2014
Tad R. Callister
Mey 2014


Tad R. Callister

Filohan’ny Sekoly Alahady Maneran-tany

Sary
Tad R. Callister

Am-polo taonany maro talohan’ny nahazoany ilay antsony vao haingana mba ho filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany dia nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fiainan’i Tad R. Callister ny Sekoly Alahady.

Fony Rahalahy Callister filohan’ny Sekoly Alahady tao amin’ny paroasy iray tao Brigham Young University dia nifankahalala tamin’i Kathryn L. Saporiti izay ho vadiny izy ka nanambady azy tamin’ny 20 Desambra 1968 tany amin’ny tempolin’i Los Angeles.

Manan-janaka roa vavy sy efa-dahy izy ireo. Manana zafikely miisa 24 koa izy ireo. “Maro ireo zavatra tsara miseho rehefa filohan’ny Sekoly Alahady ianao,” hoy ny Filoha Callister.

Naterak’i Reed Eddington sy Norinne Callister tamin’ny 17 Desambra 1945 izy. Nambarany fa izy dia—tahaka an’i Nefia—nateraka “ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo.”

“Ny raiko no evekako rehefa nihalehibe aho,” hoy Rahalahy Callister. “Mahazatra azy ny mitondra miaraka aminy karatra kely vitsivitsy ary dia mianatra tsianjery voambolana sy soratra masina ary ny asa soratr’i Shakespeare.”

Niasa teo amin’ny sehatry ny lalàna toa an-drainy Rahalahy Callister. Rehefa avy nahazo mari-pahaizana momba haitoebola tao amin’ny Brigham Young University izy dia nianatra momba ny lalàna tany amin’ny University of California, Los Angeles ary nahazo mari-pahaizana maîtrise mikasika ny lalàna momba ny hetra tao New York University. Niasa toy ny mpisolo vava tao amin’ny orinasa Callister & Callister izy.

Tamin’ny fotoana nahazoany ilay antsony dia vao nisaorana tamin’ny antsony tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy izy sy tao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy izay antso nomena azy nanomboka tamin’ny 2008.

Talohan’izany dia efa filohan’ny Misionan’i Toronto Atsinanana Kanada izy, Fitopololahin’ny Vondrom-paritra, solontenan’ny faritra, filohan’ny tsatòka, eveka, filohan’ny misiona eo anivon’ny tsatòka, filohan’ny kôlejin’ny loholona, ary fony izy mbola tovolahy dia misiônera tany amin’ny Misionan’ny Faritany tany amin’ireo Faritra Atsinanan’i Atlantika.

Rehefa nanome hevitra mikasika ireo fiovana atsy ho atsy mikasika ireo fandaharam-pianarana ao anatin’ny Sekoly Alahady ho an’ny olon-dehibe ny Rahalahy Callister dia nilaza hoe: “Manan-danja mazava ho azy ilay fandaharam-pianarana saingy tsy manan-danja mihoatra noho ny fomba fampianaran’ny olona izany. Ny zavatra manan-danja indrindra dia ny hampianarantsika araka ny fomban’ny Mpamonjy sy hampianarantsika amin’ny alalan’ny Fanahy ary ny hampianarantsika mba hitondra fiovam-po.”