2014
Fanasana ireo Mpahaikanto mba Handray Anjara ao Anatin’ny Fifaninanana Iray
Mey 2014


Fanasana ireo Mpahaikanto mba Handray Anjara ao Anatin’ny Fifaninanana Iray

Ny Tranom-bakoka mirakitra ny Tantaran’ny Fiangonana dia manasa ireo Olomasin’ny Andro Farany izay mpahaikanto mba hamorona sangan’asa vaovao ho an’ny Fifaninanana Maneran-tany Ara-javakanto andiany faha-10. Entanina ireo mpahaikanto mba hampiasa ny talentany ka hamorona zavakanto iray izay maneho ilay lohahevitry ny fampirantiana hoe: “Mba lazao ahy ny tantaran’i Jesoa.” Ao anatin’ity fifaninanana miavaka ity dia ireo tantara avy ao anatin’ny Testamenta Vaovao ihany no tokony ifantohan’ny asa.

Hita ao amin’ny lds.org/artcomp ny antsipiriany mikasika izany sy ny fisoratana anarana en ligne ary hahazo izay fampahalalana tokony ho fantatra ireo mpahaikanto nisoratra anarana. Manomboka amin’ny 3 Nôvambra 2014 ka hatramin’ny 27 Febroary 2015 ny fandraisana ireo sangan’asan’ny mpandray anjara. Raisina an-tanan-droa daholo rehefa mety ho fitaovana sy fiangaly ary kolontsaina entina hanehoana zavakanto. Tsy maintsy 18 taona no ho miakatra ny mpandray anjara. Hotsaraina ireo sangan’asan’ny mpandray anjara ary ny sangan’asa voafidy dia haranty ao amin’ny Tranom-bakoka mirakitra ny Tantaran’ny Fiangonana sy ao amin’ny Internet manomboka ny volana Ôktôbra 2015.