2014
Tokony Hanaraka ny Ohatra Nasehon’i Kristy ny Fampianarana Atao ato amin’ny Fiangonana
Mey 2014


Tokony Hanaraka ny Ohatra Nasehon’i Kristy ny Fampianarana Atao ato amin’ny Fiangonana

“Miezaka ny manaraka ny dian-tongotra navelan’ny Mpamonjy eo amin’ny lafin’ny fampianarana isika,” hoy ny filoha vaovaon’ny Sekoly Alahady maneran-tany, Tad R. Callister, taorian’ny fihaonamben’ny Fiangonana.

Izany dia midika hoe mametraka fanontaniana mari-pototra tsara izay manampy ny olona ho lasa hiova fo, hoy izy. Ny tanjona dia “ny hanampy azy ireo hahatakatra sy hahatsapa ny Fanahin’ny Filazantsara eo amin’ny fiainany.”

Nilaza izy fa mahavariana azy tokoa ny Viens, et Suis-moi, izay fandaharam-pianarana en ligne ho an’ny zatovo ka ahitana ireo lahateny faramparany natao nandritra ny fihaonambe ary koa zavatra hafa novokarin’ny Fiangonana. Nisolo toerana ny fampianarana zaraina fotsiny ny fandraisana anjara, hoy izy, ary “hita ny fanovana tanteraka ny fampianarana lesona tsotra fotsiny ho lasa fiezahana hampifanaraka izany amin’izay zavatra ilain’ny mpianatra ao anatin’ny kilasy.”

Nanampy izy hoe, ny Viens, et Suis-moi dia manampy amin’ny fitondrana fiovam-po fa tsy hoe mampita fampahalalana tsotra fotsiny. “Araka ny eritreritro dia hanangana taranaka zatovo izay ho mpampianatra faran’izay mahay eto amin’izao tontolo izao isika, ray aman-dreny faran’izay tsara eto amin’izao tontolo izao,” hoy izy, “satria izao izy zatovo izao dia efa manana izany traikefa izany fa tsy mila miandry hoe rehefa lehibe izy ireo … vao hahita hoe manao ahoana izany fampianarana sy fahatakaran-javatra amin’ny fomba mahomby izany.”

I Jesoa Kristy no Mpampianatra Lehibe hoy Rahalahy Callister ary ny fampianarana zaraintsika ao am-piangonana dia tokony hitondra olona hanatona an’i Kristy. Tao anatin’ny fanamafisany ny filana ny fampianarana ny fotopampianarana amin’ny fomba mazava sy voafintina tsara dia nilaza izy hoe: “isaky ny miezaka ny manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika dia manao izay zavatra tiany hataontsika.”