2014
Nampivelatra ny Fahafahana Manaraka Maneran-tany ny Fihaonamben’ny Fiangonana ny Teknôlôjia sy ny Tranonkala Ahafahan’ny Daholobe Mifanerasera
Mey 2014


Nampivelatra ny Fahafahana Manaraka Maneran-tany ny Fihaonamben’ny Fiangonana ny Teknôlôjia sy ny Tranonkala Ahafahan’ny Daholobe Mifanerasera

Ankoatra ireo olona 100.000 mahery nanatrika nandritra ireo fivoriana dimin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany Fanao Isan-taona faha-184 tao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe tany Salt Lake City, Utah, Etazonia, dia olona an-tapitrisany maro hafa no nijery na nihaino ireo fivoriana ireo tamin’ny fiteny miisa 95 tamin’ny alalan’ny fampitana natao tamin’ny fahitalavitra, onjam-peo, zanabolana ary Internet.

Raha olona 21.000 no afaka mipetraka ao amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe any Salt Lake City, dia hita ary miha-mitombo isa manerana izao tontolo tontolo izao ny mpanaraka ny fihaonamben’ny Fiangonana rehefa mandray anjara amin’izany koa ireo mpikamban’ny Fiangonana sy olona hafa an-tapitrisany maro. Tao anatin’ny 50 taona mahery izay dia nandika ny fizotran’ny fotoana tamin’ny fiteny maro dia maro ny Fiangonana. Firenena mihoatra ny 200 amin’izao fotoana izao no manana fahafahana hanaraka mivantana ny fihaonambe noho ny teknôlôjia.

Ankoatra ny fampitana atao any amin’ireo trano fiangonana any amin’ny faritra samihafa dia mandefa mivantana ny fihaonambe amin’ny alalan’ny LDS.org, BYUtv, BYUtv International, Mormon Channel, Roku, sy Facebook ary YouTube ny Fiangonana. Nitombo teo amin’ny 30 isan-jato teo raha oharina tamin’ny fihaonambe teo aloha ny mpijery fihaonambe en ligne nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana Ôktôbra 2013.

Maro koa ireo olona nijery ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny tranonkala ahafahan’ny daholobe mifanerasera. Hafatra maro azo tamin’ny alalan’ny #ldsconf hashtag no hita tao amin’ny Twitter nandritra ny fivoriana tsirairain’ny fihaonambe izay niisa dimy ka nahatonga ny fihaonamben’ny Fiangonana ho anisan’ny lohahevitra noresahina be indrindra tao amin’ny Twitter tao anatin’ireo fotoana ireo. Ohatra, nandritra ny Ôktôbra 2013 dia hafatra miisa 155.000 mikasika ny fihaonamben’ny Fiangonana no hita tao amin’ny Twitter. (Ny hafatra iray antsoina hoe tweet dia fanamarihana ataon’ny olona iray manokana ka tsy tokony hihoatra ny taherintsoratra miisa140 ny zavatra soratana ao.)

Nametraka hafatra mivantana avy amin’ny fihaonambe tamin’ny fiteny maro ny Fiangonana tamin’ny alalan’ireo fampitam-baovao ôfisialy ifaneraserana amin’ny daholobe ka namporisika ny hafa hizara ireo hafatra ireo izany. Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Ôktôbra 2013 dia olona maro kokoa indray no nijery sy nihaino ireo hafatra nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana rehefa nahita hafatra kely iray nipetaka tao amin’ireo tranonkala ifaneraserana amin’ny daholobe. Nozaraina tamin’ny teny Anglisy sy Espaniôla ary Pôrtogey ireo hafatra kely napetaka ireo.