2014
Mihamivelatra Maneran-tany ny Fahafahana Manaraka ny Mormon Channel
Mey 2014


Mitombo ny Mpanaraka ny Mormon Channel

Mpihaino sy mpijery an-tapitrisany maro no mankafy ny Mormon Channel, izay alefa amin’ny teny Anglisy sy Espaniôla mandritra ny 24 ora isan’andro ary mandritra ny andro rehetra ao anatin’ny herinandro, avy any amin’ny Temple Square any Salt Lake City, Utah, Etazonia.

Tamin’ny taona lasa no nandefasana io fitaovana ôfisialy fampitam-baovao an’ny Fiangonana io. Olomasin’ny Andro Farany maro no finaritra amin’ny fizarana ny zavatra vokarin’izany amin’ireo mpikambana namana sy olona hafa. Ny zavatra vokarina ao anatiny dia tsy natao hitadiavam-bola, ary ahitana fandaharana telo misy resadresaka sy hira mandeha amin’ny onjam-peo ao anatin’izany ary horonan-tsary fohy mizara hafatra Môrmôna.

Tadiavo ao amin’ny mormonchannel.org ny Mormon Channel ary koa ao amin’ny YouTube, iTunes, Roku, Tumblr, Facebook, ary Twitter. Misy application maimaim-poana koa ho an’ireo mpampiasa iOS sy Android.