2014
Loholona Chi Hong (Sam) Wong
Mey 2014


Loholona Chi Hong (Sam) Wong

Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy

Sary
Loholona Chi Hong (Sam) Wong

Naharay zavatra mihoatra noho ny fianarana ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong rehefa lasa mpikambana vaovao tato amin’ny Fiangonana sy mpianatra tao amin’ny Brigham Young University-Hawai—nahazo fahalalana azo antoka izy fa misy Andriamanitra iray izay mahafantatra “ny antsipirian’ny fiainantsika.”

Naterak’i Ngan Kan sy Fat Wong tamin’ny 25 Mey 1962 tany Hong Kong, Chine izy. Iray tamin’ireo zaza fito lehibe tao amin’ny efitrano kely iray ny Loholona Wong.

Nihaona tamin’i Carol Lu izy tany am-piasana izay nampahafantatra azy mikasika ny filazantsara. Natao batisa tamin’ny 14 Febroary 1982 ilay tovolahy naman’ny fiangonana.

Iray taona taorian’izay dia nanambady an’i Carol izy ny 9 Jolay 1983. Nifindra tany Laie, Hawai, Etazonia izy ireo mba hahafahan’ny Loholona Wong mianatra. Satria visa ho an’ny mpianatra no nananany dia tsy afaka miasa afa-tsy 20 ora isan-kerinandro ny Loholona Wong. “Tsy maintsy tena nampihatra ny finoanay sy nivavaka izahay,” hoy izy raha mikasika ny zavatra tokony hatao hamelomana ny fianakaviany.

Niasa mafy mba hahazoana vatsim-pianarana izy ary dia niezaka nanenjika ny ora ilaina amin’ireo taranja araka izay azon’ny oniversite natolotra mba hahazoana mari-pahaizana. “Tsy mora izany,” hoy izy nitantara. “Rehefa niaina izany zavatra izany izahay dia nahafantatra fa azonay atao foana ny miantehitra amin’ny herin’ny lanitra.”

Nofehezina tany amin’ny Tempolin’i Laie Hawai ry Wong tamin’ny 9 Aogôsitra 1984. Dia niteraka ny zanany voalohany izy ireo ary nisy telo hafa fanampiny tonga teo anivon’ny fianakaviana taty aoriana. “Tena niavaka sy sarobidy tokoa ireo taona ireo,” hoy ny Loholona Wong.

Nahazo mari-pahaizana Licence amin’ny siansa momba ny haitoebola ny Loholona Wong ary mari-pahaizana amin’ny siansa mikasika ny informatique. Dia nahatsapa izy avy eo fa mila “mandeha miverina any Hong Kong mba hanompo.”

Taty aoriana izy dia nahazo ny mari-pahaizana MBA tao amin’ny Hong Kong Open University. Ny Loholona Wong no mpanorina sady mpiara-miombon’antoka ao amin’ilay orinasa mpanoro hevitra mikasika ny fandraharahana sy ny fomba hananana zavatra tsara kalitao ary niasa ihany koa tao amin’ilay orinasa mpijery kalitao sy mpanara-maso akora, izay orinasa nanombohany niasa tamin’ny naha-mpitana bokim-bola voalohany azy ary efa lasa tale lefitra mpitantana izy tamin’ny fotoana nialany tao amin’ilay orinasa.

Talohan’ny nanohanana azy ho mpikambana ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy tamin’ny 5 Aprily 2014 dia efa eveka, filohan’ny tsatòka ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra izy.