2014
Loholona Larry S. Kacher
Mey 2014


Loholona Larry S. Kacher

Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Loholona Larry S. Kacher

Taorian’ireo bitsika maro azony nandritra ireo taona naha-tanora mpitovo azy dia nanomboka nahatsapa hery lehibe kokoa nitarika azy teo amin’ny fiainany ny Loholona Larry S. Kacher. Rehefa feno 19 taona izy dia nitarika azy tany amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ilay fahatsapany ny Fanahy— toe-javatra izay nitondra fiovana be dia be.

Teraka tamin’ny 12 Febroary 1952 izy. Lahiaivon’ny zanaka dimy naterak’i Albert sy Elaine Kacher. Lehibe tao Bloomington, Minnesota, Etazonia izy.

Taorian’ny fianarany tany amin’ny lycée dia nandeha tany Eorôpa izy mba hanao ski ary enim-bolana mahery taty aoriana dia nahatsapa izy fa mila mody. Rehefa tafody izy dia nahatsapa fa mila mandeha any amin’ny toerana iray saingy tsy fantany hoe aiza. Nisy namany iray nandritra ny fahazazany nifindra tany Utah ka dia nanapa-kevitra ny hifindra hiaraka aminy koa ny Loholona Kacher. Niditra nianatra tao amin’ny Brigham Young University ny Loholona Kacher rehefa tany Utah ary nianatra momba ny Fiangonana ka dia natao batisa.

“Rehefa nampianatra anay ireo misiônera dia tsapako fa marina ilay izy,” hoy izy. “Rehefa nivavaka aho dia nahatsapa fa marina ny Fiangonana.”

Nanapa-kevitra ny handeha hanao asa fitoriana izy ary voantso hanompo tany amin’ny Misionan’i Papeete Tahiti tamin’ny 1973. Rehefa nody izy dia niverina nianatra tao BYU ka nifanena tamin’i Pauline Miller tao. Nivady tany amin’ny Tempolin’i Manti Utah izy ireo tamin’ny 29 Ôktôbra 1976 ary manan-janaka enina sy zafikely 11.

Nahazo mari-pahaizana licence momba ny psychologie ary mari-pahaizana maîtrise momba ny fandalinana ny toetra sy fihetsiky ny olona ao anatin’ny toe-javatra iray ny Loholona Kacher—samy tao BYU no nahazoany izany. Ny asa aman-draharaha nosahaniny dia mikasika ny fanoroana hevitra an’ireo orinasa teo amin’ny firenena sy orinasa iraisam-pirenena.

Talohan’ny nanohanana azy ho mpikambana ao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy, ny Loholona Kacher dia efa filohan’ny sampana, filohan’ny kôlejin’ny loholona, eveka, ary mpanolotsain’ny filohan’ny tsatòka. Niahy ny Misionan’i Genève Suisse izy tamin’ny taona 2000 ka hatrany amin’ny taona 2003. Taona vitsy taorian’ny niverenany avy any Suisse dia lasa niasa tany Abu Dhabi, Emirats Arabes Unis izy ka tany no nahazoany ilay antso mba ho Fitololahin’ny Vondrom-paritra voalohany tany Moyen-Orient.