Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fiarahabana tonga soa
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2021


Fiarahabana tonga soa

Tonga soa eto amin’ny fihaonambe maneran-tany sy amin’ilay tombontsoa ahafahana mihaino ny feon’ny Tompo.

Ry rahalahy sy anabavy ary namako malala manerana an’izao tontolo izao, manolotra ny arahaba manokana aho, tonga soa amin’ity fihaonambe maneran-tany ity. Tafavory eto isika toy ny fianakaviana lehibe maneran-tany maniry hidera an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjintsika. Misaotra anareo miaraka aminay eto!

Iny taon-dasa iny dia taona iray tena niavaka. Tsy isalasalana fa isika tsirairay dia samy nianatra zavatra izay tsy fantatsika teo aloha. Nisy lesona sasany efa fantatro taloha no lasa voasoratra ato am-poko amin’ny fomba vaovao sy mifono anatra.

Ohatra, fantatro tsara fa mitarika ny raharahan’ny Fiangonany ny Tompo. Hoy Izy, “Hasehoko [anao] fa mahavita ny asako ihany Aho.”1

Matetika izaho sy ireo mpanolotsaiko no nahita tamin’ny masonay manganohano raha iny Izy niditra an-tsehatra tamin’ny toe-javatra farany izay nanahirana rehefa avy nanao izay rehetra azonay natao izahay ka tsy afaka nanao mihoatra intsony. Tena talanjona marina tokoa izahay!

Ankehitriny koa lasa takatro kokoa izay tian’ny Tompo hambara tamin’Izy nilaza hoe “Indro, hohafainganiko amin’ny fotoany ny asako.”2 Ombieny ombieny aho nifaly noho Izy nitarika sy nanatanteraka ny fanafainganana ny asany, eny fa na dia nandritra ny valanaretina maneran-tany aza.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, ny tanjaky ny Fiangonana dia hita ao amin’ny ezaka sy ny fijoroana ho vavolombelona tsy mitsaha-mitombo ananan’ireo mpikambana ao aminy. Ao an-tokantrano no tena tsara hikolokoloana fijoroana ho vavolombelona. Nandritra iny taon-dasa iny, maro taminareo no nampitombo be ny fandalinana filazantsara tany an-tranonareo. Misaotra anareo aho, ary hisaotra anareo ireo zanakareo.

Mitohy ilay tetik’asa goavana fanavaozana ny Tempolin’i Salt Lake. Avy eo amin’ny biraoko aho dia manana toerana eo amin’ny lohalaharana mahatazana ny fivoaran’ny asa eo amin’ny kianjan’ny tempoly.

Sary
Asa fanorenana eo amin’ny kianjan’ny tempoly

Teo am-pandinihako ireo mpiasa nangady nanala ireo fakan-kazo antitra, ireo fantsona sy tariby tonta ary dobon-drano efa manary, dia nieritreritra momba ny ilantsika manaisotra miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy, ireo poti-javatra tranainy eo amin’ny fiainantsika aho.

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia filazantsaran’ny fibebahana.3 Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia manolotra fanasana ny filazantsarany hanohy hiova sy hivoatra ary ho lasa madio kokoa. Filazantsaran’ny fanantenana, sy ny fahasitranana, ary ny fivoarana izany. Araka izany, ny filazantsara dia hafatry ny fifaliana! Mifaly ny fanahintsika isaky ny misy dingana kely mandroso vitantsika.

Anisan’ny fanangonana an’i Isiraely, ary ampahany tena manan-danja, ny asa ampanirahana antsika amin’ny maha vahoaka antsika dia ny ho mendrika sy hanam-piniavana mba hanampy hanomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.

Eo am-pihainoantsika ireo hafatra izay nomanin’ireo mpitarika antsika tsara eto ambany fitarihan’ny Fanahy Masina, dia manasa anareo aho hivavaka mba hamantarana ireo fako izay tokony hesorintsika eo amin’ny fiainantsika mba hahafahantsika ho lasa mendrika kokoa.

Tiako ianareo ry rahalahy sy anabavy malalako isany,ary mijoro ho vavolombelona aho fa ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany malalany dia mahafantatra sy tia anareo tsirairay. Mijoro ho vonona hatrany Izy ireo hanampy anareo amin’ny dingana rehetra mandroso izay ataonareo. Tonga soa eto amin’ny fihaonambe maneran-tany sy amin’ilay tombontsoa ahafahana mihaino ny feon’ny Tompo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.