2014
Miresaka momba ny asa Fanompoana sy ny Finoana ireo Tranonkala
Mey 2014


Miresaka momba ny asa Fanompoana sy ny Finoana ireo Tranonkala

Manao asa fanompoana ny Olomasin’ny Andro Farany ary mizara ny finoany manerana an’izao tontolo izao. Ny tatitra mikasika ny asa natao toy izany dia miseho ao amin’ireo tranonkala ahitana vaovaon’ny firenena izay voafintina tsy tapaka ao amin’ny newsroom.lds.org, loharano ôfisialin’ny Fiangonana mizara fampahalalam-baovao sy ny hevitr’ireo olona misolo tena ny fiaraha-monina ary zavatra mahakasika ny daholobe.

Tany amin’ny faritra Pasifika dia nanome rano, sakafo, milina mpanapatapaka zavatra, fanatantavanana rano ary groupes électrogènes sy ireo kojakoja hafa ilaina amin’ny voina tampoka mba hanampiana ireo olona tany Tonga taorian’ny fandravaravana nataon’ilay Cyclone Tropicale Ian ny Olomasin’ny Andro Farany. Ireo zatovo Olomasin’ny Andro Farany tany Samoa dia nandray anjara tao anatin’ny hetsika niombonan’ny karazam-pinoana samihafa izay naharitra roa andro ka nahitana fampaherezana ara-panahy, filalaovana mozika sy dihy ary fanatanjahan-tena izany.

Ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Brésil izay nanao ny ambonin’akanjo Môrmôna Manome Tanana dia nanampy tamin’ny fanadiovana sy fizarana kojakoja ilaina taorian’ny nanimban’ny tondra-drano iray ny toeram-ponenana sy toeram-piasana teo an-toerana ka maro no tsy nanan-kialofana noho izany. Tany amin’ny toeran-kafa dia nanampy tamin’ny fizarana zavatra ny mpikambana rehefa nanao fanomezana seza misy kodiarana miisa 211 ho an’ny olona tsirairay izay mila fanampiana manokana ny Sampan-draharahan’ny Fiangonana Misahana ny Fanampiana Olona. Tafakatra hatrany amin’ny 700 ankehitriny ny isan’ny seza nomena ao anatin’izany fanoloran-javatra any Brésil izany izay mbola mitohy hatramin’izao.

Tany Afrika dia fikambanana nasiônaly sy iraisam-pirenena no nampiray ny heriny niaraka tamin’ny LDS Charities, izay Fikambanana iray mpanampy olona an’ny Fiangonana tao anatin’ilay laminasa nasiônaly voalohany tany Ghana hamongorana ny kitrotro sy ny bonibony amin’ny alalan’ny fanaovana vakisiny ny ankizy manomboka any amin’ny zazakely ka hatrany amin’ny zatovo 14 taona. Tany Nigéria sy Ghana dia olona anarivony maro no nahazo tombontsoa tao anatin’ny tanàna miisa 100 rehefa nifanome tanana nandritra ny andron’ny Fanomezan-tanana ireo Olomasin’ny Andro Farany tao anatin’ny sokajin-taona rehetra mba hanamboatra tetezana, sy hamboly hazo sy hanala ahi-dratsy ary handoko trano sy hanadio ary hanatsara ny manodidina. Tany Zimbabwe dia zatovo Olomasin’ny Andro Farany mihoatra ny 60 no nanolotra ra maimaim-poana. Ary tany Afrika Atsimo dia voafidy ho lehiben’ny tanànan’i Queenstown, izay tanàna ahitana mponina miisa 200.000 ilay Olomasin’ny Andro Farany, Nozibele Makanda, izay reny manan-janaka enina.

Tany Amerika Afovoany dia zatovo Olomasin’ny Andro Farany miisa 500 tany Guatemala no niasa niaraka tamin’ny fitondram-panjakana teo an-toerana mba hamboly hazo miisa 1.944. Tany Costa Rica dia lasa toerana fanangonana ronono ireo trano fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany ka mpilatsaka an-tsitrapo miisa 370 avy amin’ny Fiangonana no nanampy tamin’ny fanaterana izany tany amin’ireo tranom-pivarotana izay nandray anjara tao anatin’ny hetsika iray mba hanomezana zavatra ho an’ireo izay sahirana.

Ary tany Kanada dia niara-niasa tamin’ny Christian-Jewish Dialogue of Montreal (Québec) ireo Olomasin’ny Andro Farany mba hanomana horonan-tsary mifono resadresaka talohan’ny firesahan’ny fitondram-panjakana momba ny soatoavina. Ireo izay nandray fitenenana dia nanohana ny fenitra tokony hisy eo amin’ny fiaraha-monina dia ny fanehoana fanajana, fahatakarana miaro fangorahana, fandeferana ary fahalalahana ara-pivavahana ka nanindry mafy izy ireo fa mbola manan-danja eo amin’ny fiainan’ny mponina maro ao Québec ny fivavahana.

Jereo ny mormonnewsroom.org/newsroom-country-sites raha hitady ny lisitry ny tranonkalan’ny vaovaon’ny firenena maneran-tany amin’ny fiteny maro.