2014
John S. Tanner
Mey 2014


John S. Tanner

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady Maneran-tany

Sary
John S. Tanner

Nahita fifaliana tao anatin’ny fianarana i John Sears Tanner hatrany amin’ny fahazazany.

Nanaraka azy tao anatin’ny fianarany sy ny asa ary tao anatin’ireo fahafahana maro nitoriana ny filazantsara izany fientanentanana izany: voalohany tamin’izy misiônera tany amin’ny Misionan’i Brésil Atsimo ary avy eo tamin’izy eveka, filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina avo, mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara, sy filohan’ny Misionan’i São Paulo Atsimo Brésil (izay hifarana amin’ity fotoam-pahavaratra ity), ary amin’izy izao lasa mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany izao.

“Rehefa mandeha araka ny tokony ho izy ny [fampianarana] dia eo ny Fanahy Masina ary mahatsapa ilay fientanentanana ao anatin’ny fianarana ianao. Mahatsapa ho toy ny eo amin’ny faritra masina izany ianao,” hoy ny Filoha Tanner.

Naterak’i William Coats Tanner Jr. sy Athelia Sears Tanner tamin’ny 27 Jolay 1950 tany Salt Lake City, Utah ny Filoha Tanner. Lehibe tany South Pasadena, Californie, Etazonia ny Filoha Tanner ary fahadimy tamin’ireo zanaky ny ray aman-dreniny miisa 13. Nanamboatra tontolo ahitana fahafahana mianatra zavatra maro tao an-tokantrano ny ray aman-dreniny ka tafiditra tao anatin’izany ny lohahevitra momba ny filazantsara. “Tsy tsaroako hoe tsy nisy zavatra nianarako tany am-piangonana izay tsy efa nianarako tany an-trano,” hoy izy. Lasa tia haisoratra koa izy izay nihanivelatra rehefa nianatra mba hahazoana mari-pahaizana momba ny teny Anglisy tao amin’ny Brigham Young University ary avy eo nahazo doctorat momba ny teny Anglisy tao amin’ny University of California, Berkeley.

Nihaona tamin’i Susan Winder izy fony tao BYU. Lasa mpinamana akaiky izy ireo ary taty aoriana dia lasa nifankatia. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 1974. Nahalehibe zanaka miisa dimy izy ireo.

Nanomboka niasa tany amin’ny oniversite ny Filoha Tanner ka prôfesora mpanampy tany Florida State University izy tamin’izany. Lasa mpikambana tao amin’ny sekoly ambony tao BYU izy tamin’ny 1982. Nanomboka tamin’izay dia niasa toy ny prôfesora mpanampy sy prôfesora miara-miasa amin’ny hafa ary prôfesora tompon-draharaha mampianatra ny taranja Anglisy izy, ary lasa filohan’ny departemanta sy filoha lefitry ny mpampianatra tany amin’ny oniversite.

Ny ampahany manan-danja indrindra ao anatin’ny fampianarana ny filazantsara hoy izy dia avy amin’ny zavatra nianarany tany am-piandohan’ny asa aman-draharahany: ny fampianarana dia tsy miseho ao amin’ny toerana misy tahotra na faniriana fa ao amin’ny toerana misy fitiavana—misy fiantrana, ilay fitiavana madion’i Kristy.