2015
Fanolorana fanampiana ho an’ny mpitsoa-ponenana
Nôvambra 2015


Fanolorana fanampiana ho an’ny mpitsoa-ponenana

Manohy manome fanampiana any amin’ireo faritra ahitana olona maro ao anatin’ny toe-javatra mahonena noho ireo olana maro nitranga ny LDS Charities (Sampan-draharahan’ny Fiangonana manao asa fanasoavana), izay sandry enti-miantra an’ny Fiangonana. Ireto misy ohatra telo:

  • Nampifindra monina olona iray tapitrisa nanomboka tamin’ny 2014 ny ady tao Ukraine. Enimpolo isan-jaton’ireo izay nifindra dia zokiolona. Nirotsaka tao amin’ny tetikasa fampandrosoana an’ny Firenena Mikambana ny LDS Charities mba hanambatra ny hery miaraka amin’ireo fikambanana tsy miankina eo an-toerana hikarakarana ireo mahantra sy zokiolona nifindra monina. Ny LDS Charities dia nanolotra fitaovana fidiovana sy fitaovana fanadiovana ary sakafo ampy mandritra ny 3 volana ho an’ny toerana miisa 37 izay hanampy olona miisa 13.000.

  • Nanomboka tamin’ny volana janoary dia mpitsoa-ponenana mihoatra ny 350.000 izay nandositra ny ady an-trano tany Syrie no nitady fialofana tany Eorôpa, isa izay eritreretina ho avo roa heny amin’ny fiafaran’ny taona. Miara-miasa amin’ny fikambanana maneran-tany tsy miankina sy ireo mpitantan-draharahan’ny tanàna eo an-toerana ary ireo sampan-draharahan’ny fitondram-panjakana ny LDS Charities mba hanomezana izay zavatra ilain’ireo mpitsoa-ponenana ary manome fitaovana an’ireo antokom-pivavahana eo an-toerana mba hampiasain’izy ireo amin’ny ezaka ataon’izy ireo.

  • Mandray anjara ao anatin’ny Vaomiera Ambonin’ny Firenena Mikambana misahana ny tetikasa ho an’ny mpitsoa-ponenana ny LDS Charities mba hitondrana fanampiana eo amin’ny fanomezana toeram-ponenana tsara kokoa any amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana manerana an’izao tontolo izao. Nisy mpanao fanaka iraisam-pirenena iray nandrafitra endrika trano iray izay ahazoana tombontsoa kokoa raha oharina amin’ny tranolay. Izany rafitra izany dia ahitana varavarana sy varavarankely ho fanatsarana ny fiarovana ary tafo mafy kokoa izay mandrakotra mba hiarovana ny olona ao anatiny amin’ny toetr’andro. Eo andalam-pahavitana ny fanatambarana trano miisa 333 izay natolotry ny LDS Charities ho an’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana any Kurdistan Irakiana.