2014
Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe
Mey 2014


Fanoroam-pejin’ireo Tantara nandritra ny Fihaonambe

Ity lisitra manaraka ity izay ahitana ireo zavatra niainana nofantenina avy tao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana dia azo ampiasaina amin’ny fandalinan’ny tena manokana sy ny takarivan’ny mpianakavy ary amin’ny fampianarana hafa. Ny tarehimarika hita eto dia maneho ny pejy voalohan’ilay lahateny.

Mpandahateny

Tantara

Neil L. Andersen

(18) Niaro ny fanambadiana nentim-paharazana dia ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, ny Ravintsara iray na dia nalaim-baraka sy nompaina aza.

M. Russell Ballard

(78) “Nanohy ny fandraisana andraikitra” tamin’i Barbara Bowen izay nifankafantatra taminy nandritra ny fandihizana tany amin’ny oniversite i M. Russell Ballard. Nanomboka nampiaraka taminy izy ary nanambady azy taty aoriana. Nanasa ny namany sy ny fianakavian’ny namany hamonjy varavarana misokatra nokarakarain’ny paroasy tao Buenos Aires ny zazalahy iray valo taona.

David A. Bednar

(87) Nahazo hery nitarika azy hivoaka avy tao anaty ranomandry ny fiara tsy mataho-dalana iray rehefa avy nofenoina kitay mavesatra tao anatiny.

Linda K. Burton

(122) Mifikitra amin’ny fanajana ny fanekempihavanana nataony ny zatovovavy iray ao Philippines. Nampianatra ireo misiônera ny rahavavy Japôney iray izay nitsidika an’i Kôre.

Quentin L. Cook

(44) Nanoratra taratasy ho an’ny vadiny mikasika ny “lohahevitra iray feno voninahitra” momba ny batisan’ny maty i Vilate Kimball, araka izay nambaran’i Joseph Smith.

Henry B. Eyring

(22) Nifindra monina tany Amerika i Heinrich Eyring, niditra ho mpikamban’ny Fiangonana, namita iraka telo tamim-pahatokiana, ary namela lovam-panantenana ho an’ny fianakaviany.

(62) Nanefy ny fiainan’i Henry B. Eyring ireo olona noraisiny ho mahery fo nandritra ny fahazazany: ny rainy, ny mpitarika azy tao amin’ny Fisoronana Aharôna, ny miaramila iray tao amin’ny tafika an-dranomasin’i Etazonia, ary i Joe DiMaggio izay mpilalao baseball.

(125) Mbola naneho fitiavana sy fiahiana ho an’i Kathy Johnson (ilay ho lasa vadin’i Henry B. Eyring) ihany i Ruby Haight, efapolo taona taorian’ny niantsoana azy hampianatra an’i Kathy.

Donald L. Hallstrom

(53) Na dia teo aza ny kilema ara-batana izay tsy nahafahan’ny lehilahy iray mahatoky ao Inde nanao zavatra betsaka dia nanao asa fitoriana izy ary niomana niaraka tamin’ny fianakaviany mba hofehezina tao amin’ny Tempolin’i Hong Kong Chine.

Jeffrey R. Holland

(6) Nandeha tsy nilaza na inona na inona tamin’ny lehilahy iray izay niteny ratsy taminy sy nitoraka azy ireo tamin’ny sakafo ary niezaka namely ny iray tamin’izy ireo ny rahavavy misiônera roa.

Thomas S. Monson

(66) Nivavaka isan-kalina ny miaramila tantsambo iray izay 18 taona na dia nandrabiraby azy aza ireo hafa tao amin’ny vondron-tafika nisy azy. Nijoro ho vavolombelona nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny zatovolahy iray kanefa taoriana kelin’izay dia nisy nahita nifoka sigara.

(91) Lasa mpinamana nandritra ny fiainany manontolo ny vehivavy anankiroa taorian’ny nanampian’ny anankiray ilay iray hafa hianatra ny asany tamin’ny naha-mpanjaitra azy tao amin’ny orinasa iray mpanao akanjo. Tsy nitaraina ireo mpandeha tamin’ny sidina iray rehefa navily lalana mba haka zazalahy iray naratra ny fiaramanidina nitondra azy ireo, ka nitondra ilay zazalahy tany amin’ny hôpitaly. Nanenina noho ny tsy namelany ny mpifanolobodirindrina taminy hanivaka teo amin’ny taniny ny vehivavy iray.

Russell M. Nelson

(29) Naneho herim-po sy finoana i Emily zanakavavin’i Russell M. Nelson rehefa teo am-bavahaon’ny fahafatesana noho ny homamiadana.

Bonnie L. Oscarson

(119) Nahafantatra ny fifaliana azo avy amin’ny fanompoana ny hafa ny zazavavy kely iray rehefa nikarakara vehivavy iray tratran’ny aretina sclérose en plaques izy sy ny reniny. Nantsoina mba ho mpanolotsaina ny Farimbona tao amin’ny paroasy ny vehivavy iray 81 taona mba hizara ny fahendreny sy ny traikefany ary ny ohatra avy aminy.

Boyd K. Packer

(94) Naharay fanamafisana avy amin’ny Fanahy ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara i Boyd K. Packer rehefa nivavaka tao anaty toeram-piafenana iray nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

Ronald A. Rasband

(9) Nianjadian’ny tafio-drivotra mahery ny zazavavy kely iray tao amin’ny kilasy fahadimy ka narovan’ny anjely.

Linda S. Reeves

(15) Nampianatra ny zanany vavy mikasika ny fomba hahazoana fanampiana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy i Linda S. Reeves taorian’ny nahitan’ny zanany vavy sary nanelingelina tao amin’ny fahitalavitra.

Randall L. Ridd

(56) Nanapa-kevitra ny handeha hanao asa fitoriana ny zatovolahy iray toy izay hanambady rehefa nahita topimaso momba ny hoe iza izy tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana.

Richard G. Scott

(32) Nanampy an’i Richard G. Scott tamin’ny fivoarany ara-panahy ny fitiavana sy ny ohatra nasehon’ny renibeny sy ilay ho vadiny.

Jean A. Stevens

(81) Notaomim-panahy i Jean A. Stevens mba hitondra tamin’ny fiarany ny tovolahy iray tsy nahatratra ny fiara fitaterana hodiany avy any an-tsekoly. Nifikitra mafy tamin’ny filazantsara ny fianakaviana Gatrell rehefa nahitana homamiadana mahery vaika tao amin-drahalahy Gatrell.

Gary E. Stevenson

(84) Nahazo medaly volafotsy tamin’ny lalao skeleton i Noelle Pikus-Pace izay mpilalao ôlimpika Olomasin’ny Andro Farany taorian’ny fanazaran-tena sy fiomanana nandritra ny taona maro. Naneho fitiavana tahaka ny an’i Kristy i Torah Bright izay mpilalao ôlimpika Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny alalan’ny famihinany mpifaninana iray natahotra mafy tamin’ny lalao half-pipe.

Michael John U. Teh

(106) Nifikitra tamin’ny filazantsara ny vehivavy iray avy any Philippines izay 73 taona taorian’ny nahafatesan’ny fianakaviany tamin’ny horohoron-tany sy rivo-mahery.

William R. Walker

(97) Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana i Robert sy Maria Harris ary nifikitra sy nijanona ho mahatoky tamin’ny filazantsara na dia teo aza ny zava-tsarotra sy ny fisarahana.

Claudio D. Zivic

(39) Nandeha tamin’ny lalana diso noho ny fanarahana olona iray hafa mpihanika tendrombohitra i Claudio D. Zivic.

W. Craig Zwick

(41) Nifaneho fitiavana i W. Craig Zwick sy ny vadiny taorian’ny nitsambikinan-dramatoa niaraka tamin’ny zanakalahin’izy ireo niala ilay efitra feno setroka tao anatin’ny fiara vaventin’izy ireo.