2014
Niverina Nisokatra ny Ivontoerana ho an’ny Vahiny ao amin’ny Tempolin’i Mexico City
Mey 2014


Niverina Nisokatra ny Ivontoerana ho an’ny Vahiny ao amin’ny Tempolin’i Mexico City

Ny volana taorian’ny fisokafany indray dia vahiny nihoatra ny 30.000 no nitsidika ny Ivontoerana ho an’ny vahiny ao amin’ny Tempolin’i Mexico City, izay nandalo fanavaozana sy fanitarana nandritra ny roa taona. Ny zavatra rehetra haranty ao amin’izao fotoana izao dia amin’ny teny Espaniôla avokoa ka tafiditra ao anatin’izany ny fitaovana fampahalalan-javatra miavaka izay namboarina manokana ho an’ny mpitsidika Meksikana. Izany ivontoerana navaozina izany koa no ivontoerana voalohany ho an’ny vahiny ahitana toerana fampirantiana anankiray izay namboarina manokana mba hampianarana ny ankizy ireo fitsipiky ny filazantsara.

Io no fahatelo lehibe indrindra amin’ireo ivontoerana ho an’ny vahiny toy izany ary ny ankamaroan’izy ireo dia hita eo akaikin’ny tempoly na eo akaikin’ny toerana manan-tantara an’ny Fiangonana. Misy ivontoerana ho an’ny vahiny aorina koa amin’izao fotoana izao eo akaikin’ilay tempoly aorina ao Rome, Italie ary misy ivontoerana koa any Angleterre, Nouvelle Zélande, Hawai, ary any amin’ny faritany sivy ao amin’ireo faritany 48 ao Etazonia. Ireo ivontoerana ireo izay natao mba handraisana ireo Olomasin’ny Andro Farany mazoto sy malaina ary koa ireo izay avy amin’ny finoana hafa dia tsy hoentina fotsiny mba hampahafantarana ny olona mikasika ny Fiangonana fa mba hanampiana azy ireo koa hahatakatra ny finoana ijoroan’izany ary mba hampitsirina ny faniriana hianatra bebe kokoa momba ny Mpamonjy sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara ao amin’izy ireo. Manolotra hafatra mba hanamafisana orina ny fianakaviana koa izy ireo.

I Mexique dia vatofantsika ao amin’ny Fiangonana izay ahitana mpikambana miisa 1,2 tapitrisa mahery ary tsatòka 200 mahery sy tempoly miisa 12.