2015
Zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-185 an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany
Nôvambra 2015


Zavatra nisongadina nandritra ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isaky ny tapa-taona faha-185 an’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany

“Zanakalahy sy zanakavavin’ny Raintsika any An-danitra ianareo,” hoy ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fivoriana alahady marainan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. “Avy teo anatrehany ianao mba hiaina eto amin’ity tany ity mandritra ny vanimpotoana irery, mba hampiseho ny fitiavana sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy, ary mba hampirehitra ny fahazavanao amin’ny risim-po tokoa mba ho hitan’ny rehetra. Rehefa tapitra izany vanim-potoana eto ambonin’ny tany izany, raha toa ka nanao ny andraikitrao ianao dia ho anao ilay fitahiana be voninahitry ny fiverenana miaina miaraka Aminy mandrakizay” (pejy 88).

Ity fihaonambe ity dia nanamarika ny fahalasan’ny Filoha Boyd K. Packer sy ny Loholona isany L. Tom Perry sy Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo vao tsy ela akory izay: Nanohana mpikambana telo vaovao ao amin’ilay kôlejy ny mpikamban’ny Fiangonana: Ny Loholona isany Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, ary Dale G. Renlund

Zavatra nisongadina hafa:

  • Ireo lahateny nataon’ny Loholona isany M. Russell Ballard, David A. Bednar, ary D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamafy ny antony nananganan’ny Tompo ny Fiangonany, miaraka amin’ny mpaminany sy apôstôly ho fototr’izany, ka hanao ny asa sy hanome hery ho antsika hiverenana any Aminy (jereo ny pejy 24, 128, ary 108).

  • Nanazava ny anjara asa manan-danja ananan’ny vehivavy ireo lahateny nataon’ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Tsy feno ary tsy ho feno ny fanjakan’ Andriamanitra raha tsy misy ireo vehivavy izay manao fanekempihavanana masina, ka mitandrina izany avy eo, ireo vehivavy izay afaka miteny amin’ny hery sy fahefan’ Andriamanitra!” (pejy 96).

  • Nohamafisin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “niaina sy nijaly ny fahafenoan’ny olana rehetra eto ambonin’ny tany ny Mpamonjintsika. … Ary noho izany dia manome hery Azy mba hanampiana antsika ny Sorompanavotany—mba hanome antsika ny tanjaka hitondra ny zavatra rehetra” (pejy 61–62).