2014
Devin G. Durrant
Mey 2014


Devin G. Durrant

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ ny Fiadidian’ ny Sekoly Alahady Maneran-tany

Sary
Devin G. Durrant

Rehefa voantso mba ho mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany i Devin G. Durrant dia mety nisy mpikamban’ny Fiangonana maro nahatsiaro ireo fotoana nampamiratra azy tamin’izy tao anatin’ny ekipa mpilalao basketball tao Brigham Young University.

Mazava ho azy fa nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny Filoha Durrant ny fanatanjahan-tena. Nisy fotoana aza izy nandray anjara tao amin’ny NBA ka nifanandrina tamin’ireo mpilalao fanta-daza tany Etazonia. Saingy manana ny maha-izy azy koa izy ankoatra ny maha-mpanao fanatanjahan-tena malaza azy: misiônera tany Madrid, Espagne, vady, raim-pianakaviana, raibe, mpanoratra, mpandraharaha, mpikambana mahatoky ary filohan’ny Misionan’i Dallas Texas tao anatin’ny roa taona sy tapany lasa izay.

Ny Filoha Durrant izay teraka tamin’ny 20 Ôktôbra 1960 tany Brigham City, Utah dia nilaza fa ny tokantrano niainany nandritra ny fahazazany dia nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fanomanana azy tamin’ireo anjara asa tsirairay avy hosahaniny eo amin’ny fiainana. Mpampianatra mahay i George sy Marilyn Durrant ray aman-dreniny.

“Marina fa nampianatra tamin’ny alalan’ny teniny tokoa izy ireo—kanefa ireo fampianarana lehibe noraisiko tao an-tokantrano dia tamin’ny alalan’ny fijerena azy ireo miaina ny fiainany.”

Fantatry ny Filoha Durrant sy Julie Mink Durrant vadiny tsara ny maha-zava-dehibe ny fananana mpampianatra matanjaka eo amin’ny fanomanana misiônera hanompo amin’ny ho avy.

“[Ireo misiônera hanompo amin’ny ho avy] dia mahazo fampianarana tsara avy amin’ny ray aman-dreniny any an-tokantrano sy avy amin’ny mpampianatra azy ireo any am-piangonana ary avy amin’ireo fandaharam-pianarana tena tsara ao amin’ny seminera sy institiota.”

Ny fandaharam-pianaran’ny Sekoly Alahady hoy izy nanampy dia manome fahafahana ny mpampianatra sy mpianatra avy amin’ny sokajin-taona rehetra “mba hampianatra araka ny fomban’ny Tompo.”

Nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake ny Filoha Durrant sy Rahavavy Durrant tamin’ny 23 Aprily 1983 ary manan-janaka enina sy zafikely enina.

Talohan’ny niantsoana azy ho filohan’ny misiona dia efa eveka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, ary mpikambana tao amin’ny fiadidian’ny Sekoly Alahady teo anivon’ny tsatòka sy mpampianatra tao amin’ny institiota izy.

Nahazo mari-pahaizana licence mikasika ny Études Américaines tao amin’ny Brigham Young University izy ary nahazo MBA tao amin’ny University of Utah. Tompon’ny orinasa iray mampiasa vola amin’ny fivarotana trano aman-tany izy.