2014
Hisy Horonan-tsary Vaovao izay Hiompana amin’ny hoe Fantaro ny Môrmôna
Mey 2014


Hisy horonan-tsary vaovao izay hiompana amin’ny hoe Fantaro ny Môrmôna

Moa ve ianao indraindray maniry ny mba hisian’ny fomba tsotra hampahafantarana ny hafa fa ny Olomasin’ny Andro Farany dia toy ny olon-tsotra ihany izay manana ny tanjona hotratrariny sy ny lalana tokony halehany noho ny fampifotorany ny fiainany amin’i Jesoa Kristy? Hitondra fanampiana ho anao mba hanatanterahana izany ny horonan-tsary fanadihadiana iray izay havoakan’ny Fiangonana atsy ho atsy.

Ilay horonan-tsary hoe Fantaro ny Môrmôna dia manomboka amin’ny fijerena tsy amim-pahatezerana ny hevi-diso ao an-tsain’ny hafa mikasika ny mpikamban’ny Fiangonana. Dia mampahafantatra fianakaviana enina izany avy eo, izay samy mizara ireo zavatra niainany manokana sy milaza ny fomba hanampian’ny filazantsara azy ireo eo amin’ny fiainany. Hita ao anatin’izany horonan-tsary izany ireto:

Ilay Eveka. Manao asa mba hisian’ny firaisan-kina ao anatin’ny fiaraha-monina iray ahitana olona manana fiaviana samihafa i Jermaine Sullivan sy i Kembe vadiny, izay avy any Atlanta, Georgia, Etazonia sady mitaiza ny zanany kely telo lahy.

Ilay Mpanazatra. Mitandrina ny andro Sabata ho masina i Ken Niumatalolo izay tale mpanazatra ny ekipa mpilalao baolina ao amin’ny U.S. Naval Academy any Annapolis, Maryland, Etazonia ary i Barbara vadiny miaraka amin’ny fanohananan’ny zanany sy ireo mpiara-miasa misahana ny fanazarana.

Ilay Mpamafy Vatomamy. Mampahatsiahy ny ankizy mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa fanompoana i Gail Halvorsen, 93 taona, izay miaramila menavazana nandray anjara tamin’ny Ady Lehibe faha II sy i Lorraine vadiny, 90 taona, avy any Amado, Arizona, Etazonia. Noho izy mbola mpanamory fiaramanidina dia mandrotsaka vatomamy avy eny ambonin’ny fiaramanidina Rahalahy Halvorsen, toy ny nataony nandritra ny fandatsahana vatsy tamin’ny alalan’ny fiaramanidina tany Berlin taorian’ny ady.

Ilay Mpiatrika Ady. Manao izay handanjalanjana tsara ilay anjara asany amin’ny maha-vady sy ray aman-dreny azy ireo sy ny fitiavany fifaninana i Carolina Marin, izay mpanao kickboxing avy any San José, Costa Rica, sy i Milton izay vadiny sady mpanazatra azy.

Ilay Mpanao Asa Soa. Manome voninahitra ny finoana sy lova avy amin’ny tanindrazany i Bishnu sy Mangala Adhikari, avy any Kathmandu, Népal. Rahalahy Adhikari dia injeniera izay nanorina lalana, sekoly ary nanatanteraka tetikasa hananana rano fisotro madio izay nitondra soa ho an’ny tanàna kely maro.

Ilay Renin’ny Misiônera iray. I Craig sy Dawn Armstrong ary ny zanak’izy ireo lahy Anthony, avy any Salt Lake City, Utah, Etazonia, dia mitantara mikasika ny Rahavavy Armstrong izay reny mananotena tsy nanan-kialofana tamin’ny fotoana nihaonany tamin’ireo misiônera. Nanampy azy hanova ny fiainany ny filazantsara nozarain’izy ireo taminy. Nanambady an’i Craig izy taty aoriana ary nifandray tamin’ny toe-javatra nisy tany aloha ny tantara rehefa nandeha nanao asa fanompoana nandritra ny fotoana feno tany Afrika Atsimo i Anthony mba hizara ny filazantsara izay tena nitondra fitahiana tokoa ho an-dreniny.

Ny horonan-tsary Fantaro ny Môrmôna dia haseho ao amin’ny Joseph Smith Memorial Building ao Salt Lake City, Utah, Etazonia, ary any amin’ny toerana hafa izay mbola hofaritana ihany.