2015
Eveka Dean M. Davies
Nôvambra 2015


Eveka Dean M. Davies

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Episkôpà Mpiahy

“Fony aho tanora,” hoy ny eveka Dean M. Davies, “dia nitondra fifaliana ho ahy ny nanana tokotany tsara indrindra teo amin’ny manodidina, ary nianatra lesona manan-danja iray aho: fa ny fanaovana ezaka mihoatra kely fotsiny dia mety hitondra fiovana marina saika amin’ny zavatra rehetra izay ataontsika.” Lasa fitsipika izay mbola hanampy azy tsara amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany vaovao azy ao amin’ny Episkôpà Mpiahy ny fanomezana mihoatra kely.

Efa Mpanolotsaina Faharoa’ny Eveka Gary E. Stevenson, izay notohanana ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 3 oktôbra 2015, ny Eveka Davies.

Teraka tao Salt Lake City, Utah, Etazonia i Dean Myron Davies tamin’ny taona 1951. Iray amin’ny zanaka miisa valo izy. Naneho fankasitrahana an’ireo ray aman-dreny izay tsy hoe nitia sy nanome sakafo ireo zanany fotsiny izy fa nanampy azy ireo koa hankafy ny fitahiana amin’ny asa. Nanambady an’i Darla James izy tamin’ny 1973 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake. Manan-janaka 5 izy ireo ary zafikely 14.

Nianatra lesona iray manan-danja ihany koa ny Eveka Davies rehefa nipetraka tany San Francisco, Californie, Etazonia, tamin’ny 1989. Nandritra ny horohoron-tany iray dia nanatri-maso ny fahasimbana mafy nahazo ireo trano tsy nanana fototra azo antoka izy. “Ny fandinihana ny zava-nitranga tamin’izany andro izany dia manamafy ato an-tsaiko sy ato am-poko fa mila miorina eo ambonin’ny fototra azo antoka isika [dia i Jesoa Kristy izany,] mba hahatohitra am-pahombiazana ireo tafiotra, horohoron-tany, ary atambon’ny fiainana” (“Fototra azo antoka,” Liahona, mey 2013, 9).

Niasa tao amin’ny Fiangonana ny Eveka Davies nanomboka tamin’ny volana jolay 1995. Vao haingana izy no tale mpitantana ny Departemantan’ny Tetikasa Manokana, ka ny andraikiny dia misahana ny asa manokana mahakasika ny tany sy ny trano, ny fandrariana ny endriky ny tempoly ary ny fanorenana ny tempoly.

Talohan’ny niasany tamin’ny Fiangonana dia niasa tao amin’ny High Industries, Inc., ao Lancaster, Pennsylvanie izy, sy tao amin’ny Bechtel Investments, Inc. tao San Francisco, Californie. Nahazo mari-pahaizana licence mikasika ny haifihariana sy fitantanan-karena ho an’ny tantsaha tao amin’ny Brigham Young University izy ary nahavita fiofanana avo lenta ho an’ny mpiandraikitra ambony tao amin’ny Stanford University sy Northwestern University.

Ny Eveka Davies dia efa filohan’ny Misiônan’i Puerto Rico San Juan, mpanolotsain’ny filohan’ny misiôna, filohan’ny tsatòka, mpanolotsain’ny filohan’ny tsatòka, mpitantsoratra mpanatanteraky ny tsatòka, mpanolotsaina avo, tao amin’ny episkôpà maro, ary nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany Uruguay/Paraguay.