahiny,” hoy ny Loholona Lawrence. Inona no azonao atao mba hanokananao bebe kokoa ny andro alahady ho an’ny Tompo?

Ho an’ny olon-dehibe

  • Pejy 86: Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampahatsiahy antsika mba ho ohatra sy fahazavana ho an’izao tontolo izao. “Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika sy miaina araka ny fomba niainany sy nampianarany,” hoy ny Filoha Monson, dia “dia hirehitra ao anatintsika izany hazavana izany ka hanazava ny lalana ho an’ny hafa.” Inona no azonao atao mba ho lasa fahazavana lehibe kokoa izay “hamiratra ao anatin’ny tontolo izay mihamaizina hatrany”?

  • Ny Filoha Russell M. Nelson, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka ny lanjan’ny vehivavy sy ny maha-reny. Nampianatra ny Loholona Holland fa “Tsy misy fitiavana eto an-tany ho tonga tahaka ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy noho ny fitiavana tsy misy fitiavan-tena ananan’ny reny feno fanolorantena iray ho an’ny zanany” [pejy 47]. Nampianatra ny Filoha Nelson fa ireo vehivavy niova fo izay mitandrina ny fanekempihavanana nataony dia “hiavaka ao anatin’ny tontolo mihasimba” [pejy 95]. Saintsaino ombam-bavaka ireo lahateny ireo dia mifanakaloza hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana manohana ireo vehivavy amin’ny anjara asa lehibe nomen’Andriamanitra azy ireo.

  • Maro ireo mpandahateny niresaka momba ny tanjaka ao anatin’ny fotoan-tsarotra. Ny Loholona Hugo Montoya ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa ny fitsapana sy ny fakam-panahy dia tonga eo amin’ny olona rehetra, “kanefa manome hery sy fivoarana antsika ihany koa izy ireny rehefa vitantsika ny mandresy azy” [pejy 53]. Vakio ny lahateniny sy ny lahatenin’ny Loholona James B. Martino ao amin’ny Fitopololahy [pejy 58)]; ny Loholona Koichi Aoyagi, izay mpikambana nisaorana tamim-boninahitra tao amin’ny Fitopololahy [pejy 126]; ary Neill F. Marriott, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany [pejy 30]. Mieritrereta fomba azonao hanamafisana orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny fomba ahafahany manampy anao ao anatin’ny fotoan-tsarotra.

  • Pejy 33: Tao anatin’ny lahateniny ny Loholona Larry R. Lawrence ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa “Mampanao fanamby antsika hatrany ny Fanahy mba ho tsara kokoa sy hihanika ambonimbony kokoa. … Raha toa ka manetry tena sy azo ampianarina isika dia hitantana antsika sy hitarika antsika hody izy.” Rehefa avy mamaky ny lahateniny ianao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy mba hahitanao fomba ahafahanao hihatsara sy hiova.

  • Pejy 104: Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, fa “ny manana mandrakariva ny Fanahy miaraka amintsika dia midika hoe mahazo ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika isan’andro.” Eritrereto ireo zavatra azonao atao na tsy hatao intsony mba hananana mandrakariva ny Fanahy miaraka aminao.